Mangarahara takon'ila
Pilo kely : Mangarahara takon'ila
Teo aloha dia anisan'ny nosoratana tamin'ny takelaka fanaovana asam-panjakana ny :
- Asa atao
- Tompon'ny asa
- Ny orinasa manatontosa ny asa
- Ny orinasa mpanara-maso ny asa
- Ny daty fanombohana sy fahavitan'ny asa (fepotoana)
- Ary ny teti-bidy anaovana ilay asa, sy ny namatsy ara-bola.
RN 44 Atsimo : Ahitana faritra ratsy indrindra miisa 12
“Tonga dia mitondrà zana-bary tse rehefa hidina ihany dia ketsao eny amin’ny arabe”, hoy ny hanihanin’ireo mpampiasa Facebook terak’Alaotra.
“Izaho aloha tsy manakivy fa eo Ranofotsy ka hatrany Andilanatoby dia tena tantara be”, hoy indray ny sasany.
“Mety ho enjana ny lalana ao ah ! Tavela any ny zandriko marina. Ilay ao Ranofotsy ao mihitsy no tena gravy. Moramanga-Andaingo milamina fa henjakenjana ny Andaingo Vohidiala”, hoy kosa ny hafa.
“Midina mahita azy fa raha ny tatitry ny vaovao TVM dia efa toy ny autoroute ny RN 44. Ataovy telo ny pneu de secours entina.”
Miaramila any ambanivohitra : Toy ny tari-drano ankilahila ny volan-tsakafon’izy ireo
Mimonomonona fa tsy afa-manoatra ! Ny rindrina aza anefa moa manan-tsofina fa betsaka ireo miaramila mimenomenona any ambanivolo any, saika manerana an'i Madagasikara amin’izao resaka volan-tsakafo izao.
Misy zara fa nahazo volan-tsakafo 6 volana amin’ny 12 volana tamin’ity taona 2020 ity. Toa efa tsy hisy intsony aza ny amin’ny manaraka raha ny tsiliantsofina re.
Dia manao izay mba hihinanan'ny miaramilany izany any ambanivolo any, ahiana hibirioka ny sasany indraindray.
Asa fanaovan-gazety : Mpanao gazety 50 namoy ny ainy nandritra ny taona 2020
50 ireo mpanao gazety lavo amperin’asa, nanerantany, teo anelanelan’ny 1 jaonary ka hatramin’ny 15 desambra 2020, araka ny tatitra nataon’ny Reporters sans frontières (RSF), tamin’ny tatitra nataon’ity fikambanana iraisam-pirenena ity ny 29 desambra teo, ho an’ny taom-piasana 2020.
Ny 34 tamin’ireo dia nisy namono tany amin’ireo firenena heverina fa mandry fahalemana.
Marihina fa 53 ny mpanao gazety no namoy ny ainy manerantany nandritra ny taona 2019.
Mahatsinjo- Soavinandriana : Nandrava fiangonana i Chalane
Tra-pahavoazana ny FJKM Mahatsinjo Fanantenana Sinodamparitany Mandridrano Mpiambina, ao amin’ny Kaominina Soavinandriana Itasy.
Nianjera ny 27 desambra 2020 teo ny rindrin’ny Fiangonana vokatry ny rivotra nifofo mafy sy ny orana nikija nentin’ny rivodoza Chalane, ary simba hatraminy tafo.
Marihina fa ho fankalazana ny faha 150 taonan’ny Fiangonana dia fanitarana ny trano Fiangonana no tsangambato nokasaina, efa maro ny ezaka nataon'ireo mpino nanomboka tamin’ny fototra sy nanangana ny rindrina nefa dia izao nianjera izao izay voatsangana.
Manao Antso avo amin’ireo izay malala-tanana na mpitondra fanjakana na olon-tsotra izay afaka hanome anjara biriky hiaraka hanorina indray izay efa natsangana ny FJKM Mahatsinjo Fanantenana.
(Jereo Sary Tohiny)
Halatra fiara : Mazda very teo Masay, hita teny Imerimandroso
Fiara minibus Mazda iray no very teo Masay omaly hariva. Nanaovan’ny tompony fanairana tamin’ny facebook avy hatrany izany, ankoatra ny filazana fahaverezana tany amin’ny mpitandro ny filaminana.
Haingana dia haingana ny fizaram-baovao tamin’ny tambazotran-tserasera. Nahitam-bokany izany.
Hita androany maraina teny amin’ny faritra Imerimandroso, distrika Ambohidratrimo, ilay fiara rehefa avy nokarohina nandritra ny alina manontolo.
Anisany nanamora ny fanarahan-dia sy ny fahitana azy ihany koa ny fisian’ireo soratsoratra be tamin’ny vatan’ilay fiara.
(Jereo Sary Tohiny)
Lozam-pifamoivoizana : 24 tamin’ity desambra ity ary namoizana ain'olona
Efa ampolony maro (24) ny tranga lozam-pifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena manerana ny Nosy nandritra ity volana desambra 2020 ity, araka ny atontanisa voarakitra eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
Vokatry ny faharatsian’ny lalana sy tsy fitandremana ny ankamaroany, izay namoizana ain'olona mihitsy (8).
Fikan'antitra : Resaka ronono lay raha
1- Ahoana no atao mba tsy hiraikitra amin'ny vilany ny ronono avy mangotraka
Alaivo ny casserole na vilany asiana azy, ampandalovy rano mangatsiaka ny ao anatiny, dia avelao hisy rano kely eraky ny sotro fihinanam-bary tavela ao, dia arotsaho moramora ny ronono.
Tavela ao ambany io rano io fa tsy hoe lasa ronono mitapo-drano akory, ka rehefa mangotraka ny ronono, dia io rano io no lasa bulle sy film ao ambany ao, tsy hiraiketan'ny ronono amin'ny vody vilany, satria ny rano mavesatra noho ny ronono dia tavela ambany.
2- Ahoana no atao mba tsy hampandroatra ny ronono mangotraka
Asio sotro hazo ao anaty ronono hafanaina. Sotro lava kokoa noho ilay vilany sao izy indray no latsaka anaty ronono.