Tetibola 2021 : Nodinihana sy nolaniana teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra androany ny volavolan-dalàna
Nodinihana sy nolaniana teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra androany 30 0ktobra 2020 ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola sy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2021, ary natolotra any amin’ny Antenimieram-pirenena, hodinihan’izy ireo mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena, araka ny voafaritra ao anatin’ny Lalàmpanorenana, ny andininy faha 75, tapany faharoa.
Natao tamin’ny alalan’ny « visioconference » ny filankevitry ny minisitra androany notarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary nahitana ny praiminisitra sy ireo minisitra isan-tokony.
"Bagarreuse de marché"
Pilo kely : "Bagarreuse de marché"
Bonne nuit
Patrick
CAPSAT Soanierana : Basy miisa 1373 nopotehina
Nopotehina ampahibemaso tao amin’ny Toby miaramila CAPSAT Soanierana – Antananarivo, androany, ireo basy miisa 1373 azo tamin'ny fanentanana natao, ary vokatry ny asa fampandriana fahalemana ataon'ireo miaramila eny an-kianja no nopotehina.
Niatrika izany ny solotenan'ny Vondrona Afrikanina, Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard ary ireo Minisitra mpikambana eo anivon'ny governemanta sy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude.
(Jereo Sary Tohiny)
Fifidianana Senatera : Nankatoavina avokoa ireo lisitra 14 hifaninana
Lisitra firotsahan-kofidiana miisa 14 no hifaninana amin’ny fifidianana Senatera hotanterahina amin’ny 11 desambra 2020.
Ny IRMAR no hany manana kandida amin’ny Faritany enina.
Toerana 2 isaky ny Faritany no ifaninanana.
Toerana 12 amin’ireo 18 handrafitra ny Antenimierandoholona amin’ny endriny vaovao no hofidian’ny mpifidy vaventy ; fahefana omen’ny Lalampanorenana ny filohan’ny Repoblika koa no manendry ny 1/3, izany hoe ireo 6 hameno azy ho 18.
Notanterahina androany ny antsapaka nandaharana ireo mpifaninana ao min’ny bileta tokana.
(Jereo Sary Tohiny)
30 oktobra: Androm-pirenena ho an'ny Varika eto Madagasikara
Raim-pianakaviana mifototra : Bevohokany ny zanany vavy 16 taona, ary nanala zaza
Raim-pianakaviana 57 taona no nifototra, nanararaotra ara-nofo ny zanany vavy, 16 taona. Nitondra vohoka ity tovovavy ity noho io toetra ratsy nataon'ny rainy taminy io, ary efa nanala zaza izy. Niezaka ny nanafina izany ary ilay zanany noho ny tahotra nahazo azy.
Nitsabo tena tany Antsirabe ny vadiny, ary ilay tovovavy 16 taona sy ny Rainy sisa no tao an-trano, tany amin'ny faritra Ampitsaharana, Kaominina Soavinandriana. Nitsiry tamin'izany ny filan-dratsin'ilay Rainy ka ny zanany vavy indray no naholany tao an-trano.
Nisy olona nahafantatra ity tranga ity ka nampian'ny vondrona miaro ny zon'ny vehivavy sy ankizy ity olona ity mba hiaraka ho any amin'ny Polisy hiarovana ilay zaza.
Nandray ny andraikiny ny Polisy avy ao amin'ny Kaomisaria Soavinandriana Itasy, ary nosamborina avy hatrany ilay Raim-pianakaviana.
Heloka bevava : Teratany frantsay nitsoaka avy any Fantsa, voasambotra tao Antsiranana
Voasambotra tany Antsiranana ny alakamisy 29 oktobra teo, ny teratany frantsay iray, izay tratra ny didy fampisamborana iraisam-pirenena noho ny fanodikodinam-bola miaraka amin’ny fandrahonana tamin’ny fitaovam-piadiana, fitazomanana an-keriny ary famonoana olona.
Tranga niseho tamin’ny 2019 tany amin’ny faritra atsimo-atsinanan’i Frantsa.
Nifarimbona nahazoana izao vokatra izao ny Zandary frantsay, mpanao famotorana anankiroa ao amin’ny sehatry ny fikarohana any Marseille sy ny sampan-draharahan’ny filaminana anatin’ny Ambasady frantsay, sy ny Polisy Malagasy.
Afaka notanterahina ity hetsika niarahan’ny Zandarimaria frantsay sy ny Polisy Malagasy ity noho ny fifanarahana fiaraha-miasa roalafy misy eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara.
Kere any atsimo : Nanolotra vary 8,5 taonina ireo Solombavambahoaka
Voin-kava mahatratra ! Nanatitra vary 8,5 taonina teny amin’ny BNGRC androany zoma 30 oktobra 2020 ireo Solombavambahoaka izay notarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine ho fanampiana ireo Malagasy iharan’ny tsy fahampian-tsakafo amin’izao fotoana izao.
(Jereo Sary Tohiny)
30 octobre : Journée mondiale de la Vie
30 octobre : Journée mondiale de la Vie.