Pilo kely

    • mardi, 02 mars 2021 18:07

    Azony ny nilainy de nentiny nody ny sono

    Pilo kely : Azony ny nilainy de nentiny nody ny sono Bonne nuit jiabyPatrick  
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 mars 2021 19:49

    Tsy laharam-pahamehan'ny fitondrana ny fiarovana sy ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany

    Pilo kely : Tsy laharam-pahamehan'ny fitondrana ankehitriny ny fiarovana sy ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany Nahena ny teti-bolan'ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany, mitentina 21 miliara ariary monja izany amin'ity taona 2021 ity, ka 14 miliara natokana fampandehanan-drahara, ary 2.6 miliara ariary monja ny fampiasam-bola na investissement. 192 miliara ariary ny Présidence264 miliara ariary ny Primature2 474 miliara ariary ny an'ny ministeran'ny teti-bola. Tafandria mandry ePatrick  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 28 février 2021 19:27

    Afaka tsy akana amin'ny hetra aloan'i Malagasy

    Pilo kely : Afaka tsy akana amin'ny hetra aloan'i Malagasy ve ny karaman'ireto olom-boatendry miantsy ady lava ireto. Ianareo olom-boatendry anie misolo tena ny Malagasy rehetra e, ny karamanareo aloan'i Malagasy rehetra fa tsy ny mpomba anareo irery no miantoka ny karamanareo, tena mampandoa mihitsy mahita ny fihetsikareo miantsy ady sy manao taim-bava etsy sy eroa. Tsy mendrika anao sy ny hasina anananao amin'ny maha Filoham-pirenena ho an'ny Malagasy rehetra anao ireo olona ireo andriamatoa Filoha.Ireo no hitarika ny tsy hitiavan'ny maro anao. Tafandria mandry.Patrick  
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 février 2021 21:38

    Pilo kely : Oviana moa ilay kabary fampiankaran-karama

    Oviana moa ilay hoe mizara roa ny kabary, ka amin'ilay kabary faharoa no ilazana ny fiakaran'ny karama, ny anomezana famotsoran-keloka ireo gadra. Miandry fa GasyPatrick  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 février 2021 20:44

    Pilo kely : Lazao fotsiny raha tsy manam-bola ny fanjakana

    Lazao fotsiny raha tsy manam-bola ny fanjakana, fa tsy andaingana daholo na ny mpianatra, na ny mpanamboatra lalana tsy naloa vola, na ny tompom-bary nanaovana vatsy tsinjo, na ny Paramed, na ny caisse école, na ny FRAM, fa tsy izay mitaky ny zony no lazaina fa manao hetsika politika ka sambosamborina sy anaovana tifi-danitra mahafaty. Tafandria mandry Patrick  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 février 2021 20:03

    Pilo kely : Aza mifampitahotra fa efa betsaka ny hita tamin'io

    Efa 35 taona zao no niadiana ny hisian'ny fanaovana politika malalaka, ny fahafahana miteny sy maneho hevitra ankahalalahana, maro no nijoro niady tamin'izany censure gazety sy ny fangejan'ny minisitry ny atitany Ampy Portos tamin'ny andron'i Filoha Ratsiraka, napetraka ireny fanaraha-maso ny fifidianana sy fahafahan'ny rehetra milatsaka ho fidiana ireny. Vavabasy maro, ary faty olona amin'arivony no efa latsaka tamin'izany. Betsaka ny mbola tsy teraka akory na mbola zaza tamin'izany, ary nahazo tombotsoa naterak'izany taty aoriana. Tsy mbola tanteraka araka ny ilana azy izy ireny ankehitriny, nefa kosa tsy ny aty aoriana indray no hamerina ny jadona sy ny fanampenam-bava. Aza mampitahotra amin'ny basy sy miaramila na gadra izany, fa efa betsaka no hita tamin'izany, ary tsy misy hanaiky hihemotra izany. Aza adino fa ny fahefana mandalo, ary be no nanao azy natanjaka sy nangoron-karena teto, fa tapitra rava sy nirodona hatrany. Aoka fotsiny samy hanaja ny lalàna velona, ary samy manao ny asany dia milamina isika. Bonne nuit.Patrick  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 février 2021 17:44

    Pilo kely : Lasa Fête des écoles ilay raha

    - Mitsagantsangana ny etsy avaradrano - Mamboly hazo ny etsy atsimondrano- Manao radio fan club ny etsy anilany- Manokatra radio Mille et Une collines ny andaniny- Zaza hendry ny ahy hoy ny ray- Zaza tsara taiza koa ny anay hoy ny ilany- Manana vahoaka be izahay ho ny ankilany, tsy misy sakatsakana- Tsy ambakan'izany koa ny anay raha tsy nisakanana sy nosamborina hoy ny ilany Dia izay ve sisa izy ty ? Ambavako ambavanao sy taim-bava ary hogahoga, dia samy mifanao angaredona eo ny atsy sy eroa. Mila mandry nareo fa reraka ePatrick  
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 février 2021 16:57
    • Sary nindramina

    Sary nahafinaritra

    Pilo kely : Sary nahafinaritra Bonne nuit ePatrick
    Lire la suite ...
    • lundi, 22 février 2021 21:30

    Chaque semaine misy sababon-draha fo

    Pilo kely : Chaque semaine misy sababon-draha fo Bonne nuitPatrick  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 21 février 2021 21:01

    Zaza mosary te hihinagna

    Pilo kely : Zaza mosary te hihinagna, voiture éléctrique téléguidée ndraiky vidianao ninazy. Bonne nuit e.Patrick  
    Lire la suite ...
Page 4 sur 18