Pilo kely: Tempête tropicale, atterrissage d'urgence
Za mba niteny anikeo maraina fa tsara ny andro, hisy rahona sy oram-baratra kely eny antenatenany eny, kay cyclone mihitsy no nitsena ny phase de descente, atterrissage d'urgence, attachez vos ceintures, relevez les tablettes, ca va secouer.
Sarlene kosa migafy e.
Tafandria mandry aby
Patrick
Johary Ravoajanahary : Nampidirina am-ponja eny Antanimora
Tazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora nanomboka io tolakandro io i Ravoajanahary Johariniaina Fanomezantsoa na Johary Ravoajanahary, anarana nahafantaran'ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
Fanidiana sisin-tany: Inona ny maso-tsivana
Ohatran'ny tsy azoko loatra ilay fepetra sy maso-tsivana nandraràna ireo fiondranana ara-piaramanidina ka anidiana ny sisin-tany.
Amerika sy Bresil mbola ambony be ny taham-pamindràna ny aretina Covid-19 nefa tsy voarara.
Ireo Firenena mandrafitra ny Union Européenne efa afaka mifamezivezy ry zareo samy zareo, fa ny atsy Frantsa sy Allemangne sy firenena eoropeanina vitsivitsy ihany no raràna.
Misy mpandeha koa anie avy any France dia miampita aty Kenya, dia efa en provenance Afrique izay dia mahazo miditra? Afaka manamboatra billet départ Kenya izy, sa lasa ny nationalité indray no anakanana azy?
I Chine sy Inde ary Arabie Saoudite moa tsy voaresaka ka asa koa ny amin'ireo.
Fizahantany : Firenana erôpeana 10 anaty lisitra mena
Namoaka lisitr’ireo firenena izay voarara ny handraisan’ireo olona avy any ny sidina ho aty Madagasikara ny Aviation Civile de Madagascar na ACM ny alakamisy 22 oktobra 2020.
Miisa 10 ireo firenena ireo, izay any Erôpa avokoa dia i Alemaina, Belzika, Espaina, Frantsa, Italia, Pays-Bas, Pologne, Royaume Uni, Rosia ary Ukraine.
Noho ny firongatry ny valanaretina coronavirus any amin’ireo firenena ireo no voalaza fa nandraisana ity fepetra ity, izay mihatra avy hatrany.
Tsy voakasik’io fepetra io kosa anefa ny sidina fampodiana an-tanindrazana ireo teratany Malagasy tavela tany ivelany, izay amin’ny 1 novambra 2020 no farany.
Barea : Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao nantsoina hiomana amin’ny fihaonana amin’i Côte d’Ivoire
Nampahafantarin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra na Barea an’i Madagasikara, ireo mpilalao miisa 25 nantsoina hiatrika ny fampivondronana eto Madagasikara.
Amin’ireo no hifantenana ireo 23 handrafitra ny ekipam-pirenena izay hikatroka amin’i Côte d’Ivoire, lalao mandroso sy miverina, izay hatao amin’ny novambra 2020.
Niantso mpilalao vaovao roa ny mpanazatra, dia Randriamamy Mathias, izay mpiandry harato ao amin’ny PSG sokajy latsaky ny 20 taona, ny iray, ary i Loïc Lapoussin ny faharoa. Milalao any Belzika ity farany ary irakiraka ny toerany.
(Sary Nicolas Dupuis)
(Jereo Sary Tohiny)
23 octobre : Journée mondiale du Champagne (Champagne' Day)
23 octobre : Journée mondiale du Champagne (Champagne' Day).