Filtrer les éléments par date : dimanche, 27 décembre 2020

Pilo kely : Ahoana moa no Ranavalona III nanangan-tsaina fotsy no indraindraina ho fiandrianam-pirenena?

izy sy ireo tandapa aza navelan'ny Frantsay nipetraka tao an-dapa ihany, rehefa niotakotaka ny Menalamba sy ireo nanohitra ny Frantsay vao nentina tatsy La Réunion izy, ary napetraka tanaty villa tany Alger niaraka tamin'ny fianakaviany hatramin'ny mpiasany.

Nomen'i Frantsay famatsiam-bola manokana i Mpanjakavavy sy ny fianakaviany nahafahany nanana fari-piainana ambony, afaka nitsidika an'i Paris aza izy sy ny fianakaviany ary ireo mpiasany, ary naverina taty Madagasikara ny razana rehefa matin'ny aretina izy.

Tafandria mandry e
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Dahalo roalahy raindahiny no nanararaotra nandositra, teny an-dalana hikaroka ireo namany, tao Andobo Fokontany Beanagna.

Halatra kisoa efatra sy akoho amam-borona 32 isa, no nahatratran’ny andrimasom-pokonolona azy roalahy ireto tao Fasimena, Kaominina Fanjakana, Faritra Matsiatra Ambony ny alin’ny 24 desambra 2020.

Nanambara ireo namany sy ny toerana misy ireto farany ireo dahalo roa voasambotra ireo nandritra ny famotorana nataon’ny Zandary azy ireo.

Teny an-dalana hikaroka ireo nambaran’izy ireo fa namany no nanararaotra handositra, niantehitra amin’ny ody gasy taminy, ireo dahalo. Tsy nijanona na nanaovana fampitandremana ka nahatonga ny zandary nitifitra ka nahafaty ireo dahalo ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Dahalo raindahiny mpandrava amin’iny Distrikan’i Mandritsara iny i Zida. Ny 24 desambra 2020 teo, izy no voasambotry ny Zandary sy ny Fokonolona tao Andranonahoatra, Kaominina Ambodimandresy II, taorian’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo.

Nisy omby halatra niisa 19 tratra niaraka taminy. Ombin’ny Ben’ny tanànan’Amboaboa, Distrika Mandritsara ny iray amin’ireo.

Nampidirina ambalam-pamonjana ao Mandritsara ireo omby halatra, notanana natao famotorana ilay dahalo raindahiny sy ny fikarohana ireo namana sy mpiray tsikombakomba aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray, 25 taona, monina ao Anjiajia, Kaominina Antonibe, Distrika Analalava nobnitsambikina avy eny ambony "bouttre" na koa tefitefy nandehanany nony teny anivon-dranomasina.

Niainga vao maraina teo Antafiambotry Kaominina ambonivohitra Antsohihy, ny marainan’ny krismasy 25 desambra 2020 izy ireo hihazo an'Anjiajia. Io andro io, tokony ho tamin’ny 04 ora sy 40 minitra maraina no nitsambikina avy ao anaty tefitefy ilay lehilahy nony tao amin'ny toerana antsoina hoe Ambariotsivolana. Tsy fantatra ny antony nanaovany izao fihetsika izao raha ny fanazavana azo.

Olona valo izy ireo no tao anatin'ilay tefitefy izay voatery niverina an-dalana avokoa.

Publié dans Tselatra

Saron’ny Zandary avy ao amin’ny Poste Fixe Besoa Kaominina Analavoka ny lehilahy roa, niaraka tamin’ny vola 20 000 Ariary sandoka miisa efatra.

Nentina tao amin’ny Brigady Sakalalina, ary notanana avy hatrany natao fanadihadiana.

