Filtrer les éléments par date : vendredi, 19 février 2021
vendredi, 19 février 2021 21:51

Basy fo moan solution problème

Pilo kely : Basy fo moan solution problème jiaby io ?

Bonne nuit
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nilaza ny solombavam-bahoaka Roland Ratsiraka nandritra ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety, androany zoma 19 febroary tetsy amin'ny Carlton, fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny laharam-pahamehana ao anatin’ny sain’ny mpitondra fanjakana.

Lasa any amin’ny toeran-kafa ny laharam-pahamehana ho entin’ny mpitondra ankehitriny ka hany lasa mikorontana ny raharaham-pirenena.

Ilaina hoy ny solombavam-bahoaka voafidy tao Toamasina ny fotodrafitrasa iombonana, fa tsy fotodrafitrasa ara-panatanjahantena no handaniana vola tsitokotsiforohana.

Mbola ao ny sosialim-bahoaka izay mbola tsy voavaha hatreto.

Publié dans Politique

19 février : Journée internationale de la baleine.

 

Publié dans Fil info
vendredi, 19 février 2021 07:48

No comment

No comment

Publié dans Fil info

Maro ny resaka momba ity vatsim-pianarana ity ankehitriny, ao ireo milaza fa tsy tokony omena vola ireo mpianatra satria efa tsy mandoa vola eny amin'ny Oniversite.

Maro ihany koa ireo mpianatra no entina misotro toaka sy hanaovana revy ny bourse, misy aza moa ilay fitenenana hoe "Riche d'un jour", ka rehefa tsy ampy ihany ilay bourse, dia atao laboraingy indray andro.

Izaho dia zanak'olona nanana ny ampy, tsy mpanakarena fa nivelona tsara tsy sahirana, raha resaka fampianarana dia nianatra tamin'ny sekoly tsy miankina hatrany.

Fa vao afaka Bac aho ka nanao Service National, dia tsy niantohan'ny Ray aman-dreniko intsony, tsy noho ny tsy fananana, fa ny fametrahana ahy hoe efa lehibe. Dia ny volan'ny SN 12 500fmg no nentiko niatrika ny fiainana (Taona 1984). Hitako izany tsaramaso fotsiny no natao sakafo, mandeha tongotra fa tsy manana frais taxi-brousse, lavitra rahateo ny toerana nandefasan'ny fanjakana ahy nampianatra, lieu d'affectation.

Publié dans Editorial