Pilo kely : Tsy resy lahatra amin'ny fomba fampianarana teny angilisy eto
Pilo kely : Tsy resy lahatra amin'ny fomba fampianarana teny angilisy eto
To be, I was, been
Good night
Patrick, my doctor is rich
Mahamasina sy ny manodidina : Olona miisa 2000 no tandindomin-doza, ary trano miisa 400 tafo no ahiana hianjeran’ny vato be
Nanao fanentanana sy fanairana ireo olona tandindomin-doza eny amin'ny faritra ambanin’ny vato be Mahamasina sy ny manodinana ny BNGRC, ny Ministeran'ny mponina, ny CUA, ny avy amin’ny Corps de Protection Civile (CPC) ary ireo avy ao amin’ny Sapeur Pompier, androany Alakamisy 11 Febroary 2021.
Ahiana hirotsaka ny vato be noho ny oram-be mikija nandritra izay andro vitsivitsy izay, ary mbola hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro.
Nametrahana saina mena tamin'ireo toerana mety hampidi-doza. Mbola hitohy rahampitso ny fametrahana izany saina mena izany.
Jeneraly Rakotonirina Richard : Raisina ho fahavalom-pirenena izay manakorontana eto amin'ny firenena
Nandritra ny fahatsiarovana ny nahafatesan'ny kolonely Ratsimanadrava Richard teny Ambohijatovo Ambony, androany 11 febroary 2021, dia nanamafy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, fa lesona tokony ho tadidina ny tantaran'Itompokolahy, izay maty noho ny hetraketrakin’ny olombitsy, nikatsaka ny tombotsoany manokana sy ny fitiavan-tseza.
Tsy ekena hoy izy ny fihetsika toy izany, ary nohamafisiny fa izay minia manakorontana eto amin'ny firenena dia ho raisina ho fahavalom-pirenena.
Ambohijatovo Avaratra : Fahatsiarovana ny faha-46 taona nahafatesan’ny Jeneraly Ratsimandrava
Nomarihina teny Ambohijatovo Avaratra androany ny fahatsiarovana ny faha-46 taona nahafatesan’ny Jeneraly Ratsimandrava Richard teo am-perinasa. Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Ny Tafika Malagasy manontolo no niara-nisalahy nanatontosa izao fahatsiarovana izao, ary toy ny isan-taona dia niompana tamin’ny fanomezam-boninahitra an’ireo rehetra nodimandry teo am-panatanterahana ny fanompoana ny firenena nandritra ny herintaona farany ny lanonana.
Nametraka fehezam-bonikazo teo amin’ny tsangambato teo amin’ny toerana naha-lavo ny Jeneraly ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Tafika, ary nanomboka an’izany ny Lehiben’ny governemanta.
Kolonely Ratsimandrava : Mijanona ho mistery ny namonoana azy
11 febroary 1975 - 11 febroary 2021, feno 46 taona lasa izay no maty voatifitra ny Kolonely Richard Ratsimandrava.
Teo Ambohijatovo no nisy tifitra variraraka niantefa tamin'ny fiara 404 mainty nitondra azy hamonjy fodiana, ny harivan'io 11 febroary 1975.
Mifamahofaho ny resaka teo, ao ny milaza fa efa maty talohan'ny tifitra teo Ambohijatovo izy, fa natao hanafenana izany ny tranga teo. Ny hafa indray milaza fa ny tifitra nataon-dry Zimbo teo amin'io toerana io no nahafaty ny Kolonely Ratsimandrava.
46 taona aty aoriana dia mijanona ho mistery ny namonoana azy.
Hisy anio ny lanonam-pahatsiarovana ny nahafatesany, hatao eo Ambohijatovo misy tsangambato fahatsiarovana azy.
Ampahany amin'ny tantarany :
11 février : Journée mondiale des malades
11 février : Journée mondiale des malades.
11 février : Journée internationale des femmes et des filles de science
11 février : Journée internationale des femmes et des filles de science.