Filtrer les éléments par date : lundi, 15 février 2021

Matetika re etsy sy eroa io, ka iza no andrasanao anavotra anao sy ny taranakao efa teraka, na ny mbola ho ateraka ?

Ary ianao efa teraka io izany, hiandry an'iza, tsy andray andraikitra fa hiandry ny hafa mbola tsy teraka ?

Tsy misy anavotra anao eo raha tsy ianao no mitsangana anavotra ny tenanao.

Tafandria mandry
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Ny Ilaifito no isan’ny mitondra ny 70%n’ny rotsakorana mandavan-taona amin’ny faritra trôpikaly, tafiditra anatin’izany i Madagasikara.

Ho an’i Madagasikara manokana dia nisy ny tranga Ilaifito izay nanomboka nitoetra tao amin’ny lakandranon’i Mozambika ny Alahady 07 Febroary 2021 ; nitondra orana saika manerana ny nosy izany nanomboka ny Alatsinainy 08 Febroary 2021 lasa teo, ary nitohy hatramin’ny Alahady 14 Febroary 2021.

Somary ho maimaina ny andro manomboka amin’ny alarobia any.

Tsara ny manamarika fa anisan’ny miteraka fiforonana rivodoza ny Ilaifito rehefa tena matanjaka ; miseho izany, indrindra aty amin’ny faritry ny lakandranon’i Mozambika.

 

Publié dans Tselatra

Le cancer chez l’enfant est la deuxième cause de mortalité dans les pays développés.

 

Publié dans Fil info
lundi, 15 février 2021 07:14

Covid-19 : Fivoaran'ny antontan'isa

238 ny tranga vaovao tamin'ireo 2458 nanaovana fitiliana teto Madagasikara ny 6 hatramin'ny 12 febroary 2021 :


139 Analamanga
7 Vakinankaratra
33 Atsinanana
5 Analanjirofo
1 Matsiatra Ambony
2 Amoron'Imania
2 Ihorombe
4 Boeny
5 Atsimo andrefana
10 Anosy
26 Menabe
3 Diana
1 "non identifié"

Publié dans Vaovao