Filtrer les éléments par date : mardi, 23 février 2021
mardi, 23 février 2021 16:57

Sary nahafinaritra

Pilo kely : Sary nahafinaritra

Bonne nuit e
Patrick

Publié dans Pilo kely
mardi, 23 février 2021 16:30

Asa akory koa ty raiky ty

- Police : Manaja tompoko, permis azafady

- Mpamily : Hein? Inona izany? Za ary vao mianatra
- Mpamily : Auto école anie ity e, permis ahoana, anontanio io mpampianatra io ?
- Nivadika atsy amin'ny mpampianatra ilay Police : Taratasy azafady
- Mpampianatra: ity ny kara-panondroko de ity ny fahazoan-dalana mampianatra
- Police : Ataoko inona izany, permis no ilaiko
- Mpampianatra : Ataoko inona permis rasefo fa za angaha mitondra fiara ? Izy anie no mamily fa tsy za e
- Police : Za aza hanianianareo fa aiza ny permis an?

Aza tezitra Polisy fa mba atsikana kely fotsiny iny (Parodie).

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
mardi, 23 février 2021 16:21

SAMVA : Niverina tanteraka amin'ny CUA

Araka ny tapaky ny filan-kevitry ny governemanta dia tontosa amin'izao ny fanakinana tanteraka ny fitantanana ny resaka fako sy ny fanadiovana ny tanànanan'Antananarivo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nofohanana arak'izany ny SAMVA ka nafindra tanteraka amin'ny "Société Municipale d'Assainissement" na ny fitaovana rehetra na ny mpiasa, izay tsy misy fandroahana mpiasa faobe.

Manomboka eto izany, toy ny fenitra rehetra ho an'ny Kaominina hafa, dia tompon'andraikitra feno amin'ny fanadiovana ny tanàna ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
mardi, 23 février 2021 14:07

Hetsika Analakely : 12 nidoboka amponja

Nanamafy ny teo anivon’ny mpitandron’ny filaminana (EMMOREG) fa mandray andraikitra foana izy ireo amin’izay mety ho fandikan-dalàna na amin’iza na amin’iza, satria voafehin’ny lalàna avokoa ny olon-drehetra .

Nanome fanazavana mahakasika ny zava-nisy teny ambohijatovo sy analakely tamin’ny Asabotsy lasa teo izy ireo.

Voalaza araka izany fa olona miisa 12 no voasambotra, ka vehivavy ny iray tamin’ireo, ary nisy manam-boninahitra voasaringotra tamin’izany.

Publié dans Vaovao
mardi, 23 février 2021 13:41

Hetsika Analakely : 12 nidoboka amponja

Nanamafy ny teo anivon’ny mpitandron’ny filaminana (EMMOREG) fa mandray andraikitra foana izy ireo amin’izay mety ho fandikan-dalàna na amin’iza na amin’iza, satria voafehin’ny lalàna avokoa ny olon-drehetra .

Nanome fanazavana mahakasika ny zava-nisy teny ambohijatovo sy analakely tamin’ny Asabotsy lasa teo izy ireo.

Voalaza araka izany fa olona miisa 12 no voasambotra, ka vehivavy ny iray tamin’ireo, ary nisy manam-boninahitra voasaringotra tamin’izany.

Efa nalefa teny amin’ny « enquête mixte EMMOFAR » eny fiadanana ny raharaha mahakasika azy ity, ary nidoboka eny Antanimora izy 12 mianadahy ireo.
Fanohitohinana fanjakana, fandraisana anjara tamin'ny famoriam-bahoaka tsy nahazo alalana.

Ny kianjan’ny Soamandrakizay dia efa natokana ho hanaovana tatitra an’ireo solombavam-bahoaka manao izany.

Tsy nisy ihany koa ny « Mercenaire » tamin’ny fitandroana ny filaminana ny sabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny Zandarimaria.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Tokatrano miisa valo no kilan’ny afo tamina trano lehibe iray ny alahady 21 febroary tokony tamin’ny efatr’ora tolakandro tao amin’ny fokontany Andranomanalina Isotry.

Avy ao ambany rihana no nihavian’ny afo araka ny filazan’ny iray tamin’ireo traboina.

Mety ho “court circuit” tamin’ny alalan’ny fitaovana miasa amin’ny herinaratra tsy noesorina no nahatonga ny firehetana.

