Coronavirus: Manana toerana afaka andraisana marary 800 i Madagasikara, fanafody hitsaboana marary 2 000
23 ny tranga voamarina fa mitondra ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara hatramin’ity andron’ny 26 marsa 2020 ity, tranga vaovao ny 4 amin’ireo. Nohamafisin’ny filoha Andry Rajoelina io nandritra ny fiakarany tao amin’ny fahitalavi-pirenena io hariva io, namaliany mivantana ny fanontanian’ny olom-pirenena avy amin’ny faritra samihafa, niantefa taminy manoloana ity valanaretina ity.
Nandritra izany koa no nilazany fa misy fitaovana fitiliana ahazoana vokatra haingana fanampiny tonga androany ahafahana manafaingana ny fitiliana ireo mpandeha rehetra tamin’ireo sidina rehetra tonga faramparany avy any ivelany, koa raha sanatria misy fiitarany ity valanaretina ity dia efa nanomana toerana ahafahana mandray marary hatrany amin'ny 800, ary manana fanafody hitsaboana marary 2 000 i Madagasikara.
Coronavirus: Manana toerana afaka andraisana marary 800 i Madagasikara, fanafody hitsaboana marary 2 000
23 ny tranga voamarina fa mitondra ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara hatramin’ity andron’ny 26 marsa 2020 ity, tranga vaovao ny 4 amin’ireo. Nohamafisin’ny filoha Andry Rajoelina io nandritra ny fiakarany tao amin’ny fahitalavi-pirenena io hariva io, namaliany mivantana ny fanontanian’ny olom-pirenena avy amin’ny faritra samihafa, niantefa taminy manoloana ity valanaretina ity.
Nandritra izany koa no nilazany fa misy fitaovana fitiliana ahazoana vokatra haingana fanampiny tonga androany ahafahana manafaingana ny fitiliana ireo mpandeha rehetra tamin’ireo sidina rehetra tonga faramparany avy any ivelany, koa raha sanatria misy fiitarany ity valanaretina ity dia efa nanomana toerana ahafahana mandray marary hatrany amin'ny 800, ary manana fanafody hitsaboana marary 2 000 i Madagasikara.
Coronavirus: Tsy maintsy miantoka fiara fitaterana ny mpampiasa
Namoaka toro-marika tsy maintsy tanterahan'ny orinasa tsy miankina, izay manohy mampiasa ireo mpiasa ao aminy, ny minisitry ny asa:
1- Tsy maintsy miantoka fiara fitaterana ireo mpiasa ny orinasa, ka takiana ny hisian'ny kojakojam-panafody ao anaty fiara, indrindra fa ny fanafody fanasana tanana (gels désinfectants alcoolisés)
2- Tsy maintsy hajain'ny mpampiasa ary ampiariny ao ampiasana ny elanelana 1m isaky ny mpiasa, eny hatrany anaty fiara fitaterana.
3- Tsy maintsy iantohan'ny mpampiasa takom-bava manara-penitra sy eken'ny sampandraharahan'ny fahasalamana ireo mpiasa tsirairay, ary hajaina ny fanoloana izany matetika ara-potoana.
Famatsiana: Miditra an-tsehatra mitatitra vary makeny amin’ireo mpaninjara madinika ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana
Nirotsaka an-tsehatra Ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana mitatitra vary makeny amin’ireo mpaninjara madinika hanamorana ny fanjifan’ny olona ireo entana ilainy andavanandro.
Natomboka teto Antananarivo sy ny manodidina androany ny fitsinjarana ary hitohy.
Nanome tanana ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana ny zandarimaria, tamin’ny fiara nitaterana ny vary.
(Jereo Sary Tohiny)
Antenimierandoholona: Nandray ny karamany volana Janoary sy Febroary 2020 ny ampahan’ny mpiasa
Notanterahina androany 26 mars 2020 maraina ny fandoavana ny karama volana Janoary sy Febroary ho an’ny ampahan’ny mpiasa izay mbola tsy nisitraka izany teo anivon’ny Antenimierandoholona.
Coronavirus: Les prêtres italiens payent le prix fort avec 70 décès
Près de 70 prêtres catholiques italiens sont décédés du coronavirus depuis le début de la pandémie. Ils représentent à eux seuls plus de 1% des personnes décédées en Italie, payant au prix fort leur engagement au contact de la population.
