Filtrer les éléments par date : samedi, 28 mars 2020

550 Ariary sy 600 Ariary no ivarotan’ny mpaninjara ny iray kapoaka amin’ny vary vahiny « stock tampon » eto Masiakampy, Distrikan’i Miandrivazo amin’izao. 6500 Ariary ka hatramin’ny 8000 Ariary ny litatry ny menaka. 900 Ariary ka hatramin’ny 1300 Ariary ny iray kapoka amin’ny siramamy.

Misy ihany ireo mitazona ny vidiny teo aloha saingy any amin’ny fitaovana famarana sy fandanjana indray no amboariny Kapoaka tapaka sy mizana misy fanamboarana, toy izany koa famarana menaka.

 

Publié dans Vaovao

Renivohitry ny asa tanana Ambositra, fianakaviana maro no mivelona aminy. Mandalo fotoan-tsarotra ity lalam-pihariana ity ankehitriny noho ny tsy fisian’ny mpizahatany vahiny, izay isany tena mpanjifa voalohany, manoloana ny fepetra nampihatoana ireo sidina iraisam-pirenena ho fampiharana ny fahamehana ara-pahasalamana manolona ity valanaretina coronavirus ity.

Iza ary aiza no mba hitarainanay, hoy ireo mpanao asa tanana eto Amoron’i Mania satria manomboka miantraika any am-bilany izy ity ankehitriny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana nampiato vonjimaika ny « Tsena Mora » noho ny tsy fanajan'ny olona ny fepetra izay napetraka mba hiarovana amin'ny mety ho fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus.

Voakasik’ity fepetra ity ny « Tsena Mora » amin’ireo Boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra, Antsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo.

Hijery ny lamina sy ny fomba hametrahana izany fitandrovana ny tsirairay izany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Hiverina indray ny fitsinjarana aorian’izay, amin’ny herinandro ho avy.

 

Publié dans Tselatra

Mihiboha an-trano ho fifampiarovana ! Aza andrasana handray fepetra hentitra ny Mpitandro filaminana vao ho tonga saina isika, hoy ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Niditra an-tsehatra ny alika mpitsongodia nanomboka tamin’ity androany ity ho fampanajana ny fepetra io fihibohana an-trano io, hifehezana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanokatra Tahiry manokana hiadiana amin’ny coronavirus ny Mpanjakan’i Maroc, Mohammed VI. Nanolotra ny karamany iray volana ireo depiote sy minisitra ho anjara biriky hanohanana ny ady amin’ny coronavirus ao amin’ity firenena ity.

Miisa 346 no mitondra ny tsimokaretina coronavirus any Maroc raha ny antotanisa navokanan’ny Vondrona Afrikana tamin’ity andron’ny sabotsy 28 marsa 2020, 23 namoy ainy ary 11 no sitrana tamin’ity valanaretina ity tany an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy teratany Malagasy, 43 taona, mipetraka eto Antananarivo ny iray amin’ireo olona roa vaovao mitondra ilay tsimokaretina coronavirus. Azony avy amin’ny fifampikasohana ny azy. Teratany Italianina, 66 taona, tonga teto Madagasikara tamin’ny sidin’ny Ethiopian Airlines ny 17 marsa 2020, ny faharoa.

Miisa 28, hatramin’ity Sabotsy 28 mars 2020 mitatao vovonana ity, ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololotiana Hanta, mpitondrateny ny Foibem-pibaikoana momba ny coronavirus.

Tsy ahitana soritr’aretina ny 20 amin’ireo, misy soritr’aretina toy ny gripa ny 5, ary mampiseho soritr’aretina sempotra ny 3. Tsy misy kosa ny aina nafoy, hoy hatrany Pr Vololotiana Hanta, izy farany izay manamafy ny tokony hanajan’ny olompirenena ny fihibohana an-trano, satria ity tranga ity dia manaporofo indray fa ny fifampikasohana dia efa ampy ifindran’ity valanaretina ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

« Ramalina aza hono mifehy hazo tokana koa nanao ny fitiliana ny tenako. Salama tsara aho, misaotra an'Andriamanitra, ary vonona hatrany hiasa ho an'ny Tanindrazana eo anilan'ny vahoaka Malagasy ».

Izay no fanambarana nataon’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, androany tao amin’ny kaontiny Instagram.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Natomboka androany sabotsy 28 marsa 2020, teo amin’ny faritra malalaka, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo ny fizarana fanampiana anatin’ny tetikasa « Vatsy Tsinjo », ho fanampiana ireo mpamily Taxi, Taxibe ary resevera voasokajy ho isan’ireo marefo ara-pivelomanana taorian’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny hampiato ny fivezivezen'izy ireo eto Antananarivo sy ny manodidina, ho fampiharana ny fahamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Misy ireo nody namonjy ny fianakaviany, misy ireo mpianatra lavi-podiana manomana fanadinana. Tsy nanadino ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny oniversite ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, tarihin’i Pr Assoumacou Elia Beatrice, amin'izao fotoan-tsarotra diavin'ny firenena izao.

Nisitraka izany ireo mpianatra ao amin'ny oniversiten’i Mahajanga ny 27 martsa 2020, nahitana vary, menaka sy voamaina. Nisitra izany koa ireo mpianatra any amin'ny faritra samihafa toy ireo ao amin'ny oniversiten’i Fianarantsoa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Amoron-dalana, tsy lavitra ny seranam-piaramanidin’i Mandritsara no nahitana vehivavy iray efa tsy misy aina intsony, androany marainan’ity sabotsy 28 marsa 2020 ity.

Efa eo ampelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha, nanokatra fanadihadiana avy hatrany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
Page 2 sur 3