Voararan’ny lalàna ny fanaovana sy fanaparitahana vola sandoka. Sazy hatramin’ny asa an-terivozona mandram-pahafaty no miandry ny mpanao izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nanomboka androany 27 desambra 2020 ny fanaovana vaksiny fiarovana amin’ny Covid-19 any Frantsa. Mauricette, vavy antitra, 78 taona, no voalohany natao vaksiny Pfizer/BioNTech tao amin’ny hopitaly René-Muret any Sevran (Seine-Saint-Denis).

Taoriany dia i Jean-Jacques Monsuez, 65 taona, dokotera mpitsabo fo ao amin’io hopitaly io no lehilahy voalohany sady mpiasan’ny fahasalamana natao io vaksiny io tany Frantsa.

Maimampoana ny fanaovana vaksiny. Manana safidy anefa ny olona tsirairay na hanao io vaksiny na tsia, araka ny voalazan'ny filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Dahalo iray no voasambotry ny Zandary avy ao amin’ny Poste Avancé Ilakaka, niaraka tamin’ny omby halatra miisa sivy noroahiny, taorian’ny fampandrenesana azon’izy ireo avy amin'ny sefo Fokontany ao Benahy-1, Kaominina Ilakakabe rehefa nandalo tao amin'io faritra io.

Velona ny fanarahan-dia ary koa ny fiambenana ny kizo izay handalovany, ka tamin’izay no nahatratrarana ilay dahalo iray miaraka amin'ireo omby sivy.

Avy any Morarano, Kaominina Benenitra ireo omby nangalaran’ilay dahalo ary ny mpiarakandro ireo omby ireo ihany no voalaza fa niray tsikombakomba taminy.

Naiditra " fourrière" ao amin'ny Kaominina Ilakaka ireo omby ireo, mitohy ny famotorana ilay dahalo voasambotra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nivory matetika ny CRCO teto Toamasina, ary nametraka rafitra nanomanana ny handraisana ny mety ho tra-boina ateraky ny rivodoza Chalane.

Nony maraina, azo lazaina ho nieren-doza i Toamasina sy ny manodidina satria ankoatra ny fahatapatapahan'ny jiro, sy ny fisian'ny rano niakatra tany amin'ireo kartie efa malaza fa iva, dia teo eo ihany ny fahasimbana.

Vao maraina dia nitety ireo toerana maromaro, ny mpikambana amin'ny CRCO Atsinanana notarihin'ny Goverinora RAFIDISON Richard Théodore, ny Préfet RAZAFIARISON Jean Jugus, ny Ben'ny tanána RAKOTONIRINA Nantenaina ary ireo lehiben'ny mpitandro filaminana.

Publié dans Vaovao

Mbola eo ary mamono ny Covid-19. Miisa 81 ny tranga vaovao tamin’ireo 1936 natao fitiliana tamin’ity herinandro ity, ka tao amin’ny faritra DIANA ny ankamaroany, niisa 33 izy ireo. 26 tao Analamanga, Vakinankaratra nahitana 3, tao Matsiatra Ambony ny 13, tao Amoron'i Mania ny 2, tao Boeny ny 1 ary tamin’ireo mpandeha vao tonga avy any ivelany ny 3.

81 kosa no sitrana ary mbola misy 225 ireo manaraka fitsaboana.
Nahatratra 17 714 ireo voan’ny Covid-19 teto Madagasikara hatramin’ny martsa 2020 nahitana ireo tranga telo voalohany ary 261 ireo namoy ny ainy.

100 305 fitiliana vita tato anatin’ny sivy volana izao.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 27 décembre 2020 11:42

MFM : 48 taona nijoroana

27 desambra 1972 - 27 desambra 2020, feno 48 taona katroka amin'ity anio ity ny antoko MFM.

Banga ny toeran'ny filoha nasionalin'ny antoko taorian'ny nahafatesan'i Manandafy Rakotonirina ny 25 Marsa 2019. Ity farany izay niara-nanorina ny MFM niaraka tamin'i Germain Rakotonirainy na Lynx.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2