Madagasikara nosy lehibe fahaefatra maneran-tany
Pilo kely : Madagasikara nosy lehibe fahaefatra maneran-tany, misy 5000km ny sisin-dranomasina, nefa tsy mihinana trondro sy tsy mahay milomano ny ankabeazan'ny mponina.
Tafandria mandry e.
Patrick
Angovo : Madagasikara no firenena fahatelo manerantany mampiasa arina avy amin'ny hazo betsaka indrindra
97% ny tokatrano malagasy dia mampiasa angovo avy amin’ny hazo (kitay, saribao). 18 tapitrisa m3 isan-taona eo ny hazo jifain’izany isan-taona. Ny 9 tapitrisa m3 amin’io ihany anefa no azo avy amin’ny fitrandrahana ara-dalàna.
Madagasikara no firenena fahatelo manerantany mampiasa arina avy amin'ny hazo betsaka indrindra.
Raha mbola nanana velaran’ala 9 tapitrisa hekitara i Madagasikara ny taona 2015, nihena ho 8 tapitrisa hekitara izany ny taona 2018.
7 décembre : Journée Internationale de l'aviation civile
7 décembre : Journée Internationale de l'aviation civile
Mety mahasoa anao : Ahoana ny atao raha tsentsina ny WC cuvette
WC cuvette azo hipetrahana, na WC 101 porcelaine misy canalisation no resahina eto, fa tsy WC 101 misy lavaka ambany.
Matetika dia ny taratasy, serviette hygiénique, na ny fisian'ny tartre ao anatin'ny fantsona no mahatsentsina ny WC.
1- Mangalaha vinaigre fotsy 1/2litre, alatsao anaty rano 1litre, dia hafanao ambony afo, tsy avela angotraka.
Esory ireo maloto na fakofako izay azo esorina ao anaty rano, ararao ao anaty WC ilay vinaigre fotsy nafanaina niaraka tamin'ilay rano, avelao 20min eo aloha, vao alefa ny rano chasse d'eau.
2- Azo ampiasiana ihany koa ny coca-cola 33cl (canette na tavoahangy kely). Esory ireo maloto na fakofako izay azo esorina ao anaty rano, araraka fotsiny anaty cuvette WC ilay coca, avela 1ora eo, na afangaro bicarbonate, azo afanaina kely tsy ampangotrahana. Ny coca dia détartrant sy manala harafesenina satria misy acide phosphorique sy acide carbonique izy, manome ilay tsirony manaikitra iny. Azo anadiovana porcelaine cuvette WC na baignoire ihany koa ny coca-cola.