Ihosy: Jiolahy iray tratra niaraka tamin'ny revolver
Tovolahy iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Ihosy ny 17 aogositra lasa teo nahatrarana basy poleta « revolver ».
Miezaka mifehy ny fampandriampahalemana aty amin’ny Distrikan’Ihosy ny Polisy miasa aty an-toerana. Vokatry ny fisafona nataon’izy ireo tao amin’ny fokontanin’ny Manjaka/Ihosy, dia lehilahy iray izay niafina tao ambadiky ny tranon’olona no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana mpanao fisafoana.
Nikasa hanatanteraka asa ratsy ity lehilahy ity no sainga nifanehitra tamin’ireo Polisy nanao fisafoana ka dia noraisi-potsiny. Nosamborina avy hatrany ity jiolahy ity niaraka tamin’ny basy poleta iray sy bala miisa 06, izay teny aminy. Ny alin’ny 17 aogositra lasa teo no nitrangan’izany.
Nanentana ny vahoaka hatrany ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any Ihorombe amin’ny fanomezana loharanom-baovao ny Polisy raha vao mahita trangan-javatra hafahafa.
Andraisoro: Nampangain'ny karapanodrony ireo mpanendaka
Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP3 Antaninandro ny alarobia 23 aogositra teo teny amin’ny faritra Andraisoro noho ny antony fanendahana.
Vehivavy iray no voahendaka teny Andraisoro ny alin’ny alakamisy 08 aogositra lasa teo, raha sendra nody alina. Niezaka nanohitra anefa io vehivavy io ka na dia lasan’ilay mpanendaka aza ny fananany dia voasintony kosa ny kitapo kely teny am-baben’ity mpanendaka azy.
Ny marainan’ny zoma 09 aogositra kosa dia tonga nametraka fitarainana teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ilay vehivavy voahendaka, ary natolony ireo polisy ilay kitapo azony tamin’ilay mpanendaka.
Manakara: Natsahatry ny fanjakana ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna
Efa nampitaraina ireo mponina manamorona ny reniranon’i Faraony amin’ny tapany ambony, ao amin’ny Kaominina Onilahy, Ampasimboraka sy Saharefo aty amin’ny Distrikan’i Manakara, ny fisian’ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa efa herintaona teo izay. Sady efa tsy ara-dalàna no manimba tontolo iainana, hoy ny mponina.
Nataon’ny fanjakana avy hatrany izany, nisy ny iraky ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika nanatanteraka ny fanagiazana ny fitaovana nampiasain’ny mpitrandraka tao.
Antananarivo Renivohitra: Nanome rà maimaimpoana ireo Mpamonjy Voina
Nanome rà maimaimpoana ho an’ny mpiray tanindrazana ny Sampana Mpamonjy Voinan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, tetsy amin’ny tobiny Tsaralalàna ny andron’ny zoma 23 aogositra 2019.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taona nijoroany izao hetsika izao, noho ny fahatsapan’ireto farany fa maro ireo olona mila vonjy, mila rà.
Niisa 45 teo ireo mpamonjy voina nanome rà ary kitapon-drà 40 eo ho eo no tanjona eritreretin’izy ireo hatolotra maimaimpoana. Nanentana ny mpiara-belona izy ireo, mba hanao izany fanomezan-drà maimaimpoana izany.
Angovo: Hamokatra 28MW ny foibe mpihary herinaratra vaovao ao Farahantsana
Ho vita amin'ny fiandohan’ny taona 2020 ny tohodranon'i Farahantsana-Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo. Hamokatra angovo 28MW ity foibe mpihary herinaratra vaovao ity.
Anisan'ireo tetikasa hahatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny famokarana herinaratra eto Madagasikara izy ity, araka ny nambaran'ny minisitry ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo, Andriamanga Vonjy.
Kitra - FMF: Voafidy ny Komity mpanatanteraka
Voafidy ny sabotsy 24 aogositra 2019 tany Ifaty – Toliara ireo mpikambana folo mandrafitra ny Komity mpanatanteraka (Comité Exécutif) ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF).
Basikety 3x3 - Lehilahy: Tompondakan’i Afrika i Madagasikara
Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 21 noho 19 i Egypta tamin’ny lalao famaranana ny taranja basikety 3x3 sokajy lehilahy, natao omaly tao Rabat-Maroc. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika i Madagasikara. Resintsika avokoa ireo lazaina ho sangany aty Afrika amin'ity taranja basikety ity, toa an'i Angola, Mali ary Egypta.
(Jereo Sary Tohiny)
Lalao afrikanina 2019: Nandrombaka medaly fito i Madagasikara, ka enina an'ny taranja fibatana fonjam-by
Andron’ny medaly ho an’i Madagasikara ny omaly alahady 25 aogositra 2019. Medaly fito no azon’ny Atleta malagasy, ka volamena ny enina, azo tamin’ny taranja basikety 3x3 lehilahy ny iray, ary tamin’ny fibatana fonjam-by ny volamena dimy hafa. Niampy medaly volafotsy iray teo amin'ny fibatana fonjam-by.
Hitohy hatramin’ny 31 aogositra 2019 ity Lalao afrikanina andiany faha-12 tanterahina any Rabat-Maroc ity.
Andranomanelatra: Razana lena iray sy karandoha no sisa tao am-pasana
Ankona ny fianakaviana handeha hamoha fasana ny androm-pamadihana ny alatsinainy 19 aogositra 2019, fa razana lena iray vao nalevina fotoana vitsy sy karandoha no sisa tao am-pasana. Niparitaka tao am-pasana ny lamban-drazana ; ary mbola narahan’ireo jiolahy hafatra fa « Asakasak’izay tsy hanao fa 70.000 ar ny kilao ».
Tao Ambohimiarivo, Kaominina Andranomanelatra, Distrika Antsirabe II no nitranga ity vaky fasana ity. Fasana somary mitokana ao an-tendrombohitra Ankarana no lasibatra.