Maro ireo mpianatra Oniversité nody noho ny Covid-19
Pilo kely : Maro ireo mpianatra Oniversité nody noho ny Covid-19 tamin'ny taon-dasa no tsy tafaverina nianatra intsony fa nijanona
Courage zandry fa mitohy ny fiainana, aza kivikivy fa misy varavarana hafa misokatra, aza malahelo ny efa nikatona.
Tafandria mandry
Patrick
EVASAN : Nalefa maika tsaboina atsy La Réunion ramatoa vadin’ny tompon’ny kaompania STA
Nanaitra ny manodidina sy ny mpandalo ny nahita fiara mpitondra marary na « ambulance » niisa telo be izao nijanona vao maraina nanoloana ny trano iray teny Marivolanitra, avaratr’Andohalo, Boriborintany Voalohany ny zoma 15 janoary 2021.
Gadra nitsoaka ny fonjan’i Farafangana : Voasambotra i Marolahy, dimy volana taty aoriana
Voasambotry ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Fixe » Anosivelo, Distrikan’i Farafangana, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo, ny harivan’ny alarobia 13 janoary 2021, i Marolahy. Iray tamin’ireo voafonja niisa 88 nitsoaka nandritra ny fahavakisan’ny fonjan’i Farafangana ny alahady 23 aogositra 2020 ity farany.
Halatra vola 670 000 Ar narahina herisetra no nidiran’i Marolahy ny fonjan’i Farafangana ny 29 desambra 2018. Notsaraina izy ny 03 jolay 2019 ary voaheloka higadra an-tranomaizina dimy taona sazy mihatra.
Natolotra ny fampanoavana ny Fitsarana ambaratonga voalohany Farafangana i Marolahy, ny 15 janoary 2021, ary naverina am-ponja.
Mbola misy 16 ireo voafonja karohina amin’izao. Nampanantena valisoa 2 tapitrisa Ariary isaky ny gadra voasambotra moa ny fanjakana, ho an’izay olona manome loharanom-baovao ahazoana misambotra ireo voafonja nitsoaka ireo.
ACM : Miantona ny sidina manokana any ivelany
Namoaka fanambaràna ny eo anivon'ny Aviation Civile de Madagascar izay mandrindra ny fifamezivezena an'abakabaka sivily eto Madagasikara, fa :
- Miantona ny sidina manokana iraisam-pirenena (Vols privés internationaux suspendus)
- Ny Evacuation Sanitaire na EVASAN ho an'ireo fiaramanidina mitondra marary dia mila fanomezan-dalana mialoha avy amin'ny tompon'andraikitra voakasik'izany
- Ny zotra fampodiana Malagasy na ireo vahiny monina eto (vol de rapatriement) dia mila fanomezan-dàlana manokana avy amin'ny ACM, indrindra ireo higadona etsy Ivato izay mila fanomezan-dàlana mialoha manokana
Palais d’État d’Iavoloha : Cérémonie en l’honneur des lauréats aux examens officiels 2020 de Madagascar
Le Président de la République a procédé, ce 15 janvier 2021, à la remise des prix d’excellence aux lauréats durant les examens du Baccalauréat, de BEPC et de CEPE de l’année scolaire 2019-2020.
Lors de la cérémonie qui s’est tenue au Palais d’État d’Iavoloha, les 66 lauréats aux examens officiels, issus des 22 régions de Madagascar, ainsi que la benjamine - âgée de 13 ans - à l’examen du Baccalauréat, ont reçu leur attestation d’excellence ainsi que divers cadeaux.
Les lauréats aux examens du Baccalauréat ont été dotés notamment d’un ordinateur portable ainsi qu’un abonnement à internet pour une durée d’un an.
Andry Rajoelina a annoncé que l’État malagasy facilitera la recherche de bourses extérieurs pour les bacheliers qui désirent poursuivre leurs études à l’étranger. Pour ceux, qui souhaitent rester au pays, l’État prendra également en charge leur accès à l’université de leur choix.