Filtrer les éléments par date : mercredi, 03 février 2021
mercredi, 03 février 2021 18:39

Pilo kely : Akatona ve ny Oniversite ?

Raha ny zava-misy eto amintsika, mila mivoaka ary mandray andraikitra ny teknisianina sy ireo manam-pahaizana amin'ny sehatra rehetra, fa ohatran'ny tsy misy olona nianatra eto.

Aiza ka toe-karena mitontona amin'ny tany, 40% n'ny orinasa mikatona avokoa, zara raha misokatra ny 30%, ranotay no ho sotroina, fambolena tsy misy dikany intsony, ny fahasalamana atao loterie politika sy ambom-po. Aiza daholo ireo sendika sy holafatra ary ireo Akademisianina?

Rehefa tsy miteny dia taingenan'ireo tsy nianatra sy mpanao bizina fotsiny.

Tafandria mandry e
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Matetika dia iniana disoana hatrany ny resaka momba ny fampandrosoana ny faritra ity, ao aza ny mamadika azy hoe adi-poko sy fampiadiana ny samy Malagasy.

Ohatra iray mitohaka amin'ny tenda ity zavatra mitranga eny ambany tanàna, araka ny anarana hilazan'ny sasany azy.
Raha raisintsika ohatra Ambodin'Isotry, izay ao avokoa ireo mpivarotra lehibe momba ny pièce automobile, ny kojakoja fanamboarana trano, ireo grossiste maro.

Mandoa hetra avy hatrany any amin'ny foibe izy ireny, zara raha misy vola miditra amin'ny fokontany, nefa ny toerana dia maloto, voretra, anjakan'ny tsy fandriam-pahalemana, tsy manana asa ny ankamaroan'ny mponina, tsy misy rano madio, ny trano zara raha azo hipetrahana.

Nefa raha nomena ny Faritra, Ambodin'Isotry izy eto, fa tsy hoe any amin'ny sisin-dranomasina, dia olona manana ny fahaizana sy ny traikefa no mitantana ny fokontany sy ny vola ary ny harena rehetra aterak'ireo magazay lehibe rehetra ireo, dia tokony mbola toy izao ve io fokontany sy faritra io?

Publié dans Politique

Io maraina io, dia tratran'ny tsy fahasalamana ny Praiminisitra, fa io tolakandro io ihany dia afaka miatrika ny filan-kevitry ny minisitra izy ankehitriny.

 

Publié dans Tselatra

Mitaraina mafy ireo mponina ety Andranomanalina Isotry noho ny loto sy tsy fandriampahalemana.

Maro ihany koa anefa ireo tsy tomombana ao amin'ity fokontany ity. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny fanaovana résidence en blanc, tsy misy reçu ny zavatra rehetra atao, baranahiny ny filokana isan'elakelantrano, ny loto manerana ny tanàna. Tsy voafehy ny fandriampahalemana, manjaka ny vaky trano sy ny sintomahery, hoy ireo mponina mitaraina ety.

Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana izy ireo ny mba hamahana ny olana faran'izay haingana, satria dia tsy nisy fivoarana mihitsy ity tanàna ity hatramin'izay nitantanan'ireo mpitantana nifandimby, fa dia mambotry vahoaka sy mikepoka ny volam-pokontany fotsiny.

"Mitady fivoarana izahay" hoy izy ireo fa tena simba ny tanàna.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Lamentable, déplorable, d’une médiocrité consternante… Des mots appartenant tous au même champ sémantique.

Ils décrivent mieux la scène digne d’une œuvre surréaliste montrant l’environnement dans lequel se déroulent les activités pédagogiques à l’école primaire publique de la ZAP d’Antetezana, CISCO Manandriana, DREN Amoron’i Mania.

La localité se trouve à 53 km au sud d’Ambositra et à moins de 7 km de la nationale 7 menant à Toliara.
Les photos publiées sur Facebook parlent d’elles-mêmes et rendent compte combien le secteur éducatif est négligé à Madagascar.

Le cas d’Antetezana est illustratif de ce qui se passe dans les zones qui ne verront de sitôt émerger des "EPP manarampenitra" tant vantées aujourd’hui.

Publié dans Editorial