Filtrer les éléments par date : mardi, 13 octobre 2020

Mitsidika an’i Mangabe-Sahananto ny delegasiona tarihin’ny Goverinora RAFIDISON Richard Théodore.

Ny kaominina MANGABE-SAHANANTO indray ary no nanasa ka notsidihin’ny delegasiona notarihin’Andriamatoa Governora sy ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tato anatin’ny Distrikan’i Toamasina faha-2. Tanatin’izao delegasiona izao ihany koa Ramatoa Lefitry ny lehiben’ny Distrika, ny avy amin’ny Talem-paritry ny mponina, Ben’ny tanàna maromaro, mpitandro filaminana, fikambanana sy tetik’asa miasa any an-toerana.

Kaominina tena mamokatra voly avotra sy voly fanondrana maro, sady manankarena tokoa i Mangabe Sahananto. Manodidina ny 80km avaratra andrefan’i Toamasina no misy azy. Io no Kaominina faha-10 anatin’ny Distrika, nandalovan’Andriamatoa Governora tato anatin’ny herinandro maromaro, izay anisan’ny andrefana indrindra ato anatin’ity Distrika ity.

Publié dans Vaovao

Anisan’ny anton-dian’ny Delegasiona notarihin’ny Governora sy ny Solombavam-bahoaka tany Mangabe-Sahananto, ny nanatrika ny lanonan-dehibe fanokafana ny Distrika katolika any an-toerana.

Tamin’ny taona 1938 tany no nanomboka nisy fiangonana taty Mangabe, izay niankina tamin’ny Distrikan’i Foulpointe nandritra fitopolo taona (1950-2020). Ny Alahady 11 Oktobra 2020 no nahazo Distrika i Mangabe, izay ivondronana Paroasy miisa 86, ka teo ambany fiahian’ny Kardinaly TSARAHAZANA Désiré Arsevekan’i Toamasina, izay notronin’ny pretra sy olom-piangonana ary olom-panjakana sy olom-boafidy maro.

Marihina fa ankoatra ny fahasoavan’Andriamanitra azon’izy ireo, dia nanampy betsaka tamin’ny fanokafana ny làlana ny ezaka natao’ny kristianina katolika sy ny mponina taty an-toerana.

Publié dans Art et Culture
Page 2 sur 2