Pilo kely : Safidy io, amelona ny mpamboly Malagasy sa amelona mpamboly karana any Inde sy Pakistan
Vary 500 000 tonnes no afarana any ivelany isan-taona, tsy vaovao io fa efa an-taonany maro, ary mbola tohizan'izao fitondrana izao.
5% n'ny tany eto Madagasikara ihany no misy fambolem-bary, raha 4-7 tonnes no vokatra vary tokony hiakatra isaky ny hektara, dia mbola 2tonnes eo ihany ny salan'isa eto amintsika (rendement), izany hoe velaran-tany 250 000Ha any izany no mahavokatra io vary 500 000tonnes afarana io.
Ka safidy izany no atao, na vokarina eto an-toerana io vary io, izay ampisondrotra ny fahefa-mividin'ny mpamboly Malagasy, tsy ampivoaka ny devise na vola vahiny, na amorona asa ho an'ny mpamboly any Inde sy Pakistan, ary am-panankarena ireo karana mpanafatra entana.
Ny "kaly tsinjo" rahateo no malaza ankehitriny, be indray ny anao trano, aiza no aharahana firy kapoaka no narotsaka teo, sy iza sy iza avy no nahazo vary teo, sa ho asiana Digitalisation Tsaky Pop indray?
Tafandria mandry
Patrick
Fankasitrahana : Notolorana mari-boninahitra
Notontosaina tetsy amin'ny tranombokim-pirenena Anosy ny fanolorana ny mari-boninahitra "Commandeur de l'ordre National" ho an'i Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle sy Daniel Randriamaharo.
(Jereo Sary Tohiny)
Antenimieram-pirenena : Lany ny lalàna mifehy ny rafim-pampianaran’ireo mpampianatra mpikaroka
Nolaniana teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny alarobia 09 desambra ireo Tolo-dalana nasiam-panitsiana, sy nasiam-panovana, araka ny didim-panjakana laharana 2003-008 tamin’ny 05 Septambra 2003 sy 95-023 tamin’ny 06 Septambra 1995 mifehy ny rafim-pampianaran’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra.
(Jereo Sary Tohiny)
Antenimierandoholona : Nandray tolo-dalàna mikasika ny « Nosy Malagasy »
Tonga nanolotra tolo-dalàna mikasika ny « Nosy Malagasy » tao amin’ny Antenimierandoholona ireo delegasiona miady amin’ny famerenana ny Nosy Malagasy ny alarobia 09 desambra 2020.
Delegasiona notarihin’Atoa Joseph Yoland, mpikambana ao amin’io vaomiera io.
Nandritra io fotoana io dia nangataka ny mba handrosoana ny fandinihana izany tolo-dalàna izany, amin’ity fivoriana ara-potoana faharoa ity izy ireo, satria mahakasika mivantana ny tombontsoan’ny firenena.
Tsena sy fanjifana : Noferan’ny fanjakana ho 79 000 Ar ny gonim-bary, tsy hiakatra ny vidin’ny menaka
Taorian’ny famerana tsy hihoatra ny 550 Ariary ny vary iray kapoaka ho an’ny mpanjifa, dia nanao tatitra ny filankevitry ny minisitra ny 09 desambra 2020 fa nifanekena tamin’ny mpanafatra fa 79 000 Ariary ny gonim-bary tokony alefa eny amin’ny tsena ankehitriny.
Misy 500 000 taonina ny vary nafarana miaraka amin’ireo mpandraharaha Malagasy amin’ity taona 2020 ity, ary ampy tsara izany ho amin’ny filan’ny mponina hiatrehana ny maitso ahitra.
Araka ny tatitra hatrany, dia tsy hiakatra ny vidin’ny menaka sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro araka ny fifanekena tamin’ireo orinasa mpamokatra sy ireo orinasa mpanafatra izany.
Tsy tokony hisy ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena mandritra izao fety izao, indrindra ireo sakafo ilaina andavanandro, ary hihatra ny sazy amin’ireo izay mandika izany.
EKAR Saint Joseph Toamasina : Nahazo fanalefahan-ketra
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny 09 desambra 2020 ny fanomezana fanalefahan-ketra ho an’ny Fiangonana Katolika, EKAR Saint Joseph Toamasina mikasika ireo entana nafaran’izy ireo hanamboarana toeram-pitsaboana ao Toamasina.
« Kaly Tsinjo » : 100 Ariary ny sakafo, hitsinjara izany ireo mpivarotra hanimasaka
Ireo mpivarotra hanimasaka eny anivon’ny Fokontany no hahandro sy hitsinjara ny «Kaly Tsinjo» ka hiara-hiasa amin’ny ministeran’ny mponina sy ireo Kaominina ary ireo tompon’andraikitra isan-tokony.
100 Ariary isan’olona fandraisan’anjara ho an’ireo misakafo eny isaky ny fizarana sakafo atoandro.
Hisy lamina manokana ho fanatanterahana izany, ary mialoha ny fankalazana ny Noely no atomboka izany mandritra ny fe-potoana tsy voafetra.
Hisy ny karazan-tsakafo miova isan’andro mandritra ny herinandro izay miantomboka ny Alatsinainy ka hifarana ny Sabotsy.
Hisy famatarana manokana ireo toerana mitsinjara ny “Kaly Tsinjo” izay natao ifampitsinjovana manoloana ny fahasarotan’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro.
Oniversite Antananarivo : Rasolomandimby Mahefatiana Philibert no Tale vaovao misahana ny CROUA
Voatendry ho Tale misahana ny CROUA na ny Centre Régional des Œuvres Universitaires d’Antananarivo nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 09 desambra 2020 Rasolomandimby Mahefatiana Philibert.
Polisim-pirenena : Kaomisera Rakotonirina Jimmy Clark no Tale vaovaon’ny FIP
Voantendry nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 09 desambra 2020, ho Tale misahana ny « Forces d’Intervention de la Police » ny Commissaire de Police de Première Classe Rakotonirina Jimmy Clark.
Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle : Voatendry ho Mpandrindra Nasionalin’ny ONN
Voatendry ho Mpandrindra Nasionalin’ny ONN na ny « Office National de Nutrition » nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 09 desambra ny Profesora Vololontiana, teraka Randrianasolo Hanta Marie Danielle.