487 000 cas déclarés de coronavirus dans le monde avec 22 030 décès, dont à elle seule, l'Italie 7 503 morts.
L'Espagne 56 188 touchés, 4000 morts.
L'Iran 29 406 contaminés, 2234 décès.
Aux Etas-Unis, c'est la panique, 65 434 cas avec 937 morts.
Coronavirus: Nodimandry ny Eveka Katolika Mgr. Angelo Moreschi
Fahafatesana voalohany tamin'ireo Eveka Katolika no nidona tamin'i Mgr. Angelo Moreschi, Arsevekan'i Gambella Ethiopie ny alarobia 25 marsa 2020, tao Brescia Lombardie, foiben'ity valanaretina coronavirus ity ao Italie.
67 taona Mgr. Angelo Moreschi, ary lehiben'ny Vikaria apostolika etiopianina ao Gambella, andrefan'i Ethiopie
Salezianina Don Bosco i Moreschi nanomboka ny taona 1991, ary namasinina ho Eveka ny janoary 2010.
Ny Sekretera jeneralin'ny Fiombonamben'ny Eveka tany Ethiopie no nanambara ny fahafatesany.
Nalaza tamin'ny fikarakarana ny tanora sy ireo mahantra i Mgr. Angelo Moreschi, nahazo solon'anarana mihitsy hoe "Abba" na "Dada"
IMRA Ratsimamanga: Namokatra fanafody manamafy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana hiatrehana ny coronavirus
Hita ankehitriny ny fanafody manampy ary manamafy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana hiarovana amin’ny coronavirus. Vokatry ny fikarohana nataon’ny IMRA (Institut Malgache de Recherches Appliquées) Ratsimamanga etsy Avarabohitra Itaosy-Antananativo no nahazoana ity fanafody ity, izay azo avy amin’ireo zava-maniry misy eto Madagasikara ihany.
Efa natao andrana ity fanafody ity ary hita fa mahomby, ary nahazo alalana avy amin’ny fanjakana malagasy sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana OMS. Noho izany dia hotsinjaraina amin’ireo toerana fivarotam-panafody izy ity mba hahafahan’ny rehetra manjifa azy.
Izao vokatra navoakan’ny IMRA izao no manaporofo fa tena ilaina ary atao laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ireo zava-maniry misy eto amintsika satria sady harena no miantoka ny fahasalamana ihany koa.
(Jereo Sary Tohiny)
Fonjaben’i Morondava: Nanolotra « spiruline » ho an’ireo voafonja ny Evekan'ny Diosezy Morondava
Tonga nanolotra « spiruline » ho an’ireo voafonja ao amin’ny Fonjaben’i Morondava ny solontenan’ny Monseigneur, Evekan'ny Diosezy Morondava, ny alarobia 25 marsa 2020, mba ho fanamafisana ny hery fiarovan’ireo voafonja ho fisorohana ny valan’aretina « coronavirus ».
Misy fandraisana fepetra maromaro noraisin’ny tompon’andraikitra ao amin’ity Fonjaben’i Morondava ity mandritran’izao hamehana aram-pahasalamana amin’ny ady atao amin’ny aretina « coronavirus » izao.
Tsy azo atao intsony ny mamoaka na mampiasa ireo voafonja ho aty ivelany, ferana araka ny tokony ho izy ny fivezivezena ho an’ireo mpiandry fonja. Atoka-monina mandritran’ny 14 andro avokoa ireo voafonja vao tonga. Najanona ny famangina ireo voafonja hatreto.
(Loharanom-baovao: Région Menabe)
(Jereo Sary Tohiny)
Fanelezana vaovao tsy marina: Tranga 16 nanokafana fanadihadiana, olona iray nampidirina am-ponja
Mikaroka ireo olona manaparitaka vaovao tsy marina momba ity valanaretina coronavirus sy ireo mpanompa sy mpaniratsira olona amin’ny tambazotran-tserasera ny mpitandro ny filaminana.
Efa misy ny vokatra. Tranga fito, hatramin’ny androany, no nanokafan’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka fanadihadiana, ary efa hita ireo olona sasany tao ambadik’izany. Efa vita famotorana ny efatra tamin’ireo ka nampidirina amponja vonjimaika ny iray, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny telo. Mbola anaty fanadihadiana ny tranga telo ambiny.