Karaté-do: Fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara
Notanterahina androany alahady 11 aogositra 2019 tao amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate.
Morondava: Tara ny famatsiana solika ny JIRAMA
Misy fahatapahany nanomboka androany tolakandro ny herinaratra eto Morondava – renivohitry ny faritra Menabe sy ireo faritra manodidina azy akaiky. Fahataran’ny famatsiana solika avy amin’ireo orinasa mpamatsy ny JIRAMA no voalaza fa antony.
JIRAMA: Tsy mitsitsy amin’ireo mpiasa izay voaporofo fa manao asa ratsy
Nahitam-bokany ny fitsirihana sy fanadiovana anatiny isaky ny foibem-pitondrana iraisam-paritra nataon’ny mpitantana ny JIRAMA amin’izao fotoana izao, hetsika tafiditra ao anatin’ny fanarenana ny orinasa. Fanodikodinam-bola mitentina 500 tapitrisa Ariary no sarona tany Mananara Avaratra ka mpiasa eo anivon’ny JIRAMA miisa roa no voarohirohy amin’izany.
Tany Bealanana indray dia mpiasa iray no voatonontonona ho nanodikodina vola mitentina 135 tapitrisa Ariary. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitantana ny orinasa JIRAMA raha vao naharay tatitra avy any an-toerana ka nampitsahatra ireo voarohirohy ireo amin’ny asany. Ny herinandro ho avy izao izy ireo no hiakatra « CODIS » ary miankina amin’izay ny tohin’ny hampiakarana ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana.
Arsidiosezin’Antananarivo: Namasinana ho Eveka androany i Mgr Andriantsoavina Jean Pascal
Notanterahina androany alahady 11 aogositra teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny fanamasinana ho Eveka an'i Monsenera Andriantsoavina Jean Pascal, izay vao notendren'i Papa Fransoa ho Eveka mpanampy eto amin'ny Diosezin'Antananarivo.