Tsy tao rahateo ireo mpanofa trano tao ambany rihana tamin’ny fotoana nirehetan’ny trano.

Telopolo minitra tao aorian’ny firehetana vao tonga ny mpamonjy voina araka ny filazan”ireo nanatri-maso.
Tsy nisy ny aina nafoy saingy fitafiana teny ankodin’ireo tra-boina sisa no azo noraisina tamin’izao hain-trano izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

23 février : Journée mondiale pour sauver les ours.

 

Publié dans Fil info

Nandritra ny fandalovan'ny Filohan'ny FIZAFATO teto Toamasina, dia nasain'ireo Cadres avy amin'ny Faritany Toliara izay miasa sy monina eto Toamasina, niarahaba izy ireo noho ny fahazoan'ny FIZAFATO Filoha vaovao, sady nirary soa koa mba hahavita amin'ny fitantanana ity fikambanana ho an'ny zanak'i Faritany Toliara ity. Voaasa tao anatin'izay koa ireo Solombavambahoaka avy amin'ny Faritany Toliara izay tonga taty an-toerana.

Jean Michel Henri, député lany tao Ambovombe Androy no sady Kestora voalohany ao amin'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, no voafidy hitantana ny FIZAFATO.

Taorian'ny lanonana fandraisana amin'ny fomba ofisialy ireo mpianatra vaovao avy amin'ny Faritany Toliara eto amin'ny Université Barikadimy Toamasina izay nanasan'izy ireo ny Filohan'ny FIZAFATO, dia tonga nisaotra sy nankasitraka ireo Ray amandreny izay nanome voninahitra sy nanotrona ary namaly ny fanasan'izy ireo ny Mpianatra ao amin'ny MPIFATO TOAMASINA, tao anatin'izay no nanoloran'izy ireo marim-pahatsiarovana ho an'ireo Ray amandreny izay tonga taty an-toerana.

Publié dans Vaovao
mardi, 23 février 2021 11:24

Fahasalamana : Voalohan-karena

Ny rehetra afaka manantona mpitsabo dia mangataka hanao Bilan général, dia omeny ordonnance, dia izy ihany koa avy eo no mahita ny valiny, sy izay fepetra tokony raisina raha misy tsy milamina tsara.

Amin'ny ankapobeny :
- Consultation dokotera 30 000ar
- Mpanao nify 30 000ar isaky ny acte, tsara raha amboarina daholo na esorina izay tena tsy avotra, - Isaky ny 6 volana manao détartrage, na ilay manala ireny carry ireny
- Scanner 180 000ar + fanafody 80 000ar x 2 (arakarak'izay atao)
- Analyse Institut Pasteur : Miankina amin'ny zavatra rehetra atao, amin'ny ankapobeny 250 000ar
- Tsara ny mijery maso : Consultation 30 000ar, ny solomaso tsotsotra manodidina ny 100 000ar.
- Mila jerena ny sofina, fa matetika izy io mitondra tsy fahasalamana toy ireny fanina ireny, ankoatran'ny tsy fahenoana tsara, misy appareil azo atao tsara, somary lafolafo, tsy atao mahamenatra ireny ka hoe be marenina, toy ny maso ihany io, rehefa mitombo ny taona dia mihena ny fahenoana, dia toy ny manao solomaso, dia manao appareil fahenoana.

Publié dans Sociale
mardi, 23 février 2021 07:07

Fahasalamana : Afaka hiatrika ny ho avy

Nanao fizahana fahasalamana rehetra, bilan général, scanner.

Mila manamafy ny fanatanjahan-tena, mandeha tongotra matetika, ahena kely ny vatana hoy ny mpitsabo, fa amin'ny ankapobeny, milamina avokoa ny fahasalamana.

Mankasitraka ireo mpitsabo rehetra, Institut Pasteur, HJRA, Befelatanana, Hôpital Manarapenitra Andohatapenaka, dentiste, tena mahay ny Malagasy, mila tohanana ireo mpitsabo sy ny toeram-pitsaboantsika, mila jerena akaiky ny fiantohana ny marary fa tsy zakan'ny maro ny vidim-panafody sy ny fitsaboana.

Misaotra antsika namana rehetra miara-mientana sy mifanohana.
Vonona ny hiatrika ny dingana manaraka eo amin'ny fiainana.

Vitatsika io.
Patrick

Publié dans Editorial