Mody asiana fifidianana Loholona ilazana fa misy demokrasia
Ka tsy efa ny mpitondra irery ve no manana kandida ho Loholona, ka maninona tsy mifandamina ao fotsiny ianareo samy ianareo, fa andany vola sy fotoana inona eo indray.
Tafandria mandry e
Patrick
Fananan-drano : Firenena nosoavin’Andriamanitra i Madagasikara
Anisan’ny firenena manan-karena amin’ny lafiny fananan-drano i Madagasikara.
Mahatratra 1 486 milimetatra ny fitambaran’ny taham-pihavian’orana isan-taona manerana ny nosy, raha tsy misy afa-tsy 912 milimetatra ny an’i Frantsa, ohatra, ary 211 ny an’i Maraoka, araka ny fanadihadihana iray nataon’ny Banky iraisam-pirenena.
Mirotsaka eo anelanelan’ny volana novambra sy aprily ny 90 isan-jaton’ny ranon’orana eto amin’ny nosy.
Mitotaly 14 186 tapitrisa metatra toratelo isan-taona ny fitambaran’ny rano ananan’i Madagasikara.
Ety ambonin’ny tany ny 10 424 tapitrisa metatra toratelo amin’ireo, ary ao anaty tany ao kosa ny 3 630 tapitrisa metatra toratelo.
Fianarantsoa : Miatrana ny mpitandro ny filaminana
Mikasa hihaona amin'ny vahoakan'i Fianarantsoa ao amin'ny Kianja Magro ireo solombavam-bahoaka avy amin'ny fanoherana, miaraka amin'ny vondron'ny Panorama, anio, hanao tatitra.