Filtrer les éléments par date : mardi, 02 février 2021
mardi, 02 février 2021 18:31

Basy eky nareo ndraiky bonne année

Efa mois de février atsika, mbo banané ndraiky dimbin'ny banané fo koragna, ninolo efa miasa volamena, anareo kawitry fo mampiasa lohanareo.

Allo mandria eky fa lera.
Patrick

Publié dans Pilo kely
mardi, 02 février 2021 18:29

Ivato : Nibaribary ny fandaniam-potoana

Vokatry ny famindrana ny fidiran'ny mpiasan'ireo kaompania misehatra amin'ny fiaramanidina manokana, dia lany adiny 3 latsaka ny fisavana ireo mpiasa hiasa nanomboka omaly alatsinainy 01 febroary 2021 maraina.

Nanomboka tamin'ny 9ora maraina no nanomboka ny fisavana hidirana miasa, efa tamin'ny 11ora sy sasany ny farany vao tafiditra.

Mandalo fisavan'ny fadintseranana ny fidirana voalohany, izay vao miditra eo amin'ny sureté. Miditra anaty varavarana fitiliana vy (portique). Tsy misy ny scanner hitarafana ny entana, fa fisavana an-tanana (fouille manuelle) no nataon'ireo mpiasan'ny orinasa Amarante misehatra momba ny sureté aéroportuaire. Manarapenitra ve izany fisavana tanana izany amin'izao aretina Covid-19 izao ?

Publié dans Economie

Mila miasa avokoa ny mpitsabo rehetra, miasa avokoa ny mpiasa rehetra, tsy misy fangatahana andeha hiala sasatra na congé ny mpiasa, tsy misy fivoriana azo atao ankoatran'ny resaka fampandehanana ny toeram-pitsaboana azo atao.

Izay ny naoty navoakan'ny minisitry ny fahasalamana ny 28 janoary 2021, manoloana ny firongatry ny valanaretina Covid-19, sy ny fitrangan'ireo areti-mifindra hafa eto Madagasikara.

Tsy miala izay fepetra izay raha tsy miverina amin'ny laoniny ny fahasalamam-bahoaka.

 

Publié dans Tselatra

Ny 31 janoary 2021 tamin'ny 9ora maraina dia nahazo antso avy tamin'ny sefo Fokotany Andranoteraky, Kaominina Befandriana-sud ny Tobim-paritrin'ny Zandarimaria eto Befandriana sud fa nisy nangalatra ny osin'ny lehilahy iray, avy any Maharihy, Kaominina Basibasy Distrikan'i Morombe ny sasakalin'ny 30 janoary 2021.

Osy miisa 26 no vvery ary voalaza fa dahalo 5 lahy mitondra basy PA vita gasy sy famaky aman-defona no nangalatra.
Noho ny fampandrenesana ara-potoana, dia voasakan'ny fokonolona tany Bejaky Fokotany Andranoteraky, Kaominina Befandriana-sud, Distrikan'i Morombe ireo dahalo niaraka tamin'ny osy nangalariny, nanohitra tamin'ny fitifirana ireo dahalo. Raikitra ny fifandonana teo amin'ny roa tonta.

Publié dans Vaovao

Tsy misy tsy mahalala ny tetikasa Soalala izay saika hametrahana ny fitrandrahana vy tamin'ny tetezamita izay nahazoana vola 100 000 000$ nahafana nampiodina ny fitondrana tetezamita nandritra ny 5 taona, niaraka tamin'ny bois de rose.

2000 taona lasa, fony andron'ny mpanjaka ezipsianina, dia hitatsika tamin'ireny fasan'ny mpanjaka tany anaty pyramida ireny, fa nitemotra volamena ny trano vorona misy ny mpanjaka, fa ny mpanjaka kosa dia nampitazomina lefona vy.

Publié dans Editorial