Hay va re ka manjary mandoa parking indray eto Tana, fa ny EasyPark no alain'i kaominina?
Rehefa tsy mety amin'ny Kaominina izany ny fifanarahana dia nationaliser, bakoavina ny orinasan'olona, tsy misy fitsarana fa dia alainay fotsiny izao.
Ka ilay WC public veliran'Iarivo nolazaina atao maimaimpoana koa ve zany ho alain'ny Kaominina ny fitantanana azy ireo?
Eto amintsika izany izay orinasa tsy mainkina dia potehina, fa ny fanjakana no mandraharaha rehefa misy tombony ataony.
Ny fivarotan'olona trongisina fa tsy misy fijerena izay fifanarahana nisy tany.
Dia rehefa miala eo koa ve nareo dia trongisin'ny mpandimby indray izany building anaovana tsena eo Analakely izany?
Fa ny karana mpanotitra tany lazaina fotsiny hoe efa vita moa iny ka tsy iverina eo intsony ny vorona fa dia angatahana amboly voninkazo sisa ny mpanototra tany, rano raraka iny.
Tafandria mandry e.
Patrick
28 Septembre: Journée mondiale contre la rage
28 Septembre: Journée mondiale contre la rage.
28 Septembre: Journée Internationale du droit d'accès à l'information
28 Septembre: Journée Internationale du droit d'accès à l'information
Ankilimarovahatse - Amboasary Atsimo: Ankizy miisa valo maty noho ny hanoanana
Mamono olona ny kere na tsy fahampian-tsakafo any Amboasary Atsimo. Tao amin’ny Fokontany Ankilimarovahatse izao dia fantatra fa ankizy miisa valo no namoy ny ainy noho ny hanoanana.
(Jereo Sary Tohiny)
Fifidianana Loholona: Tsy handray anjara ny HVM
Nanao fanambarana ny birao nasionaly ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara na HVM fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana Loholona izay hatao amin’ny 11 desambra 2020.
Toe-karena: Tsy mitsaha-miakatra ny sandan'ny vola vahiny
Ny zoma 25 septambra dia tafiakatra Ar 3 873,57 ny dolara amerikanina USD, ary Ar 4 512,46 ny 1Euro.
Mitontongana arak'izany ny vola malagasy MGA na Ariary.
Tamin'ity volana septambra ity dia tsy nidina ambanin'ny 4500 ariary mihitsy ny 1Euro, raha niodidina ny 3800ariary hatrany ny dolara amerikanina.
Vohidiala Ambatondrazaka: Tafavoaka ny omby iray vala
Omby iray vala indray no navoakan’ny dahalo tany Vohidiala Ambatondrazaka ny alahady faha-27 septambra tokony ho tamin’ny 9 ora alina.
Niala maina anefa ireo mpangalatra noho ny fahakingan’ny Zandary avy ao amin’ny zanan-tobimparitra (Poste Avancé) any an-toerana.
Efa nandroaka ny omby niala ny toerana nakany azy ny olon-dratsy no tonga ny mpitandro ny filaminana.
Nanapoaka basy in-telo ny lehiben’ny zanan-tobimparitra ka lasa nandositra avy hatrany ny dahalo izay tsy voafaritra ny isany.
Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy.
Fifidinana Loholona: Manomboka androany ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana
Misokatra eo anelanelan’ny 28 septambra 2020 amin’ny 09ora maraina ka hatramin’ny 12 oktobra 2020 amin’ny 05 ora hariva ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Loholona izay hatao amin’ny 11 desambra 2020.
Apetraka eny amin’ny Rafitra manara-maso sy mandray ny filatsahan-kofidiana na OVEC eny anivon’ny Vaomieram-paritany misahana ny fifidianana ny dosie.
15 tapitrisa Ariary ny fandraisan’anjaran’ny lisitry ny kandida, ahitana anarana 5, amin’ny saram-panontana ny biletam-pifidianana.
Fifamoivoizana: Noraran'ny Frantsay tsy higadona any Frantsa ny zotra Air Madagasikara
Noho ny tsy faneken'ny fitondrana malagasy ny hitondran'ny sidina Air France mpandeha avy any Paris hiazo an'Antananarivo, na dia manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana, dia nandrara ny ahatongavan'ny zotra Air Madagascar ny alatsinainy 28 septambra higadona any Paris ihany koa Lafrantsa.
Izany, hoy hatrany ny fanambarana, dia ny fampitoviana lenta ara-barotra eo amin'ny kaompania roa tonta, ka samy ho afaka hitondra mpandeha mandroso sy miverina.
Fitsinjarana andraikitra: Atao Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo
Betsaka ny resaka na lalàna efa natao amin'ny fitsinjaram-pahefana tena izy, fa dia samy namikitra nitazona ny fahefana ho an'ny vondrona antokon'olom-bitsy hatrany.
Novesarana rafitra poakaty tsy misy fahefana, tsy misy vola.
Ny tetikasa tiana atao:
Ialana ny rafitra fanjanahantany ka dia ho tsinjaraina Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo i Madagasikara.
Tsy misy ny misaratsaraka, samy mahazo ranomasina andrefana, atsinanana. Atao eo anivon'ny Fokontany ny fampandrosoana rehetra, ka dia omena azy ny andraikitra rehetra sy ny tetibola.