Coronavirus: 1er cas confirmé pour Mayotte et Rwanda ce samedi 14 mars 2020
Coronavirus: 1er cas confirmé pour Mayotte et Rwanda ce samedi 14 mars 2020
Maroantsetra: Manomboka miakatra ny rano noho ny rotsak’orana entin’ny rivodoza HEROLD
Mijojo ny orana aty amin’ny Distrikan’i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo noho ny fisian’ny rivodoza HEROLD ao amin’ny ranomasimbe indiana. Manomboka miakatra ny rano, ary efa dibodrano ny tanàna sasany toy ny ao amin’ny Kaominina Anjanazana.
Mety mbola hitohy ny fiakaran’ny rano ato ho ato. Nidina nijery ny zava-misy, indrindra ny fandrindrana ny famatsiana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro, ny solontenam-panjakana notarihin’ny lehiben'ny Distrika androany.
(Jereo Sary Tohiny)
Toe-trandro: Mitandrema ianareo avaratra ao, indrindra faritra avaratra atsinana
[FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA NY 14 MARTSA 2020 TAMIN'NY 10 ORA MARAINA]
✅Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 93 Km Atsimo Atsinanan’Antalaha no nisy ny foiben’i HEROLD.
✅Tsy nihetsika firy izy tao anatin’izao ora enina lasa izay. 80 Km/ora ny rivotra miaraka aminy ary arahina tafiotra 115 Km/ora. Raha ny vinavina dia hikisaka miadana manamorona ny morontsisaraky Masoala izy anio Sabotsy.
Andry Rajoelina: « Hiresaka aho rahariva hilaza ireo fepetra hentitra ho raisina hiarovana ny fahasalaman’ny Malagasy »
Nanamafy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa « tsy mbola misy tranga voamarika an'olona voan'ny Coronavirus eto Madagasikara ». Vaovao tsara ary mahavelom-bolo izany, hoy izy koa « hiara-hiombona ampitoniana isika satria, fantantsika fa ny fisorohana ihany no hahafahantsika miomana sy mitandrina ».
Nampahatsiahy ny filoha Andry Rajoelina fa efa maro ireo drafitra sy paik'ady natomboka tamin'ny Janoary 2020 hisorohana ny valanaretina Covid-19 ary mbola tohizana ankehitriny eto amin'ny firenena.
Nambarany koa fa « hiresaka amin'ny Malagasy rehetra aho rahariva amin'ny fahitalavitra hilaza aminareo ireo fepetra hentitra ho raisina ho fanamafisana sy ho hiarovana ny fahasalaman’ny Malagasy ».
(Jereo Sary Tohiny)
Coronavirus: Bilan 13 mars 2020
* CHU Anosiala:
- Suspicion passagers: 00
- Passagers en observation: 16
* Mahamasina:
- Passagers en observation: 24
* Antananarivo:
- Passagers confinés chez eux: 04
En cas de doute ou suspicion, appeler le numéro vert gratuit 910
Grand Sud de Madagascar: Un nouveau projet, en faveur du Développement des facteurs vitaux de production, eau et énergie, est lancé
Le Ministre de l’Économie et des Finances (MEF), Richard Randriamandranto, le Représentant Résident du Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD), Mme Marie Dimond et l’Ambassadeur de la Fédération de la Russie à Madagascar, Stanislav Akhmedov, ont lancé un nouveau projet de Développement des facteurs vitaux de production, eau et énergie dans le Grand Sud de Madagascar. D’un montant total de 4 millions USD, ce projet est co-financé par le PNUD et la Fédération de Russie à hauteur de 2 millions USD chacun et mis en oeuvre par le Ministère de l’Économie et des Finances pour une période de deux ans, de 2020 à 2021.
Vakinankaratra: Ny zoma 13 Martsa 2020 no natao ny fankalazana ny Andron'ny vehivavy
Natao ny zoma 13 Martsa ny fankalazam-paritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy, ho an’ny Faritra Vakinankaratra, raha ny 8 marsa no ankalazana izany isan-taona manerantany.
Teto Antsirabe, renivohitry ny faritra no natao ny lanonana mahakasika izany, tao anatin’ny lohahevitra « Izaho sy ianao, isika rehetra miara-miombon’andraikitra ho fisitrahana ny zon’ny vehivavy ».
Nanome voninahitra izany ny Governoran’i Vakinankaratra, Rakotovao Vyvato.
(Jereo Sary Tohiny)
Coronavirus: Tsy manao fitiliana mivantana ny Institut Pasteur
Nanambara amin'ny alalan'ny peta-drindrina ny Institut Pasteur de Madagascar fa tsy manao fitiliana ny otrikaretina Coronavirus mivantana amin'ny olona, fa miangavy ireo manana fiahiahiana amin'izany aretina izany hiantso ny laharana maitso tsy andoavam-bola 910, na anantona ny CHU Anosiala na ny CHU HRA na Befelatanana, ka ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka ihany no afaka maniraka azy hanao izany fitiliana izany.
Raha ny fantatra, dia hopitaly 2 eto an-drenivohitra ary 14 any amin'ny faritany no efa voahomana andray an-tanana ny fitsaboana raha sanatria misy tranga.
Ny institut Pasteur no manana fitaovana fitiliana ny otrikaretina (laboratoire sécurisé de niveau 3, amplification génomique). Eo amin'ny 4 ora eo no anaovana fitiliana na test iray, ary mahavita 150 tests eo izy indray andro.
Herisetra: Nanamparan’ny rainy ny hatezerany i Christolin, zaza 6 taona
Tranga mahaontsa no niseho teto Mahadera Fokontany Soavinandriana Kaominina ambonivohitra Sambava ny atoandron’ny Alarobia 11 martsa 2020 teo. Telo mianadahy izy ireo no zanaky ny Ray aman-dreniny ka i Christolin, 6 taona, no zokiny indrindra.
Tsy tratrany tao an-trano, fa variana nandeha nilalao tany amin'ny rahalahin-drainy i Christolin tamin'ny fotoana nahatongan’i Tombo, rainy, avy tany an-tsaha, nefa ity farany ity efa namepetra fa « andrasana tsara ny zandrinao ». Tsy mifanalavitra anefa ny misy azy ireo sy ny toerana nilalaovany fa tezitra ka nikaravasy azy tamin'ny tadin’omby ny rainy ka ahiana hamela takaitra amin’i Christolin ny vono natao azy, izy izay tena mbola zaza marofy ara-batana.
Fandotoana rivotra sy rano: Handraisan’ny ministeran’ny tontolo iainana fepetra ny orinasa HITA eto Toamasina
Handray fepetra hentitra mahakasika ny orinasa HITA eto Toamasina, izay mpamokatra menaka sakafo, ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tsikaritra nandritra ny fandalovan’ny Minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina niaraka tamin’ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy faritra Atsinanana, ny ONE ary ireo tekinisianina avy ao amin’ny ministera ny fisian’ny fofona maimbo miaraka amin’ny setroka avoakan’ity orinasa ity.
Ireo mpiasa ao aminy dia tsy manana fitaovana hiarovana amin’izany setroka sy fofona izany akory. Etsy andanin’izany koa, voaloton’ireo orinasa manodidina azy ny lakandranon’i Pangalana izay mamelona olona maro aty amin'ny faritra Atsinanana aty.