Filtrer les éléments par date : mercredi, 10 février 2021

Voasambotra teny amin'ny seranam-piaramanidina Toliara ireo Thaïlandais roalahy, ny talata 09 febroary tamin'ny 12ora atoandro, saika hanondrana safira hiakatra an'Antananarivo tamin'ny zotra fiaramanidina Tsaradia.

Rehefa nojerena ny bagage à main dia hita tao ny saphir karazany 2, maitso sy grenat izay milanja 08 kg 26g (08 sachets).

Nosamborina avy hatrany ireo, ary nentina ao amin'ny Police de mine Toliara.
Mitohy ny famotorana azy ireo amin'izao fotoana izao.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 10 février 2021 19:27

Mora ny manomboka ady

Pilo kely : Mora ny manomboka ady, fa ny mamarana azy no sarotra.

Bonne nuit.
Patrick

Publié dans Pilo kely

KMF-CNOE : Mitaky ny amotsorana ny filoha lefitry ny fikambanana naneho hevitra

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mercredi, 10 février 2021 18:29

Kaominin’i Mahajanga : Nahazo PDS

Voatendry ho filohan’ny delegasiona manokana hitantana ny Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga i Tonganirina Zafiarivelo Velomary, araka ny didim-pitondrana laharana faha 3033-2021 ny 28 janoary lasa teo.

Randrianandrasana Joseph Justin sy Rabezady Flavien kosa no filoha lefitra voalohany sy faharoa.

Izy ireo no hisahana ny andraikitry ny ben’ny tanàna sy ireo lefiny noho ny fahabangan-toerana taorian’ny fanendrena ny ben’ny tanàna voafidy Andriatomanga Salim Mokhtar ho eo amin’ny toeran’ny goverinoran’i Boeny ny 23 jolay 2020.

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny lehiben’ny fileovan’i Mahajanga (préfet) ny ekipan’ny delegasiona manokana omaly talata.

Ho tanterahana ny zoma izao kosa ny famindram-pitantanana amin’ny ekipa nisahana ny andraikitry ny mpanatanteraka teny anivon’ny kaominina teo aloha.

Publié dans Politique

Fantatra tamin'ny alalan'ny findain'ireo voarohirohy tamin'ity raharaha volamena 73.5kg ity, na dia noezahina nofafana aza ny sary sy ny fifandraisana, fa i ABDUL Rahman Umer Saleh, no anisan'ny ati-doha niketrika ity fanondranana antsokosoko ny volamena 73.5kg ity.

Publié dans A la Une

Taloha kelin'ny fidiran'ny mpianatra EPP, dia nilaza ny Filoham-pirenena fa tsy mandoa vola ny Ray aman-dreny amin'ny fampidirana mpianatra, tsy mandoa FRAM ihany koa ny telo volana voalohany fa iantohan'ny fanjakana izany, dia hita eo ny manaraka hoy hatrany izy.

Maro ireo Ray aman-dreny nanala ny zanany tany amin'ny sekoly tsy miankina, ary dia nampianatra any amin'ny EPP tsy andoavam-bola.

Taty aoriana anefa dia nitsahatra tsy nety nampianatra ny mpampianatra FRAM maro, satria tsy nisy karama noraisina, satria tsy hita izay vola nomenan'ny fanjakana, ireo Ray aman-dreny ihany koa tsy nety andoa sarany sy ny latsakemboka FRAM satria efa nilaza ny Filoham-pirenena fa tsy adoavam-bola ny fampianarana zaza.

Maro ireo Talen-tsekoly no sahirana satria misy manendrikendrika nanodikodim-bola, ny karama tsy voaloa, ny entina hividianana fitaovam-pampianarana toa ny tsaoka (craie) tsy misy.
Ao kosa ireo sekoly namory ny Ray aman-dreny ka dia niverina nandoa FRAM indray ny sekoly.
Ireo mpianatra haverina any amin'ny sekoly tsy miankina tsy tafaverina ny betsaka satria efa nikatona ny fandraisana mpianatra.

 

 

Publié dans Vaovao

Ce 10 février 2021 est la Journée mondiale des légumineuses.

A cette occasion, une cérémonie officielle, suivie d’une discussion en panel et d’une séance de sensibilisation en ligne, sur Zoom, se tient dans la matinée.

L’événement, conjointement organisé par la FAO et le gouvernement, se déroule au ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche à Anosy, Antananarivo.

Pour Madagascar, le thème de la célébration est "Améliorer la filière légumineuse à Madagascar : le menu de mesures à mettre en œuvre".

La Journée mondiale des légumineuses est une occasion de mettre en lumière les bienfaits nutritionnels des légumes secs et la contribution de ceux-ci à des systèmes alimentaires durables et à un monde libéré de la faim.

Les légumineuses sont un atout indispensable pour relever les défis liés à la pauvreté, à la sécurité alimentaire, à la santé humaine ainsi qu’à la santé des sols et à l’environnement.

Christophe Bélier

(Voir Suite Photo)

Publié dans Sociale

Raha ny fanadihadiana natao dia tratra niaraka tamin'ilay volamena 73.5kg tany Afrika atsimo vola vahiny 200 000euro eo.

Raha ny fiaramanidina 5R-ASB dia fiaramanidina tsy mahazaka raha tsy 400kg eo ihany, entana sy ny mpandeha. Izy anefa mila kerozene 1300kg eo vao tonga Johannesburg, raha 300kg no ilainy hatreo Toliara, Tao anefa izy mbola nanampy solika 600kg teo.

Ny sidina nataony raha niala tamin'ny 31 desambra 2020, dia efa nandeha 1000m teo amin'ny piste vao tafahainga, nefa 800m eo no ilainy isan'andro, izany hoe tena navesatra izany ilay fiaramanidina satria feno ny solika nentiny.

Publié dans Editorial

10 février : Journée internationale des légumineuses

 

Publié dans Fil info