Filtrer les éléments par date : lundi, 01 février 2021
lundi, 01 février 2021 22:30

Tsy olo bado ireo mifindra monina ireo

Olo botrabotra aby ireo mifindra ireo, fa tsy olo maty mafo, na mahia, andeha hitady drala sy hiasa volamena diandreo io, haindreo fa volamena maro amin'ny tany andehanandreo io, haindreo koa fa bizinesy maventy amin'ny firenena zao volamena fa tsy io 73kg io fotsiny.

Efa ela kere zany no nisy, fa reo tsy niala tanindrazandreo, fa zao reo niala any, tsy niala tsy hipoly, fa niala andeha hitady ny tsara sy ny gros lots.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Antenimieram-pirenena : Mampatsiahy ny fitsipika anaty ny filohany

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Ireo hita amin'ny sary ireo ny harenantsika ambanin'ny tany, lazaina foana izy io hoe aleo tsy havoaka fa hitan'ny vahiny.

Nefa ny vahiny efa manana an'io efa ela fa isika no anafenana azy.
Samia mandinika tsara.

Averiko indray, aoka ny faritra hitantana ny hareny, tsy misy faritra diso anjara, na mahantra noho ny hafa izany.
Izay te hikajy ny azy, dia mikajy ny azy, izay te hitrandraka ny azy, aleo hitrandraka malalaka.

Aleo izay tompon'ny tany no tompon'ny ambonin'ny tany, sy tompon'ny ambanin'ny tany. Tsy aty amin'ny foibe no anapaka any anaty birao izay hitrandradraka ny tanin'olona efa mana-tompo, satria hoe an'ny fanjakana ny ambanin'ny tany.
Mandoa redevance fotsiny amin'ny fitondrana any amin'ny faritra izay mpitrandraka, ny faritra indray no manome ny anjaran'ny foibe.

Publié dans Economie

Raha tsiahivina dia ny 01 febroary 1963 no nitsanganan'ny "Ecole des Cadres des Services Civique", Sekolin'ny manamboninahitra lefitra ao Antsirabe ankehitriny, izay nahatonga izao fanamarihana sy fahatsiarovana isan-taona izao.

Andiany faha-58 ny fankalazana ny Andron'ny manamboninahitra lefitra amin'ity.

 

Publié dans Tselatra

Tapaka nandritra ny ora vitsy ny fifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena faha-2 iny omaly alahady 31 janoary tolak’andro noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Betrafo.

Fiarabe mpitatitra solika na camion-citerne an’ny orinasa Logistique Pétrolière niakatra avy any Toamasina no niala lalana tsy satry tampoka ka nahadona ny lohan’ny fiarabe nitondra conteneur nidina avy any Antananarivo, izay nifanena taminy tao anatin’ny fiolahana kely iray ny rambony.

Samy nitondra enta-mavesatra ny roa tonta ka samy nahitana fahasimbana ara-materialy avokoa.
Tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy saingy voabahana tanteraka ny lalana ka vetivety monja dia am-polony maro ny fiara niakatra sy nidina tavela tao, indrindra ireo fiara vaventy.

Ny fiara madinika sy ny kodiaran-droa kosa mba afaka nisisitsisika tamin’ny lala-miolaka vonjimaika mandalo an-tokontanin’olona teo akaiky teo ihany.

Publié dans Vaovao

Ny Kraoma no tompon'ny permis ao amin'io faritra Ambilobe io, fa dia mahagaga fa na ny karaman'ny mpiasa aza efa miangona firy volana tsy voaloa. DG mpisolo toerana no misy, fifanarahana tamin'ny Rosianina no nampiodina kely ny sampana famokarana kraoma tao Briville, amin'izao, orinasa karana no nomena ny asa fitrandrahana, naka mpiasa hafa fa ireo mpiasan'ny Kraoma nampakana sisiny.

Ankehitriny, noràrana ireo mpitrandraka madinika tsy hiasa ao Andavakoera fa hoe ala-fady harovana, nefa vao roa volana lasa izay, vao mangady 3metatra ny alaliny dia efa nahita volamena 0.5kg raha kely. Feno mpitandro ny filaminana ny toerana amin'izao, ary betsaka ireo nosamborina.

Misy galerie souterraine efa vitan'ny Frantsay tamin'ny 1918

Efa vita avokoa ny fikarohana rehetra, efa voaporofo ara-tsiantifika, efa misy galerie na tunnel anaty lavabato efa namboarin'ny Frantsay tamin'ny 1918, efa nahazo 1tonne volamena izy tamin'izany fa nototofany ny vavan'ny tunnel.

Publié dans Editorial

Taorian'ilay resaka volamena 73.5kg, dia nandray fepetra ny tompon'andraikitra eo anivon'ny seranam-piaramanidina Ivato mahakasika ny fivezivezen'ireo mpiasa misehatra eo anivon'ny fiaramanidina madinika tsy miankina (Compagnie avions légers) izay nanana vavahady nitokana teo aloha, izay mifanila amin'ny biraon'ny Adema, miditra aty ambadiky ny toby fitehirizan-tsolika Total (ankavia amin'ny sary).

Publié dans A la Une