France: Passage à l'heure d'été
Cette nuit samedi 28 mars au dimanche 29 mars à 2h du matin, il sera à 3h du matin.
Madagascar aura un décalage horaire de 1h au lieu de 2h actuellement.
Si Paris est à 3h du matin, Antananarivo sera à 4h du matin.
Analyses COVID-19: L’Institut Pasteur confirme les chiffres officiels
Le Président Andry Rajoelina a visité l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ce 28 mars 2020. Le Chef de l’État a tenu à constater de visu les processus de réalisation des tests effectués au laboratoire de l'IPM pour le dépistage du coronavirus.
Durant cette descente, le Directeur général de l’Institut Pasteur de Madagascar, Professeur André SPIEGEL a réaffirmé la fiabilité des résultats des analyses réalisés au sein de leur laboratoire. Le processus et les résultats sont conformes aux protocoles internationaux en vigueur.
L’IPM a également certifié que le nombre de cas déclarés au niveau du Centre de Commandement Opérationnel COVID-19, symptomatiques et asymptomatiques, correspondent exactement aux donnés émanant de l'IPM.
Tsiaro ny Tolom-panafahana 1947: Lanonana tsy atrehim-bahoaka no hisy eny amin’ny Mausolée
"Tolom-panafahana 1947: Ilo tsy very enti-mampandroso ny firenena", io no lohahevitra efa voafaritra ho an’ny tsingerintaona faha-73 ny Tolom-panafahana 1947 izay tsaroana isan-taona isaky ny 29 marsa.
Ho fanajana ireo fepetra noho ny Fahamehana ara-pahasalama mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia « lanonana tsy atrehim-bahoaka » no hisy eny amin’ny Mausolée Avaratra Ambohitsaina-Antananarivo, ny 29 marsa 2020 ho fahatsiarovana ny Tolom-panafahana 1947.
« Tsy hisy famoriam-bahoaka na eto an-drenivohitra na any amin’ny Faritra, tsy hisy fananganan-tsaina, tsy hisy fitsofana mozika », hoy i Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondratenin’ny governemanta.
Vatican: Mpiasa enina voan’ny coronavirus
Enina amin’ireo mpiasa ao Vatican, foiben’ny finoana Katolika manerantany, no voamarina hatreto mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Tranga vaovao ny roa amin’ireo, taorian’ny fitiliana niisa 170 natao.
Tsy voakasik’ity valanaretina ity kosa ny Papa François sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.
Mahajanga : Tovolahy iray, zanaka mpanao mofo, nisy namono tao an-tranony
Oussama Abad, tovolahy iray 23 taona, zanaka mpanao mofo (Boulangerie Abad) no hita faty tao an-tranony ao Aranta-Mahajanga androany.
Mampiahiahy ity tranga ity, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana satria nisy olona iray trano amin’ilay tovolahy, nivoaka nisakafo. Tamin’ny fotoana niverenan’ireo olona ireo nisakafo dia i Oussama Abad efa maty ary nifatotra no novantanin’izy ireo tao an-trano.
Efa eo ampelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny famotorana amin’izay hamantarana ny antony sy ny mety ho tompon’antoka amin’izao vono olona feno habibiana izao.
Serasera: Nahazo taratasy fampitandremana ny Real TV
Araka ny Filazana ny hamehana ara-pahasalama eto amin'ny firenena dia efa nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina filazana ny Radio sy Televizionina Real TV sy Real FM ny andefa manontolo sy mivantana ny fandaharana avy amin'ny sampana fibaikona momba ny coronavirus na ny CCO, ary andefa ny fandaharana manokana "miara-manonja", nefa tsy nanao izany ny Real TV ny 26 sy 27 marsa 2020, mba hitsimbinana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka amin'izao fotoanan'ny krizy izao.
Ambonin'izany dia nanasa manokana ramatoa iray tamin'ny fandaharana "invité du jour" ny 25 mars 2020, izay nitarika ny olona hankahala ny mpitondra ary miantso fikomiana.
Coronavirus: 1000 teo no maty tao anatin'ny 24ora tany Italia
969 no maty omaly zoma 27 marsa tany Italia tamin'ilay valanaretina coronavirus.
Efa 9 134 no nodomandry amin'izao, ary 86 498 ireo tratran'ny tsimokaretina any an-toerana.
(Jereo Sary Tohiny)
Fisorohana ny Covid-19: Nidina nanao fanentanana teny an-tsena ny Governoran’i Vakinankaratra
Firesahana mivantana tamin’ireo mpivarotra teny an-tsena Sabotsy no nataon’ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra Vyvato Rakotovao, ny Ben’ny tanàna Rasamimanana Honoré ary ireo Mpitandro ny filaminana androany ho fisorohana ny fidiran’ny tsimokaretina Coronavirus.
(Sary: Seraseran’ny Fiadidiana ny Faritra Vakinankaratra)
(Jereo Sary Tohiny)
Andry Rajoelina: Mitsidika ny Institut Pasteur de Madagascar
Ivontoerana hany tokana eto Madagasikara anaovana ny fitiliana ary nivoahan’ny antotanisa momba ity valanaretina coronavirus ity, nanomboka ny zoma 20 marsa 2020 ny Institut Pasteur de Madagascar etsy Avaradoha – Antananarivo.
Tonga nitsidika an’ity ivontoerana ity ny filoham-pirenena Andry Rajoelina io tolakandro io, nisaotra ny fahaizamanaon’ny mpiasa ao, ary koa nifampitafa tamin’ireo mpitantana ny amin’izay hifanampiana hanatsarana izao fiarahamiombon’antoka amin’ny fiatrehana ity valanaretina ity izao.
(Jereo Sary Tohiny)
Coronavirus: Nampiainga ny aingam-panahin’ny mpanakanto malagasy ny fihibohana an-trano
Maromaro ireo mpanakanto Malagasy nahavita namoron-kitra sahady mikasika ity valanaretina coronavirus, izay mahenika an’izao tontolo izao ity.
Anisan’izany ry Mr Sayda, Mijah, Rheg, Shayron… Efa heno amin’ny onjampeo samihafa eto an-drenivohitra ny hiran’izy ireo, ny sasany efa mizara an’izany amin’ny Youtube ihany koa.
Manao fanentanana ny tokony hitandremana noho ny mahazava-doza ity coronavirus ity ny ankamaroan’ireo hira mivoaka hatreto.
(Jereo Sary Tohiny)