Pilo kely: Efa ho 13 taona ny ady nifanaovan'i Ravalomanana sy Rajoelina
Mbola ben'ny tanànan'Antananarivo Andry Rajoelina no efa nilan'ny Filoham-pirenena tamin'izany Marc Ravalomanana vaniny. Nakaton'i Ravalomanana ny télé Viva an-dRajoelina.
Nahongan'i Andry Rajoelina moa izy ny taona 2009, niaraka tamin'ny hetsi-bahoaka sy ny fihokoan'ny Tafika, izay naka ny fitondrana, ary nampita izany tamin'i Andry Rajoelina.
Nifandrirotra teo nandritra ny 5 taona tetezamita, nifanagadra, nisy ny maty, nisy ny nandositra. Nitohy ny ady mangatsiaka nandritra ny 4 taona nitondran'i Hery Rajaonarimampianina, nampiraisin'ny tolona 73 députés indray, ary niara-nidina teny amin'ny 13 mey nanongana an'i Hery Rajaonarimampianina.
BEPC 2020: 327 455 ireo mpiadina voasoratra anarana
Hotanterahina manomboka ny 21 septambra 2020 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinana BEPC. Miisa 327 455 ireo mpiadina voasoratra anarana hiatrika io fanadinana io.
Nisy fihenany 745 ny mpiadina miohatra ny tamin’ny taon-dasa.
Manjakandriana: May ny ampahany maro amin’ny sekolin-dry masera Notre-Dame de Lourdes
Nirehitra ny sekolin-dry masera Notre-Dame de Lourdes Manjakandriana. Ankoson’aratra no ahiana no niandohan’ny afo.
Fahamehana ara-pahasalamana: Miitatra 15 andro
Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 19 septambra 2020 ary mihatra avy hatrany.
Ireo fepetra rehetra sy ny andinidininy mikasika ny lamina sy ny fandrindrana rehetra hoentina miatrika ny 15 andro manaraka dia hohazavain’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governementa mandritra ny fandaharana manokana hotanterahana rahampitso alahady amin’ny 08 ora alina ao amin’ny Televizionina Malagasy.
Spaoro mekanika: Nodimandry i Ratsifandrihamanana Nirina
Nindaosin’ny fahafatesana androany 19 septambra 2020 teo amin’ny faha-62 taonany i Ratsifandrihamanana Nirina.
Injeniera mekanika i Nirina, ary diso fantatra teo amin’ny spaoro mekanika, indrindra ny hazakaza-piarakodia.
Ratsifandrihamanana Nirina no zokiolona indrindra nandray anjara tamin’ny fifaninanam-pirenena ny taom-pilalaovana 2019 lasa iny.
Fiara Peugeot hatrany no nampiasainy. Niandoha tamin’ny 104 ZS, nandraisany anjara tamin’ny « course de cote » Ankatso ny taona 1992. « Baomba kely » no niantsoany io fiarany io, ary zary anaram-bositra niantsoana an’i Nirina ihany koa.
Nirotsaka nanao hazakaza-piarakodia i « Baomba kely » ny taona 1994, ary nitohy hatramin’ny taom-pilalaovana farany teo izany, nahazoany anaram-boninahitra maro.
Tao amin’ny klioba FMMSAM (Firaisana Malagasy Mpanao Sport Automobile sy Moto) hatrany izy.
(Jereo Sary Tohiny)
19 septembre: Journée Internationale du Parler Pirate
19 septembre: Journée Internationale du Parler Pirate.
19 septembre: Journée mondiale du logiciel libre
19 septembre: Journée mondiale du logiciel libre.
19 septembre: Journée mondiale du nettoyage
19 septembre: Journée mondiale du nettoyage.
Mahabo: Atao antsonjay i depiote Leva
Efa Solombavam-bahoaka voafidy tao Mahabo i Raveloson Ludovic dit Leva, ary niverina nirotsaka ho kandida indray ny volana mai 2019 teo.
Mety mahasoa anareo zandry injeniera: Ahoana ny amahana olana ny fitadiavana ny point géodésique
Rehefa manao asa vaventy, na lalana, na tetezana na barazy dia atao anaty plan ny maridrefy sy ny haavon'ny toerana, mba ahitana ny misy azy ara-jeografika, sy ahitana ny haavon'ilay fotodrafitrasa atao. Io no antsoina hoe point géodésique, izay misy borne mihitsy eny amin'ny tanety sy tendrombohitra nametrahana izany, anamarinana ilay toerana mifanaraka amin'ny carte topographique.
Rehefa anatateraka ny asa anefa dia tsy hita eny an-toerana, na alavitry ny toerana anorenana ilay fotodrafitrasa ilay repère géodésique voalazan'ny carte topographique, na ilay borne ahitana ny haavon'ilay toerana mihoatra amin'ny ranomasina, izay heverina sy napetraka ho niveau zero(0) maneran-tany.