Filtrer les éléments par date : mercredi, 17 février 2021
mercredi, 17 février 2021 20:23

Rehefa mitantana ankizy amin'ny arabe

Pilo kely : Rehefa mitantana ankizy amin'ny arabe, ianao lehibe no amin'ny sisiny manaraka ny arabe, fa ny ankizy no amin'ny ilany anaty trottoir.

Tafandria mandry e
Patrick

Publié dans Pilo kely

Madiva hifarana ny fahavitan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 (RN44), araka ny tafa nataon’ny solombavambahoakan’i Madagasikara IRD voafidy tany Ambatondrazaka Rakotondrazafy José Alain sy ny goverinoran’Alaotra-Mangoro Ramandehamanana Richard.

Notaterin’ny fahitalavitra tsy miankina iray tao Antananarivo nandritra ny fampahalalam-baovaony izany omaly talata faha-16 febroary hariva.

Voaravaka sary mampiseho ampahan-dalana vita amin’ny ampahany izay nalaina tany Ambohibolabe ao atsimon’Amboasary Gara ny vaovao.

Fampandriana adrisa tsotra izao ny olom-pirenena tsy mahalala ny zava-misy marina eny an-kianja, no sady miendrika fisandohan’andraikitra ny filazàna toy izany ka vao mainka manaratsy endrika ny fitondrana foibe, no mampitombo ny fahasorenan’ny vahoaka.

Publié dans Editorial

Notanterahina ny alatsinainy 15 febroary, teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny (MAE) Anosy, ny fivoriana mikasika ny drafi-pirenena marolafy iatrehana ny valanaretina Covid-19.

Nitarika izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, niarahana tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka, ireo eo anivon’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana, ary ny teo anivon’ny fiarahamonim-pirenena.

Nandritra ny fivoriana dia nisy ny jery todika mahakasika ireo ezaka sy asa rehetra natao nandritra izay fotoana nisian’ny valanaretina Covid-19 izay ka nahafahana nifehy ny fihanak'ity valanaretina ity.

Niarahanan-dinika tao ihany koa ny lamina vaovao hapetraka mba tsy hampirongatra indray ny valanaretina satria afaka fotoana fohy dia hiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika.

Publié dans Politique

May mitondra takaitra ary hirifiry no iainan'ity zazalahy kely vao efatra taona monja ity, notondrahan'ny dadatoany, anadahin-dreniny ravitoto mangotraka mbola nitaingina teo ambony fatana.

Mpihavana, Mpifanolo-bodirindrina, monina eny Betamanga Fokontany Ambondrona izy mianakavy ireto, saingy efa nisy disadisa hatramin'ny ela noho ny resaka ady lova araka ny fitantaran'ny renin'ity zaza ity.

Afak’omaly, nifamaly tamin'ny vadiny ity rangahy ary nikasa hikasi-tanana am-dramatoa io ity farany, saingy nosakanan'ny olona. Ilay zaza tsy maninon-tsy maninona no notondrahan'ilay rangahy ravitoto mangotraka, ka izao may izao, may ihany koa ramatoa vadiny no sady naratra.

Tànana hatao famotorana ao amin'ny polisy misahana sy miaro ny Zaza tsy ampy taona ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity, ary atolotra ny Fampanoavana avy hatrany raha vao vita ny fanadihadiana azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Voasambotry ny Zandary tao Antetezambaro Distrika Toamasina II i Juvano. Gadra nitsoaka tao amin’ny fonjan’ Ambalatavoangy tamin’ny 2019 ity farany.

Tompon’antoka tamina fanafihana mitam-basy nitranga tao Andranomadio ny alin’ny 29 janoary 2021 teo ity jiolahy ity.

 

Publié dans Tselatra

Taximoto iray no nisy nandroba tao Antampon’Ampamoizamaso Distrika Andalimena amin’ny lalam-pirenena faha-3 ny harivan’ny 13 febroary 2021.

Saron’ny Zandary tao amin’ny Fokontany Anony Kaominina Vohimena sy Fiadanana Kaominina Amboavory ao amin’ny Distrika Amparafaravola, toerana mifanila amin’ny Distrika Andilamena, ireo tompon’antoka tamin’izany.

