Filtrer les éléments par date : jeudi, 10 septembre 2020

Tapaka nandritra ny visio-COPRIES (Conférence des présidents ou recteurs d'Institution d'Enseignement Supérieur) ny 08 septambra 2020 fa hiditra amin'ny 2 novambra 2020 ny oniversite rehetra araka ny efa nambaran'ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ny alahady 6 septambra lasa teo.

Hanomboka amin'ny 28 septambra izao kosa ny famitana ny taom-pianarana 2019-2020 ho an'ny mpianatra tsy mbola nahavita izany araka ny fanapahan-kevitra noraisan'ireo filohan'ny Oniversite rehetra izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanatanterahana izany.

 

Publié dans Tselatra

Tovolahy iray no maty voatsatoky ny antsy teto Antsirabe ny alarobia 09 septambra 2020.

Mpivarotra finday avo lenta ny toeram-piasany ary mianadahy izy no miasa ao.

Tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any, raha ny tatitra azo, dia nisy fiara nijanona tsy lavitry ny toeram-pivarotan’izy ireo, eo ampitan’ny banky BNI, ary niditra toy ny hividy finday ny ampahany tamin’ireo lehilahy tao anaty fiara.

Tampoka dia namoaka basy sy antsy ireo jiolahy ary nampandohalika azy mianadahy mpiasa tao, ary nangorona ny finday sy ny vola tao am-pivarotana.

Publié dans Vaovao
jeudi, 10 septembre 2020 15:16

Lohamasinina Zotra FCE: Herintaona izay

Feno herintaona amin’ity volana septambra ity no nandehanan'ny Delegasiona, nalefan'ny Ministeran'ny Fitaterana tany Bilbao, Espaina nijery ireo lohamasinina ho an’ny zotra FCE (Fianarantsoa-Côte Est) izay fampanantenan’ny filoha Andry Rajoelina nandritra fampielezan-kevitra ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018.

Efatra ireo lohamasinina tonga, ka ny 13 martsa 2020 no nampidinina avy eny ambony sambo tao amin’ny Port Toamasina. Nafindra tao amin’ny Gara Manangareza taorian’izay.

Ny alarobia 13 may 2020, ireo lohamasinina ireo no niala tao amin’ny Gara Manangareza nakarina teto Antananarivo ary mitoby etsy amin’ny Gara Soarano.

Publié dans Vaovao
Page 2 sur 2