Pilo kely

    • samedi, 26 décembre 2020 19:50

    Be fanontaniana nefa tsy hividy akory

    Pilo kely : Be fanontaniana nefa tsy hividy akory Efa miezaka daholo ireo mivarotra sur le net manisy sary, prix, caractéristique, fanazavana teny gasy sy teny frantsay, nefa mbola feno ny manao com manontany, prix, firy litre io, mandany courant ve, misy garantie ve, Pièce de rechange, contact. Nefa tsy hividy akory, na amaky ilay tolotra aza tsy vita. Bonne nuit daholo.Patrick  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 décembre 2020 20:39

    Kamo be tenda

    Pilo kely : Kamo be tenda Misy izany ilay sady tsy amôfy ovy, no tsy ikopak'afo, nefa rehefa hihinana malaky ery. Bonne fête daholoPatrick  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 décembre 2020 23:01

    Joyeuse fête de réveillon de Noël à tous

    Pilo kely : Joyeuse fête de réveillon de Noël à tous Bonne nuitPatrick
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 décembre 2020 21:45

    Pilo kely : Holafitra mpanao gazety, atao rano dingain'ny zinga

    Ny asa rehetra misy holafitra, toa ny mpisolovava, ny injeniera, ny géomètre, ny dokotera, ny mpivarotra fanafody, dia ny holafitra no misahana ny fandrindrana ny asa, ny fanamarinana ireo misehatra amin'ny asa, fa ny asa fanaovan-gazety irery no idikidiran'ny ministera, sy asiana vaomiera maro lafy, andinika ny momba azy, sy anao ny fizarana ny karatra maha mpanao gazety, ka tsy atao mahagaga raha efa an-taonany maro no tsy tanteraka ny fizarana ny karatra maha mpanao gazety, fa dia misolo koa izay misolo ny vaomiera fa dia mizara karatra tsarain'ny namany eo fotsiny. Izahay mpisera amin'ny internet moa lazaina fa tsy mpanao gazety, nefa aty aminay daholo ianareo no matsaka vaovao, ary taraiky ilaozan'ny namany eo, fa ny anay 4ora raha tara dia mivoaka ny vaovao, ny anareo milaza tompon'ny gazety efa vaovao milona alina vao mivoaka, ahagaga ve raha 300ex fotsiny ny an'ny sasany ny isan-gazety lafo isan'andro, raha 700 000 isan'andro ny mpanaraka aty amin'ny serasera sosialy. Tafandria mandry e.Patrick
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 décembre 2020 20:31

    Pilo kely : Ialao ity manipy fako eny ambony fiara ity e

    Misy aza ny manisin-delo sy mandrora, misy olona manana 4x4 vitre électrique raitra be nefa dia manary fako amin'ny arabe, nefa avy eo mimenomenona fa tondraka ny rano, ka io canal io moa natao anariana fako? Tafandria mandryPatrick  
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 décembre 2020 22:06

    Ca va n'i Diego

    Pilo kely : Ca va n'i Diego Ndray tsisy vôla, ça va fo. Bonne nuitPatrick
    Lire la suite ...
    • samedi, 19 décembre 2020 21:11

    Pilo kely : Ianao andeha hatory, ireo mpivarotra efa mifoha andeha hividy sakafonao maraina

    Olombelona toa ny olombelona rehetra ireo mpivarotra, raha tsy misy azy ireo, tsy misy sakafo tonga eo andovianao, ka aoka hajaina izy ireo. Fandaminana ny tsena ilaina, ary mila manaja ny lamina sy fahadiovana ihany koa ireo mpivarotra, fa tsy niala tamin'ny tantaram-piainan'ny Malagasy ny Tsena, ka izay zavatra rehetra atao, dia efa kajio ao anatiny ny tsena (Stationnement, Stade, manodidina ny sekoly, fiangonana, zaridaina, hopitaly...), tsy misy mpanao sera Gasy andeha tsy hiaraka amin'ny entany mody izany. Tafandria mandry e, ireo mpiatsena efa mivonona ny andeha alina ho anao.Patrick  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 décembre 2020 20:00

    Ny Mpampianatra efa manana ny valin'ny fanontaniana

    Pilo kely : Ny Mpampianatra efa manana ny valin'ny fanontaniana alohan'ny hametraka fanontaniana Tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 décembre 2020 20:29
    • Sary nindramina fanehoana

    Pilo kely : Aza lanjaina amin'ny balance tady miantona ireo zaza kere

    Misaotra anareo tsara sitrapo manampy ireo havana any atsimo, fa mba miangavy, raiso toy ny zanakareo izy ireo, diovy, sasao, ampiankanjoy, omeo sakafo, ary aza lanjaina amin'ireny balance tady miantona ireny azafady, misy balance mipetraka azo andanjana azy. Fantatro fa mavesatra ireny balance ireny ary mora entina ilay balance miantona, fa efa tena mafy ny mahazo azy ireo, ka aza atao toy ny hena amidy azafady indrindra. Ianareo efa mitondra 4x4 marobe foana mandeha any, dia efa mivatsia rano anadiovana azy ireo, alohan'ny hikarakarana azy sy anomezana sakafo azy. Balle frippe efa mahavita izay vitany. Ampitiavana. Tafandria mandry.Patrick    
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 décembre 2020 21:50

    Pilo kely : Ataova am-pôso fo frais retour

    Anao koa efa mandeha, hoy mamako zay, ataova am-pôso fo frais retour, ko misy problèmo, modia, aza mihina varin'ampango antragnon'olo. Samy mandry mifôha.Patrick  
    Lire la suite ...
Page 10 sur 18