Sivy lahy no voasambotra. Nanao amboletra hitsoaka, nandritra ny fotoana hitondra azy ireo hiazo an’Andilamena, ny iray tamin’ireo voasambotra izay isany tompon’antoka tamin’io fandravana Taximoto io. Maty voatifitra io, rehefa tsy nety nampijanonina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Very ny fiara Mazda miloko volondavenona iray miaraka amin'ny mpamiliny. Nanao fitarainana tamin'ny Zandarimaria tao Toamasina ny tompony ny 25 janoary 2021 fa fiara nofain'olona hitondra razana ny 18 janoary niala tao Toamasina ho any Betampona, Distrika Mahanoro. Fotoana farany izay nahazoana antso azy ireo.

Nahitàna razana iray tsy fantatra tany Mandalahy Kaominina Alakamisy-Ambohimaha Distrika Lalangina Faritra Matsiatra Ambony ny 04 febroary 2021, izay nomarinin'ny mpitory fa tena mpamiliny tokoa ilay razana ary efa nalevina.

Natao ny fikarohana lalina ka tratra ny jiolahy iray izay mbola nitazona sy nampiasa ny findain'ilay mpamily maty. Io jiolahy io avy eo no namboraka ireo asa ratsy natao sy nanoro ireo namany namono ilay mpamily sy ny garazy misy ilay fiara, izay efa voaova loko ho mena fa tsy volondavenona intsony.

Fantatra ihany koa fa tsy misy akory ilay hoe : razana ho aterina any Mahanoro.

Publié dans Vaovao

Lavo nandritry ny tranga fifandonana tamin'ny andian-dahalo mitam-piadiana ny Zandary iray miasa ao amin'ny Vondron-tobi-paritry ny Zandarimaria ao Morondava ny 16 febroary 2021 tamin'ny 5 ora maraina tao Antsira Kaominina Belo sur Mer, Distrika Morondava, Faritra Menabe.

Olona roa (vehivavy sy lehilahy) ihany koa no nalain'ireo andian-dahalo natao takalon'aina. Nalain'ireo dahalo ny basin'ilay zandary lavo, saingy azo ihany niaraka tamin'ilay lehilahy takalon'aina iray rehefa nisy ny fanenjehana sy fifandonana lavareny.

Baiko hentitra no nomen'ny Foibe fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena dia ny hanavotana ilay vehivavy takalon'aina iray sy ny hisamborana ireo dahalo nahavita izao loza izao.

Nahetsika avokoa ireo Hery vonjy taitra rehetra manodidina hanao hazalambo any an-toerana.

 

Publié dans Vaovao

Manomboka amin'ny 1ora atoandro mandrampa-hariva ny andro dia tiomena hatrany no misy, rivotra tadio mitondra fasika sy vovoka.

Tsy misy ny rano, vidiana 15 000ar ny rano iray barika 250l zara raha madio. 60ar/litatra, 1200ar ny bidon mavo 20l.

Kere ary noana ny mponina, ny lalana ratsy, ny famokarana tsy misy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nampahafantarina ny alatsiinainy 15 janoary tetsy amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy ny vokatry ny fanisam-bahoaka, na RGPH3 natao tamin’ny 2018.

Nitombo ny isan’ny Mponina eto Madagasikara, satria efa mihoatra ny 25 tapitrisa (25 674 174) amin’izao fotoana izao, ka vehivavy ny 50,7% ary lehilahy ny 49,3%.

Monina any ambanivohitra ny 81% amin’ireo, ary an-drenivohitra ny 19%. Midika izany, fa raha hiady amin’ny fahantràna isika dia tsy maintsy miompana kokoa amin’ny eny ambanivohitra ny ezaka hatao, mba hanarahana ny zotram-pampandrosoana.

Nahavita ny ambaratonga fototra ny 67,5%, ary ny ambaratonga faharoa ny 22,9%.

Manodidina ny 67,6 taona eo ny salam-pahaveloman’ny Malagasy.

Tamin’ny taona 1993, izany hoe 28 taona lasa, no nanao ny fanisana ny mponina farany ny teto Madagasikara, raha tokony ho natao isaky ny 10 taona, araka ny fe-potoana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany.

 

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2