Firenena mikambana: Ahemotra amin'ny fioriambe faha 76 amin'ny taona ho avy ny fandinihina ny Nosy Malagasy
Nanome soso-kevitra ho an'ny fivoriambe ny birao eo anivon'ny Firenena mikambana ny anemorana ny lahadinika momba ny Nosy Malagasy amin'ny fihaonambe faha 76 manaraka, amin'ny taona ho avy, ka tsy andinihina izany amin'izao fihaoanana faha 75 eto New York izao.
Arak'izany dia tsy ho hita ao anatin'ny tetiandron'ny dinika amin'izao Fivoriambe izao io resaka Nosy Malagasy io.
Frère Romain: Nodimandry teo amin’ny faha-95 taonany
Ny 4 jona 1925 i Romain Bruno Légaré no teraka tany Princeville, Faritany Québec any Canada. Misionera Katolika izy, ary mpanorina ireo sekoly Sacré-Cœur teto Madagasikara.
Frère Romain no fiantso sy nahalalan’ny maro azy, indrindra teo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiahiana ny tanora sahirana izay antom-pisian’ny « Village de l'amitié » ao Ambatolampy.
Zukkie Kardinnal: Nahazo taratasy fampitandremana avy amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera
Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny “Zukkie Kardinnal official” i Zukkie Kardinnal, mpihira, fa “araka ny lalàna mifehy ny kolontsaina malagasy dia tsy maintsy nofafana ny hira “Sambora @ bongany”.
Nandefasan’ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera taratasy fampitandremana i Zukkie Kardinnal noho ny raki-tsary navoakany mikasika io hira "Sambora @ bongany” io.
Efa nahazo fampitandremana tamin’ny Ministera toy izao ihany koa i Rijade tamin’ny hira sy raki-kirany “Drako hely” tamin’ny volana novambra 2019.
(Jereo Sary Tohiny)
Itampolo: Mpihaza sokatra tratra ambodiomby
Telo lahy no tra-tehaky ny mpiasan’ny Madagascar National Park sy ny Vondron’olona ifotony tao Andranovao Kaominina Itampolo, Distrika Ampanihy, Faritra Atsimo Andrefana, nihaza sokatra, ny harivan’ny 26 septambra lasa teo.
Voasambotra ny roa raha toa ka tafaporitsaka ny iray.
Tafaverina ireo sokatra velona miisa 19 efa azon’izy ireo, ary efa raisin’ny mpiasan’ny National Madagascar Park an-tanana. Natolotra ny Zandary ireo olon-dratsy natao famotorana ary natolotra ny Fitsarana.
Asa fanaovan-gazety: Nodimandry i Raharijaona Fabiola Farah
Nindaosin’ny fahafatesana, ny alarobia 30 septambra, teo amin’ny faha-43 taonany i Raharijaona Fabiola Farah. Mpanao gazety tao amin’ny vondrona L’Express de Madagascar izy farany izao. Efa mpanao gazety tao amin’ny Le Quotidien, ary vondrona MBS ihany koa.
Marovato - Ankazomiriotra: Ramatoa tsy salama saina, tonga hampiditra an-tsekoly ny zanany
Rasoazanakolona Jeanine na KialaJeanine, anaram-bositra fiantson’ny olona azy ao Marovato, Kaominina Ankazomiriotra, Distrika Mandoto. Renim-pianakaviana izy, tsy salama saina.
Na eo aza izany tsy fahatomombanana ara-tsaina mahazo azy izany dia tadidiny tsara ny anarany feno, toy izany koa ny anaran-janany Razafimahatratra Hasiniaina.
8 taona i Hasina. Nanatona ny EPP Marovato, ZAP Ankazomiriotra, Cisco Mandoto, DREN Vakinankaratra i KialaJeanine nitondra an’i Hasina, hampidirina hianatra. Hiditra taona voalohany io zaza io.
1 octobre: Journée internationale de la musique
1 octobre: Journée internationale de la musique.
1 octobre: Journée internationale des personnes âgées
1 octobre: Journée internationale des personnes âgées.
1 octobre: Journée mondiale du chocolat
1 octobre: Journée mondiale du chocolat.
1 octobre: Journée mondiale de l’urticaire.
Éruption cutanée en réaction à un aliment, à un médicament ou à d'autres irritants.
L'urticaire est une éruption cutanée courante déclenchée par de nombreux facteurs, y compris certains aliments, des médicaments et le stress.
Les symptômes possibles sont des papules surélevées irritantes, rouges ou de couleur chair, sur la surface de la peau.
L'urticaire disparaît généralement sans traitement. Toutefois, les antihistaminiques aident souvent à atténuer les symptômes.