Filtrer les éléments par date : samedi, 27 février 2021

Oviana moa ilay hoe mizara roa ny kabary, ka amin'ilay kabary faharoa no ilazana ny fiakaran'ny karama, ny anomezana famotsoran-keloka ireo gadra.

Miandry fa Gasy
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Mivoatra ny raharaha nahafatesan’ny Tale jeneralin'ny Ivonteram-pirenena momba ny atontanisa (INSTAT) teo aloha Ravelomanantsoa Paul Gérard. Voasambotra ny roalahy tamin’ireo ahiahiana ho nahavanona iny heloka be vava iny.

Lehilahy efa nigadra tao Ambanja no voasambotra ny 24 febroary 2021. Voasambotry ny zandary ny ampitson’io ny faharoa. Hatolotra ny Fitsarana izy ireo aorian'ny fanadihadiana.

Raha tsiahivina dia notafihin'ny jiolahy mitam-basy, ny alin'ny zoma 19 febroary ny tokantranon'ity DG INSTAT teo aloha ity ao Maherivaratra, Kaominina farany avaratra ao amin'ny Distrika Ambanja manaraka ny lalam-pirenena faha-6.

Publié dans Tselatra
samedi, 27 février 2021 18:28

Analakely et environ quadrillage militaire

Analakely et environ quadrillage militaire

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Misy mikiry hamaky ny magasin de stockage io hariva io ka sahirana ny police mandrava izay olona mivorivory rehetra miazo ny lalana rue n°14 hihazo ny jirama sy bazar scama iny mandalo eo amin'ny Simpa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tonga eto Ambovombe Androy nitondra ny anjara birikiny ny Pdg Hariss dit Baba, izay anisan'ny tanora mpandraharaha mpisehatra momba ny fandefasana sy mpikarakara ny entan'ireo olona mpiatsena any Chine.

Nahatsapa i Baba fa misy adidy amin'ny maha tanora vao misondrotra azy ny manampy ireo mpiara-belona Malagasy sahirana, indrindra aty amin'ny faritra atsimon'ny nosy izay ianjadian'ny kere.

Manana adidy ny orinasa Baba expert service Chine, fantatra tamin'ny anarana hoe Baba international service teo aloha, amin'ny fitondrana fanampiana ho an'ny Malagasy sahirana.

Etsy ankilany, dia mitondra ny fahaiza-manao amin'ny maha matihanina azy ireo ihany koa ny orinasa Baba expert service chine, amin'ny fikarakarana sy fandefasana ny entan'ireo manandraharaha atao any Chine.

Maro ireo tolotra azon'ny orinasa Baba expert service Chine omena :

Publié dans Economie

Mbola mitohy ny fanenjehana ireo mpandroba eto Toliara, ireo mpianatra ihany koa mbola mifanatrika amin'ireo mpitandro filaminana.

Re amin'ireo resaky ny mpitam-basy ny monomonona ny amin'ny tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana amaha ny olan'ny mpianatra izay manitatra ny raharaha amin'ny fandratrana, fisamborana ary vaky trano.

"Anakanay avao ty tofirinay basy, hoy ireto mpitandro filamina, nefa rozy ambony ao tsy manao ty asany".

 

Publié dans Tselatra

Maro ireo magazay vaky sy voaroba.

Mpamarotra piesy bisikileta eny amin'ny Jirama, hifanenjehana ny mpamaky grossiste akaikin'ny bazar Scama.
Efa misy ihany koa ny manandrana mamaky ny magazay stockage Simpa.

Miamaro ireo mponina avy any Toliara II no miakatra eto Toliara naheno ireo namany nahazo entana, ka mirohitra na ny kely na ny lehibe.

Tsy maharaka ireo mpitandro ny filaminana satria dia miadry ireo mpianatra eny Maninday.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
samedi, 27 février 2021 10:09

Toliara : Tonga Sanfily ny vaky magazay

Manao saka sy totozy ny police sy ny mpandroba eto Sanfily.

9 no voasambotra hatreto amin'ireo mpandroba.

 

Publié dans Tselatra

Vao maraina sabotsy 27 febroary dia efa nihatrana eto Ankilifaly ny mpitandro ny filaminana miaraka amin'ny fitaovam-piadiana mahery vaika, mifanatrika amin'ireo mpianatra oniversité n'i Maninday, izay manao fitakiana ny vatsim-pianarana.

Etsy ankilany anefa, etsy Andolombazaha dia misy olona tsy mpianatra mamaky magazay ary mandroba mihitsy ireo mpivarotra confection sy kapa ary produit de beauté no tena lasibatra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
samedi, 27 février 2021 08:11

No comment

No comment

(Voir Suite Photo)

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2