Filtrer les éléments par date : jeudi, 04 février 2021

Le général Richard Ravalomanana, Secrétaire d'Etat chargé de la Gendarmerie nationale malagasy, confirme que la Gendarmerie nationale n'a jamais donné le feu vert au vol du jet privé immatriculé 5R-ASB, de Toliara à Johannesbourg, le 31 décembre 2020, contrairement à ce qui est dit par madame Gaelle Borgia, correspondante de France 24 à Madagascar.

Ni mr Andry Rajoelina, Président de la République, ni mr Ntsay Christian, Premier ministre qui lui ont donné une directive de faire ouvrir une enquête sur le trafic de 73,5Kg d'or, en provenance de Madagascar, découverts en Afrique du Sud le 31 décembre 2020, pour traduire devant la Justice tous ceux qui y sont impliqués quelle que soit leur situation politique, leur situation familiale ou la fonction occupée, n'y sont nullement impliqués.

Il maintient sa déclaration que ce vol n'a pas été autorisé officiellement, mais a pu sortir du territoire national avec la complicité de certains responsables dont un Gendarme de première classe, en service à la Brigade Territoriale de Toliara.

Publié dans Fil info

Pilo kely : Ny mpanohitra manohitra, ny mpitondra manohitra ny mpanohitra

Ka tsy Miaramanonja Mitambatra ?

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Taorian'ny hetsika fitakiana rehetra mahakasika ny asa, ny tambi-karama ho an'ireo Paramed, dia tsy nahita vahaolana ny teo anivon'ireo antanan-tohatry ny fitondrana, ka dia hiroso amin'ny fitokonana ireo Paramed manomboka ny alatsinainy 08 febroary 2021.

Ireo dokotera mpitsabo no hiandraikitra ny asa tsy maintsy atao, service minimum.

Nisy moa ny naoty nataon'ny minisitry ny fahasalamana mibaiko ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra hamojy ny asa, ary tsy misy mahazo mangataka fialan-tsasatra na hanao fivoriana ankoatran'ny fampandehanana ny asa, fa tsy nanakana ny sendikan'ny Paramed hiroso amin'ny fitokonana izany, izay zo fototry ny mpiasa.

 

Publié dans Tselatra

Tokony tamin'ny 4ora hariva teo, androany alakamisy 04 febroary, dia nahitana grenade offensive tao anaty dabapako, hitan'ireo mpisava fako, teo anoloan'ny masoivoho libianina etsy Ampandrana.

Grenady efa somary arafesina izy ity, nefa tena mbola mampidi-doza.

Efa eo ampelatanan'ny Polisim-pirenena BC ny fanaovana ny fanadihadiana

 

Publié dans Tselatra

Io fihadihana vovon-drano ao Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao io dia midika fa tsy ho araky ny Jirama intsony ny famaliana ny filàna ara-drano sy ny famatsian-drano manomboka izao.

Fotodrafitrasa mitoetra maharitra ny vovon-drano fa tsy zavatra natao hampiasaina ao anatin’ny fotoana fohy tsy akory.

Antony maro no mahatonga izany, fa ny lehibe indrindra amin’ireny dia ny tsy fahampian’ny tahirin-drano azo trandrahana noho ny faharitan’ny loharano ateraky ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fikorontanan’ny toetrandro.

Vokatr’izany dia lasa tsy maharaka ny fitombon’ny isan’ny mponina ambonivohitra ny tolotra.
Manginy fotsiny ny olana teknika mifandraika amin’ny fahanteran’ireo fotodrafitrasa momba ny famatsian-drano.

Publié dans Sociale
jeudi, 04 février 2021 10:28

No comment

No comment

(Photo Fb Groupe Fianarantsoa)

 

Publié dans Fil info

Misy ny ezaka anafoana ny hetra alaina amin'ireo olona kely karama, ary noferana amin'ireo mandray karama ambonimbony ihany ny IRSA.

Hita fa nahitsy ilay resaka lava-drano ka rano vita fanadiovana no aroso ho sotroin'ny olona fa tsy rano mbola ampangotrahana. Tandremana ihany anefa na izany aza ny fikorontanan'ny nappe phréatique eto Antananarivo renivohitra, satria raha maina ny ao ambany dia mety hihotsaka ny tany, satria tany malemy efa vonton'ny rano maloto avy ety ambony. Ataoko fa teknisianina matihanina ianareo anao izany.

Tsara ihany koa ny fanampiana ireo Governoran'ny Faritra amita ny lalana izay nasiana tanjona 200km isan-taona. Mila mazava kosa ny teti-bola ampiasainy fa tsy ilay 2 miliara ariary akory no ahavitany izany. Izay ny 1miliara ariary fampandehanan-draharahan'ny faritra, ary 1 miliara ariary anaovana fotodrafitrasa.

Publié dans Editorial