Filtrer les éléments par date : jeudi, 18 février 2021

Noho ny ratra sy fahaverezan-drà be loatra, vokatry ny tifitra bala nahazo azy tamin'ny hetsiky ny mpianatra tao Barikadimy, hetsika fitakiana vatsim-pianarana androany 18 febroary 2021, dia namoy ny ainy i Johnelie Jacques Michel, 23taona, mpianatra taranja toe-karena taona faha 2.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny ladoany SEMPIDOU tao amin'ny foiben-toerany Antanimena tamin'ny talata 16 febroary 2021, nilaza izy ireo fa betsaka ireo manam-pahefana, olom-boafidy na olom-boatendry manao fanamparam-pahefana, manao tsindry ao amin'ny ladoany.

Nampitandrina izy ireo fa tsy hanaiky izany toe-javatra izany intsony, ary hilaza ampahibemaso ny anaran'ireo izay mbola manao izany ihany.

Nilaza izy ireo fa maro ny zavatra mandeha ao amin'ny ladoany, maro ihany koa ireo fiaramanidina mifamezivezy, ankoatran'ny EVASAN na fiaramanidina mitondra marary, ny fiaramanidina rapatriement, na ireo mitondra ny tera-tany malagasy mody, ireo fiaramanidina mitondra entana na cargo, fa misy ihany, hoy izy ireo, fiaramanidina hafa mandeha, ka na sokafana tanteraka hoy izy ireo ny sisin-tany malagasy, na akatona tanteraka, indrindra ny eto Ivato sy Nosybe izay mbola mandeha.

Publié dans Editorial
jeudi, 18 février 2021 11:56

Grève Université Barikadimy Toamasina

Grève Université Barikadimy Toamasina

(Voir Suite Photos)

Publié dans Fil info

Aman-taonany izao ny fitokonana eo anivon'ity orinasam-panjakana mpitrandraka Kraoma ity, ny mpiasa tsy voaloa ny karama, efa nitety an'ireo tompon'andraikitra rehetra, efa nilanja sora-baventy hatreny amoron-dalana mizotra mihazo ny tranon'ny Filoham-pirenena mihisy aza.

Efa ho lozitry ny rano sy ny masoandro aza ireo sora-baventy manemotra ny foiben-toeran'ny orinasa etsy Ampefiloha Antananarivo, fa toa lasa haingo nahazatra ny mpandalo ireto izy.

Tsy misy vahaolana aroson'ny fitondrana, ny Tale Jeneraly mpisolo toerana vonjy maika efa ho roa taona no teo, tsy hita izay fanapahan-keviny, fa toa voa maika kosa aza nampidi-kizo ny orinasa.

Ireo mpanara-maso ny fampiasam-bola, ny Bianco, ny ministera mpiahy samy tsy misy hita avokoa.

Itony anefa no orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany, izay tokony ho fototry ny fampandrosoana eto Madagasikara.

Tsiahivina fa an'ny Kraoma ny fahazoan-dalana mitrandraka ny volamena any Betsiaka Ambilobe izay misy 500 taonina volamena raha ny fandalinana ara-tsiantifika natao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Polytechnique Vontovorona 3ème journée de grève

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Hisy orinasa ara-indostria madinika sy salantsalany hijoro sy hiorina manerana ny distrika 60, ka hamorona asa ho an’ireo vehivavy, sy fikambanana vonona hihary ary vondron’olona vonona hanatanteraka ny tetikasa.

Hijoro amin’izany ireo ozinina kely afaka mamokatra ranomboankazo, afaka mitoto vary, afaka manodina ny ovy ho karepoka, ny voatabia ho lasa ambifotsy, ny hamokatra sakafo fanjifan’ny mponina andavanandro.

Hiteraka asa sy fandrosoana ary fanjifana mivantana ny vokatry ny tany avy amin’ny faritra sy distrika isan-tokony izany.

Hisy ny fanofanana eo amin’ny sehatra maro hoenti-mametraka izany.

Publié dans Economie
jeudi, 18 février 2021 11:03

08 martsa : Isaky ny faritra ny fankalazana

Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia hiavaka tsy toy ny isan-taona ny fankalazana ny 08 Martsa amin’ity taona ity, araka ny fampitam-baovao nataon’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

Tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 17 febroary 2021, hoy ny fampitam-baovao, fa isaky ny faritra no hatao ny fankalazana ny fetin’ny 08 martsa amin’ity taona ity mba hisorohana ny mety hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 izay mbola mihaodihaody eto amintsika.

Tsy misy ny fihaonam-be iarahana fa samy mankalaza izany ny isaky ny Faritra 22.

Fambolen-kazo, fanentanana amin’ny fizakantenan’ny vehivavy sy ny fikajiana ny tontolo iainana no hiompanan’ny fankalazana.

Publié dans Sociale

18 février : Journée mondiale d'action en faveur du droit de grève.

 

Publié dans Fil info