Filtrer les éléments par date : vendredi, 26 février 2021

Lazao fotsiny raha tsy manam-bola ny fanjakana, fa tsy andaingana daholo na ny mpianatra, na ny mpanamboatra lalana tsy naloa vola, na ny tompom-bary nanaovana vatsy tsinjo, na ny Paramed, na ny caisse école, na ny FRAM, fa tsy izay mitaky ny zony no lazaina fa manao hetsika politika ka sambosamborina sy anaovana tifi-danitra mahafaty.

Tafandria mandry
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Zazavavy kely 6 taona no niharan'ny filan-dratsin'ny zazalahy iray 16 taona, tao Talata Andraikiba, Kaominina ambonivohitra Antsirabe ny 25 febroary 2021 tokony ho mitatao vovonana.

Ny tomanin’ilay zaza sy rà tamin’ny silipony no nahataitra ny manodidina ilay trano vao amboarina, izay toerana nitrangan'ny fanolanana. Ireto farany no nampandre ny Ray aman-drenin'ilay zaza ka nitondra avy hatrany tao amin'ny hopitaly Sainte Claire d'Assise Andraikiba.

Tsy vita tao anefa ny fitsaboana fa nanapa-kevitra ny mpitsabo tao fa tsy maintsy hoentina miakatra any amin'ny hopitaly lehibe any Antsirabe ilay zaza.

Nitsoaka ilay zazalahy nahavanon-doza.

Notanan’ny zandary ny reniny mba hanokafana fanadihadiana momba ny fitsoahan'ny zanany ary mba hisorohana ny ainy amin'ny fitsaram-bahoaka.

Voasambotra ihany ilay nahavanon-doza taorian’izay, ary efa eo ampelantanan’ny zandary.

 

Publié dans Vaovao
vendredi, 26 février 2021 19:36

Fandriampahalemana : Nanao tomban'ezaka

Nahitàna 29 ireo zandary naratra ary 4 sahady no nodimandry tamin’ity taona ity, araka ny tatitra nasehon’ny Zandarimaria. Nisy araka izany ny fandinihana ny fahaiza-manao teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Izany no natao dia ho fanarenana ny fiasian’ny zandary sy mpitandro ny filaminana maratra eo amin’ny fanatanterahana ny asany.

« Tsy afaka ny hiasa irery ny Zandarimariam-pirenena fa tsy maintsy misy ny fiaraha-miasa eo aminy sy ireo vondro-tafika, ny fitsarana, ny atitany sy ny hafa mba hanatsarana ny fomba fiasa manoloana ny toe-draharaha misy eto Madagasikara » hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

Handray andraikitra izy ireo raha mbola misy olona manivaiva sy manao vava tsy ambina an’ireny zandary, tafika, polisy ireny.

Publié dans Vaovao

Hiavaka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ho amin’ity taona 2021 ity.

10 isanjato sisa ny ala manerana ny Madagasikara, izay mitarika ny tsy fahazoan-drano ka miatraika mivantana amin'ny andavan’androm-piainan’ny vehivavy malagasy.

Ka izany nosafidianana manokana ny lohahevitra hoe « Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy » ho an’ny fankalazana ny valo martsa amin ‘ity taona ity.

Nisy fiatraikany teo amin ‘ny tontolom-piainan’ny vehivavy ny tsy fisian’ny rotsak’orana sy ny haintany ary koa ny fahalatsahan’ny lentan’ny vehivavy nandritry ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19 teo iny ka nampirongatra ny herisetra tamin’izy ireo.

Publié dans Sociale

Karazan-kazo Baobab malaza eto Madagasikara ny Adansonia grandidieri Baillon, izay tena manana ny anjara toerany eo amin’ny toekarena sy kolontsain’ny firenena.


Ny mpikaroka eo amin’ny sehatry ny botanique toa ny Dr. Andriantsaralaza Seheno, ao amin'ny Oniversiten’Antananarivo, dia mihevitra ireo baobab ireo ho toy ny "kamboty" satria lany tamingana ireo biby mpanaparitaka ara-voajanahary ny voan’ny baobab, hany ka manakana ny fahafahan'ny hazo hiteraka.

Anisan’izany ny aepyornis, ny gidro be, sy ny sokatra goavambe, izay maty avokoa efa 1 000 taona lasa izay.

Ny Dr. Andriantsaralaza dia mpahay siansa Malagasy voafantina hahazo famatsiam-bola avy amin'ny tetikasa Partnerships for Enhanced Engagement in Research (PEER) an’ny Sampandraharahan’i Etazonia misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), farany teo.

Publié dans Sociale
vendredi, 26 février 2021 10:40

Fambolena : Afaka ampandrosoana ny voly avotra

Matetika ny fambolem-bary ihany no tena resahina raha resaka fambolena.

Ny voly avotra anefa, amin'ny anarany izay dia manavotra tokoa, manavotra ny tany avy nambolena vary, satria mitondra ireo akora simika, manisy lavadavaka andehanan'ny kankana, izay lavadavaka ambanin'ny tany hitondra oxygène ho an'ny fambolem-bary manaraka, ka ho mora amin'ny fakam-bary no ahazo rivotra sy rano amin'ny alalan'ireny lavadavaka madinika ireny.

Miady amin'ny ahidratsy ihany koa ny voly avotra, ka hanampy amin'ny fambolena hafa mandimby azy, ary manampy amin'ny fitehirizan-dranon'ilay tany.

- Ny voly avotra dia tsy mila rano betsaka, ka ahafahana miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, ary manampy amin'ny fiovaovan'ny toe-trandro ;
- Ho betsaka kokoa ny fidiram-bola ;
- Hanatsara ny tsiron'ny tany ;

Publié dans Editorial