Ca va n'i Diego
Pilo kely : Ca va n'i Diego
Ndray tsisy vôla, ça va fo.
Bonne nuit
Patrick
Fanafihana mitam-basy : Naratra ny tompon-trano, lasan'ny jiolahy ny vola
Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Tsararano fokontany Begavo II Ambanja ny alin'ny 16 desambra 2020 teo.
Dimy lahy mitam-basy no nanafika tokantrano iray.
Manao lamba karikary toy ny fanamiana mpitandro filaminana ny telo tamin'izy ireo, ary nitondra basy lava roa sy antsy be.
Naratra mafy ilay raim-pianakaviana naneren'ireo jiolahy hanome ny vola. Lasan'ireo jiolahy tao anatin'izany ny volabe telo tapitrisa.
Ntsay Christian : Mbola maro ireo fanavaozana tsy maintsy atao eto
Notanterahana teto amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny 19 desambra 2020, ny Filankevitry ny governemanta ho tohin’ny fivoriana fanao isan-kerinandro ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ka nandinihana ireo raharaham-pirenena tsy afa-miandry, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.
Nambaran’ny Praiminisitra fa na dia amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao aza dia mbola maro ireo fanavaozana maro isan-karazany tsy maintsy atao eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ary ilàna fandinihana sy famakafakana lalina ary fotoana ka izay no anton’izao fivoriana eto amin’ny Akademia Miaramila izao.
Akany Fanantenana- Antsirabe : Toby manabe ankizy enjehin’ny lalàna
Tonga nanolotra fanomezana sy fampitaovana ho an’ny Akany Fanantenana aty Antsirabe ny vadin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, tarihin-dramatoa Ntsay Léa, vadin’ny Praiminisitra, izay nosoloin-dramatoa Ravalomanana Sahondra tena, ny vadin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ary tonga nanotrona izany lanonana izany ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra mivady.
Toby fitaizana eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fitsarana ny Akany Fanantenana, izay manabe ankizy enjehin’ny lalàna, vokatry ny heloka maivana, na koa manana olana amin’ny fiaraha-monina.
Amin’ny ankapobeny dia 10 hatramin’ny 17 taona no raisina ato amin’ity akany ity, ka mbola voafetra eo amin’ny fandraisana olona miisa 30 ny fahafahan’ny akany hatreto.
21 décembre : Journée Mondiale de l'Orgasme...
21 décembre : Journée Mondiale de l'Orgasme...
Tom Cruise : Tonga miala sasatra ao amin'ny Nosy Ankao hatry ny omaly
Miala sasatra ao amin'ny Nosy Ankao i Thomas Cruise na Tom Cruise, anarana ahafantarana azy eo amin'ny tontolon'ny sarimihetsika.
Asa fanaovan-gazety : Hatr'aiza no fetra ?
Matetika ny mpanao gazety dia tafiditra anaty sakoroka, na anaty ady, anaty lozam-pifamoivoizana, fitsaram-bahoaka...
Mipetraka ny fanontaniana, ny asa fampitam-baovao ve no mandeha aloha, sa hiditra ao anatin'ilay toe-draharaha izy, anasaraka olona miady, hanavotra olona safotra, na hitondra olona any amin'ny hopitaly, sa hampiteraka ilay vehivavy anaty fiara karetsaka, hamonjy ilay maratra, sa hisitaka amin'ilay toe-draharaha, ka hanao ny asa fanaovan-gazety hitatitra izay zava-misy natrehany.
Ny reporteur de guerre ireny moa dia tratran'izay toe-javatra izay ihany koa, izy mahafantatra ny firoson'ny adversaire n'ilay iray, hilaza amin'ilay mpifanandrina ve izy fa efa ambadika amono azy ao ireo fahavalony, sa angina izy ka hanokatra ny camera satria fantany fa hisy fifanjevoana eo.
Tsy mora ny asa fanaovan-gazety, satria tsy afaka miala amin'ny fiaraha-monina izy, nefa koa tsy tokony tafaringotra anatin'ilay toe-draharaha ka lasa acteur actif, fa tsy reporteur passif.
Miankina amin'ny zava-misy hatrany, fa ny reporteur photographe matetika, vao misy ny toe-draharaha dia ny cam na ny appareil photo no mitselatra voalohany, dia arakaraky ny zava-misy vao miditra izy.
Mirary soa e.
Patrick
Madagasikara : Ahiana hihanaka be eto indray ny Covid-19 ?
"Matahotra mafy mihitsy ato, fa raha ilay fisavoritahana be izay nitranga teny amin’ny seranana Ivato nandritra ny fahatongavan’ny sidina manokan’ny kaompaniam-pitateraka Air Madagascar sy Air France niaraka iny no nisy nitondra ny coronavirus ny mpandeha dia hipatitaka eto indray isika."
Io no nambaran’ny olona iray izay nanan-draharaha teny amin’ny seranam-piaramanidina ka nahita tsara ny fizotry ny raharaha nisy teny an-toerana tamin’io fotoana io.
Tsy fantatra izay lamina tsy voahaja tao, fa dia io fisavoritahana teo amin’ireo samy mpandeha izay efa lanaky ny dia, ka maika ny ho tonga, no mbola tratry ny tebiteby toy izay nanjo ireo nandalo ny nosy rahavavy La Réunion io no tsikaritry ny mpitazana.
Nanapa-kevitra mikasika ny sidina manokana amin’ny zotra mampitohy an’i Frantsa sy i Madagasikara ny fitondram-panjakana.
Ankoatra ny kaompania Air Austral sy ny Ewa Air ary ny Ethopian Arilines izay misahana ny zotra iasany, dia nomena alalana hanatanteraka sidina manokana amin’ny daty voatondro mialoha ny kaompania Air Madagasikara sy Air France.