Pilo kely: Miakatra sa midina
Tany amin'ny faritra atsimo nitondra taxi-brousse aho tamin'ny fotoan'androny.
- Olombelo tsy akoho chauffeur a
Nijanona nanao récréation.
Afaka 15min teo, niteny aho sady nosokafako ny varavarana
- Miakara amin'izay atsika
Niboaka aby olo mbola tanaty fiara tao
- Hay!!! nareo karaha niboaka ndraiky ho zaho, miakara fa atsika andeha
- Ka efa niakatra anie zahay io hoy navalindreo
- Niakatra aiza nareo nefa nareo niboaka hoy aho
- Miakatra zany chauffeur aminay atoy, mijotsoa.
- Azalahy eeee, sarotro teny gasy ty
Tafandria mandry e.
Patrick
Manakara: Mikendry ny hamokatra tantely 160 taonina isan-taona
Fantatra hatrany ampitan-dranomasina ny hatsaran’ny tantely avy aty Manakara ary efa nahazoana mari-pankasitrahana volafotsy amin’ny kalitao tantely tena natioraly toa ny miel d’eucalyptus, litchis, niaouli an’ny Ilanga Nature - SSM Madagascar.
Nisy omaly ny fanomezana tranon-tantely miisa 20 avy, sy fampindramam-bola ireo tantsaha mpamokatra tantely 188 at Manakara, sy amin’ireo Kaominina miisa 18 manodidina, ho fampiroboroboana ny famokarana tantely.
Manohana azy ireo amin’izany ny fandaharan’asa FIHARIANA mba hahafahan’izy ireo hahazo fitaovana aha matihanina azy ireo tanteraka. Hihatsara ny kalitao ary hitombo ny vokatra ka hahatratra 160 taonina ny tantely vokarina isan-taona raha 60 taonina teo aloha.
(Jereo Sary Tohiny)
Ady amin’ny piraty: Kapila mangirana miisa 37 000 nodorana
Kapila mangirana piraty miisa 37 000 noraofin’ny Borigady misahana ny ady atao amin’ny hosoka sy ny piraty na ny BAP eo anivon'ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ka nodorana androany teny Ambohitrimanjaka.
Ho fampiharana ny didim-panjakana laharana 94 036 ao amin’ny andininy faha 149 no nirosoana tao anatin’izay fandorana ireto kapila mangirana hosoka ireto.
Tohana ara-tsakafo: Nanao tolo-tanana ny Rosiana hanohanana ireo mpianatry ny EPP any atsimon’i Madagasikara
Mpianatra miisa 200 000 eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra miisa 800 any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara (Androy, Anosy, Atsimo Andrefana) no hisitraka tohana ara-tsakafo avy amin’ny Firenena Rosiana, izay miara-miasa akaiky amin’ny Fandaharan’asa misahana ny sakafo manerantany na ny PAM.
Sakafo manodidina ny 502 taonina, ahitana karazana legioma 382 taonina sy menaka 120 taonina mitetim-bidy iray tapitrisa dôlara no natolotry ny Masoivoho rosiana, Stanislav Akhmedov ny zoma 10 oktobra teny Ivandry.
10 octobre: Journée internationale de solidarité avec les peuples amérindiens
10 octobre: Journée internationale de solidarité avec les peuples amérindiens.
10 octobre: Journée Mondiale contre la peine de mort
10 octobre: Journée Mondiale contre la peine de mort.
10 octobre: Journée mondiale des soins palliatifs
10 octobre: Journée mondiale des soins palliatifs.
10 octobre: Journée Mondiale de la santé mentale
10 octobre: Journée Mondiale de la santé mentale.