Filtrer les éléments par date : mardi, 16 février 2021

- Mitady asa ianao, "TSIA" no valiny

- Mitady mpividy entana ianao, "TSIA" no valiny
- Mitady famatsiam-bola ianao, "TSIA" no valiny
- Mitady stage ianao, "TSIA" no valiny
- Mitady bourse ianao, "TSIA" no valiny
- Mitady sipa ianao, "TSIA" no valiny
.......

Isaory avokoa ireo rehetra manao "TSIA" anao ireo, satria izy ireo no nampiazakazaka hampivalona ny "TSIA" amin'ny fiainanao, fa efa ho avy indray ny "ENY" marobe.

Aza kivy fa lalana ombana daholo izany.

Bonne nuit
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nanao fanambarana tamin'ny pejy Facebook ny Ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina, androany, milaza fa tsy afaka handray hetsika hafa intsony ny zaridainan'Ambohijatovo.

Nambarany fa amboarina ho Parc botanique ny zaridainan'Ambohijatovo mba ho fanatsarana ny tanàna sy ho famerenana ny hasin'Antananarivo.

Efa tontosa tamin'ny septambra 2020 ireo dingana rehetra ara-taratasy sy ara-panjakana (PPM). Tamin'ny desambra no nivaly izany, ary tamin'ny 7 janoary teo no nahafantatra ireo orinasa hanao ny asa, ary efa 15 andro izay no nanomboka ny asa.

 

Publié dans Politique

Tovolahy iray, 17 taona, no latsaka tampoka tao anaty lavadrano tao Tanakidy ny alahady 14 febroary tokony ho tamin'ny iray ora tolakandro.

Raha nahita izany ity miaramila tanora iray, 23 taona, "2e classe", avy ao amin'ny 2/RM2 Manakara, dia niditra hanavotra ilay zazalahy.

Samy tsy tafavoaka anefa izy ireo, ary namoy ny ainy avokoa vokatry ny hasemporana.
Nifanome tanana ny Fokonolona sy ny avy amin'ny Protection civile ao Manakara nampakatra azy ireo avy ao anaty lavadrano.

Nalain'ny havany avy ny faty taorian'ny fitsirihana sy fanamarinana nataon'ny dokotera natrehin'ny Zandary, ary nototofana avy hatrany ilay lavadrano.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nisesy ny fanafihan-jiolahy nitranga teto Ambanja sy amin'ireo tanàna manodidina tato ho ato.

Tao Begavo I, Fokontany ato amin'ny Kaominina ambonivohitra Ambanja dia in'efatra nisy fanafihan-jiolahy tao anatin'ny herinandro teo izay.

Ny alahady takariva dia tokantrano iray no lasibatra. Tafatsoaka ny tompon-trano, olona sendra nandalo namangy tao no voafira zava-maranitra, ary nisy iray hafa voatifitra ka samy naratra mafy avokoa.

Vola 30 000 Ariary no lasan'ny jiolahy.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fampitam-baovao tao amin'ny pejy fesiboky Me Hanitra Ofisialy ny solombavambahoaka TIM voafidy tao Antananarivo I fa "Hihaona sy hanao tatitra amin'ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka ny solombavambahoakan 'i Madagasikara lany teto Antananarivo ny sabotsy 20 febroary 2021 ao Ambohijatovo".

Nambarany fa "tafapetraka tao amin'ny Prefet Antananarivo io ny alatsinainy 15 febroary 2021 io ny taratasy fampahafantarana izany".

Tsiahivina fa nanao fanambarana ny Prefen'Antananarivo ny herinandro lasa iny nilaza fa voarara avokoa rehefa mety hetsika politika rehetra.

 

Publié dans Tselatra