Filtrer les éléments par date : dimanche, 07 février 2021

Sady tara ny fanaovana ny asa no ratsy, asa ohatrinona no nanao an'io, amin'izao moa efa tsy soratana intsony ny teti-bolan'ny asa.

Efa tsy misy mpiasa miasa intsony eny Ambodivona.

Tafandria mandry
Patrick

 

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Pilo kely

Historiquement, les valeurs ancestrales malagasy (Soatoavina) dans son ensemble prônent et privilégient les échanges et la culture de dialogue dans tout aspect de la vie sociale, économique et même spirituel.

Néanmoins, chaque ethnie, localité, régions, ou autres subdivisions sociogéographiques ont toutefois des spécificités propres (fombandrazana, fombantany) que des visiteurs ou migrants devraient absolument s’efforcer de connaitre et de respecter au risque de créer de vives tensions sociales au détriment du mieux vivre ensemble.

Civisme et Etat de Droit en décadence, Un vivre ensemble menacé…Au final, la pandémie Covid-19 a encore une fois frappé fort et laissé des séquelles sur la vie au quotidien de nos concitoyens, pour ne parler que de l’insouciance vis-à-vis du respect des gestes barrière et de l’hygiène en général (gestion des ordures ménagères, saleté, non-respect des biens publics …), une société en proie au laisser aller…,au désordre et au désespoir.

Publié dans Politique

Nahitana henan'omby very Ramona Mpivarokena iray teto Vatofotsy Mahafaly Antsirabe ny marainan'ny Alahady 07 febroary.

Vao maraina dia tsikaritra ny fahitana vatan-dahy nivezivezy nanodinina ny plakin'ny Tiko vatofotsy. Rehefa nohadihadiana dia fantatra fa mpanaradia omby very izy ireo, ary hitan'izy ireo fa tsy lavitra teo ny fiafaran'ny dian'omby.

Rehefa tena voamarin'izy ireo dia hita fa niditra vavahadikely iray makao amina mpivarokena ny dian'omby ny maraina.

Nifampiantso ireo vatan-dahy ka niditra an-keriny tao anatin'ny fefy, ka voaporofo fa hita tao ny omby efa voarasa sy efa nisy ampahany teny ambony akalana mihitsy aza.

Publié dans Vaovao

Nitsidika ny toby lehibe famatsian-drano (Station de traitement d’eau) eny Anosizato ny Praiminisitra Ntsay Christian ny sabotsy 06 febroary 2021, taorian'ny fahatongavany avy nitsabo tena tatsy La Réunion, nijery ifotony ny fandehan’ny asa rehetra momba ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra ho amin’ny famatsiana rano madio an’Antananarivo.

Hamokatra rano hatramin’ny 100 m3 isan’ora ity toby lehibe ity, ary hamatsy ny sinibendrano ao Ambatondratrimo Ampitatafika, hanampy amin’ny famahàna ny olan’ny famatsiana rano amin’ny lafiny andrefan’Antananarivo amin’ny faritra Atsimondrano.

Efa eo andalam-pahavitàna ny toby, ary heverina fa ho vonona tanteraka ao anatin’ny telo herinandro.

Publié dans Sociale

7 febroary 2009-7 febroary 2021, 12 taona lasa izay no nisy diabe niazo an'Ambohitsorohitra, nandritra ny hetsi-bahoaka notarihin'ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina.

Nisy ny tifitra variraraka ka nahafatesana sy naharatrana olona maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Tsy avela ho raraka an-tany ny ran'ireo lavo tamin'iny fotoana iny, hoy i Andry Rajoelina androany teo Ambohitsorohitra, nandritra ny fahatsiarovana ireo lavo tamin'iny 7 febroary 2009 iny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique