Pilo kely : Tsakoahana aho
Nande teny an-tsena, zaho rery no manao CVO (Cache Vava Orona) (Tsy TG an, any atsimo lazaina fa CVO ny Toaka Gasy)
Nanontany ilay mpivarotra :
- Marary anga Président Patrick
- Fa ahoana
- To manao cache bouche, matahotra ny amindra aretina anga, sa avy any an-dafy ianao elaela tsy hita io?
- Ohatran'ny tsy naharaka aho an, anga hoy aho, efa vita ny Covid?
- Efa milamina be an, efa Jerosalema vaovao isika zao
Tena mbola betsaka ny voa amin'azy io fa tandremo leretsy e.
Tafandria mandry e
Patrick
Kere any Atsimo : Nanolotra fanomezana ny Masoivohon’i Sina
Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian ny Ambasadaoro vaovaon’i Sina, miasa eto Madagasikara, Guo Xiaomei, ary izany dia narahina fanoloran’ny Masoivoho Sinoa fanomezana, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny ady atrehin’i Madagasikara amin’ny tsy fanjariantsakafo na kere.
Fiaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ary ny Masoivohon’i Sina no nahatongavana tamin’izao fanolorana fanomezana izao, ary ny ministera no hiandraikitra ny fitantanana izany, izay ahitana koba 15 taonina, katsaka voatoto 15 taonina, tsaramaso fotsy 2,5 taonina, barikan-drano 500 litatra miisa 6 ; sceaux 20 litatra miisa 200 ; lovia 5 000 isa ary sotro fihinanana 5 000 isa.
Magro Behoririka : Nitohy ny tolo-tanana ho an’ireo Malagasy ianjadian’ny kere any atsimo
Nisy androany ny fanangonana ireo fanomezana avy amin'ny malalatanana ho an'ireo Malagasy ianjadian'ny tsy fanjariantsakafo any atsimo.
Nisy olontsotra, olomboafidy, fikambanana, tanora, mpandraharaha tonga nanatanteraka fitia tsy mba hetra tao amin'ny Magro Behoririka Antananarivo.
(Jereo Sary Tohiny)
Sehatra-pihariana lavanila : Maro ny vola tsy tafaverina ny taona 2017 sy 2018
Novorian’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo, niaraka tamina mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta tarihiny, androany, ireo mpisehatra rehetra tsy miankina amin’ny fanjakana voakasik’izany.
Maro hoy ny Praiminisitra ny zavatra nodinihina nandritra ny fihaonana, fa ny zavatra roa lehibe nivaingana tamin’izany dia ny hitazomana ny fanapahan-kevitra efa noraisina mba tsy hampidina ny vidin’ny lavanila ary tsy hanovàna an’izany any amin’ny seranan-tsambo fanondranana.
Ny faharoa dia ny fanatsaràna ny rafi-pitantanana ny sehatra lavanila.
Nambaran’ny Praiminisitra fa efa napetraka tao Antalaha ny “Conseil National de la Vanille” (CNV), izay iombonan’ny fanjakana amin’ireo mpisehatra tsy miankina rehetra, ka hotohizana ao anatin’izany ny fandinihana ny mahakasika ny resaka fandriampahalemana.
Tsena sy fanjifana : Efa miparitaka ny vary nafarana 550 Ariary ny kapoaka
Nidina teny amin’ny tsena Isotry sy Mahamasina nanara-maso ny vidim-bary nafarana avy any ivelany, androany 11 Desambra 2020, ny avy ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny (DCI), sy ny Foibem-paritra Analamanga misahana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana (DRICA Analamanga).
Efa miparitaka eny an-tsena ny vary nafarana avy any ivelany amin’ny vidiny 550 Ariary ny kapoaka.
Nambaran’ny Tale misahana ny Varotra Anatiny ihany koa fa misy ny vary tonga ao Toamasina amin’ny vidiny mirary hamatsiana ny faritry ny Nosy.
Hitohy hatrany ny fanaraha-maso ny vidin’entana ho fitsinjovana ny mpanjifa.
(Jereo Sary Tohiny)
Fifidianana Loholona : Nanamaloka azy ny fizaram-bola, fampitahorana sy fandrahonana ny mpifidy vaventy
Nizotra tamim-pilaminana ny fifidianana Loholona, na dia teo aza ireo tsy fahatomombanana vitsivitsy, araka ny tatitra nataon’ny fiarahamonim-pirenena SAFIDY, manara-maso ny fifidianana.
88% ny taha-pahavitrihana amin’ny fifidianana hatramin’ny 12 ora.
Ampahitsiahivina fa miisa 12 465 ny Mpifidy vaventy eran'ny 119 Distrika, mizara isam-paritany ho : 2 428 eto Antananarivo ; 3 144 ho an’i Fianarantsoa ; 2 140 ho an’i Toliara ; 1 854 ho an’i Toamasina ; 1 785 ho an’i Mahajanga ary 1 114 ho an’i Antsiranana.
Nahitana fitaterana iombonana nitondra ny mpifidy vaventy teny amin’ny 17% n’ny Distrika nanaovan’ny SAFIDY fanaraha-maso.
Nahita fizaram-bola na/sy zavatra hafa ho an’ireo mpifidy ireo mpanara-maso, ary koa naheno sy nahita fampitahorana sy fandrahonana natao ireo mpifidy.
Faritra Atsinanana : Fizahan-tany sy Fifamoivoizana an-dranomamy
Ny alahady 06 Desambra teo, taorian’ny fitsidihana ny Nosy Alagnana Ile-Aux-Prunes, dia nitsidika ny « port fluvial » etsy Manangareza ny Minisitry ny Fitanterana sy ny Fizahan-tany ary ny Famantaranana ny toetr’andro RANDRIAMANDRANTO Joel, sy Andriamatoa Tale Jeneralin’ny APMF, na Agence Portuaire Maritime et Fluvial, Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Jean Edmond.
Nanotrona hatrany izao fitsidihana izao ireo tompon’andraikitra eto an-tanàna, notarihin’ny Goverinora RAFIDISON Richard Théodore, ny Préfet Razafiarison Jean Jugus ary ny Ben'nu Tanàna RAKOTONIRINA Nantenaina.
Tsy isalasalàna ny manaiky ny voalazan’ny mpisehatra ara-pizahan-tany fa VOKATRA SANGANY aty Atsinanana ny Lakandranon’ny Pangalanes, izay mitety faritra 04 ary kaominina maro.
Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo : Mankalaza ny faha-100 taona nijoroany
100 taona nijoroa ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo. Isany nanamarika ny fankalazana ny alakamisy 10 desambra ny fanolorana mari-boninahitra ho an’ireo mpikambana mandrafitra ny antenimiera.
Raha mbola 80% amin’ny filàn’ny mponina amin’ny andavan’andro no entana afarana dia fanamby ho an’ny fitondram-panjakana ny hananganana indostria Malagasy afaka manodina ireo akora fototra misy eto an-toerana.
Ady amin’ny kere : Notolorana fiara 4x4 miisa 6 ny CCO-K
Ho fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny kere dia nanolotra fiara tsy mataho-dàlana miisa 6, hampiasain'ny "Centre de Coordination Opérationnelle contre le Kere", ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, ho fanafainganana ny asa izay hotanterahina any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy.
Nambaran’ny Praiminisitra fa miha-maro ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo, ary misy amin’ireo zaza Malagasy no mamoy ny ainy vokatr’izany.
Ankehitriny dia nitondra fomba fiasa vaovao amin’ny fanampiana ny any Atsimo ny fitondram-panjakana, ka nametraka rafitra toy ny tamin’ny ady tamin’ny valanaretina Covid 19, dia ny CCO-K izany.
Mazava ho azy, hoy ny Praiminisitra, fa mila fitaovana, tetibola, ary olona hitantana azy ny CCO-K, indrindra ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitry ny Faritra iorenan’ny ivon-toerana.
Vatsy tsinjo : Maro ireo mpamongady no tsy voaloa vola
Malaza indray ankehitriny ny "Kaly Tsinjo", izay vary masaka sy laoka ankinina amin'ireo mpanao sakafo masaka isam-pokontany manerana ny nosy, ka amidy 100 ariary amin'ny mpihinana. Hatreto tsy nisy filazana ny fepetra ho an'izay afaka hisitraka izay, sy ny fomba ahatongavan'izay sakafo izay isaky ny fokontany 18 000 manerana ny nosy, izay ny biletam-pifidianana aza efa sarotra vao tonga any amin'ireny faritra ireny.
Manomboka mampiaka-peo anefa ireo mpamongady malagasy, fa efa hatramin'ny volana aogositra 2020 no narirarira izy ireo, nefa ny tao amin'ny fiadidiana ny Repoblika mihitsy no niantso andro alina, nanambitamby ny anomezana vary, menaka andrivony maro amin'ny gony.