Pilo kely

    • vendredi, 13 novembre 2020 13:50
    • Sary nindramina

    Efa misokatra moa izany ny sisin-tany?

    Rehefa mapanankanto malaza vahiny moa izany dia mahazo mivoaka ny Nosy be andeha hanao fampisehoana sy lanonana mitety an'i Madagasikara? Nigadona tamin'ny sidina tao Nosy be ny mpanan-kanto afrikanina atsimo, Nomcebo Zikode, ka niakatra an'Antananarivo tamin'ny fiaramanidina Tsaradia, ary izao nihazo an'i Sambava izao indray. Hanomboka ao Sambava ny fampisehoana, hitohy ao Toamasina sy Mahajanga, ary hiafara ao amin'ny Coliseum Antananarivo Nazava ny fepetra napetraky ny Filoham-pirenena fa tsy misy mahazo mivoaka ny Nosy be ireo miditra ao Nosy be, ary avy dia mody any aminy avy eo. Gaga anefa fa ny fitondram-panjakana, izay soloan'ny prefet sy maire tena mihitsy no mitsena ity mpanan-kato ity ao Sambava, izay nanokafana ny salon d'honneur, miaraka amin'ny samboadin'ny Ben'ny Tanàna sy akanjo fitafy ofisialin'ny préfet. Tsy manao aro vava orona akory aza izy ireto izay vahiny tsy hay avy aiza avy, tsy misy test PCR tonga aty Sambava, ny tao Nosy be mbola tsy hay? Mifampikasoka amin'ny olona maro izay liana te hijery sy hifandray tanana sy maka sary selfie mihitsy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 novembre 2020 18:14

    Sarotra ahita tory e, resy isika

    Pilo kely : Sarotra ahita tory e, resy isika, match retour koa manarina Courage BAREA Bonne nuitPatrick
    Lire la suite ...
    • mercredi, 11 novembre 2020 20:12

    Pilo kely : Politika gasy, zaza an-trano, zaza an-tany

    Rehefa ilaindreo ianao dia haindreo numéro sy lava-tranonao, fa rehefa azondreo raha ilaindreo,zaza an-tany ianao zay, mandefitra, miandry anaty couloir na antokontany, fa mbo misakafo ny zaza an-trano, téléphone-ndreo maty aby. Compte fake jiaby reo, zaza an-tany aby, maro miandry volandreo antokontany. Mbola tsy tonga mpizara vola,mipody koa ampitso, miandry instruction anaty groupe secret fb, ampitoviana aby ny com sy ny olona attaqué na. Midira fa manintsy any ivelany any. Tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 novembre 2020 19:16
    • Sary dolara fosika - Faux billet

    Pilo kely : Aza manonofy atoandro

    Ianao tsy nividy ticket loto, nefa mahazo message na mail fa nahazo miliara, nahazo frigidaire, nahazo télé, fa hoe natao antsapaka ny numéro tel nao, dia iny tokoa ianao fa somokotra manatanteraka izay lazainy. Dia milaza izy fa misy frais alefa western union, frais notaire sy avocat, dia iny tokoa ianao fa mande mitrosa vola andefasana an'izany, misy aza ianao andefasany billet 1 000 000 de dollar, dia rotika tokoa. Nefa aiza ilay adresse andefasana ilay vola?.... Bamako, dia eo ianao no raisina. Tafandria mandry e.Manofisa alina fa tsy atoandro.Patrick (Sary dolara fosika - Faux billet)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 09 novembre 2020 20:30

    Pilo kely : Sambatra ny ankehitriny misy facebook sy someso

    Ny anay tamin'izany raha andefa hafatra miafina ianao, dia ny kahie no androvitana kely, dia soratana ny hafatra, dia atsipy ery aloha amin'ilay sipa, indraindray tsy tafita eny ilay hafatra fa misy misopatra eny ampanidinana, na lasa eny an-kafa ka ataony fa izy no andefasanao ilay teny mamy, ka na ianao angarihany, na velotsiky colgate izy. Misy ny loza fa hitan'ilay mpampianatra ilay hiainga iny ny tanana anipy ilay hafatra, dia mody manafosafo loha aingana, ka dia tsakoina atelina ity fati-taratasy tsy ho tratra. Tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 08 novembre 2020 21:11

    Pilo kely: Ho sahirana ireo mpampianatra Taranja Malagasy sy Kajy

    - Raiso ny kahier Fomba amam-panao. - Efa facebook sy wikipedia zao ramose- Ary ny an'i Bema toa tsy kahier malagasy- Kahier malagasy ity ramose fa mianatra table 8 aho amin'ity fonon-kahier fa hisy interro kajy avy eo Tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 novembre 2020 20:37

    Izay nahay taratasy no afaka nanoratra ny tantara

    Pilo kely : Izay nahay taratasy no afaka nanoratra ny tantara, ary nosoratany tamin'ny fomba niainany sy nahitany azy, ary izay tiany, ka dia ianaran'ny taranaka rehetra aty aoriana, na marina aminao io na diso, tsy izay tantara voasoratra rehetra akory no marina. Mianara lahabiny e, koa tsy tianao olo hafa hanôratra tantaranao. Avike maresaka, ô tsy tantaranay zegny e, anao tsy nandefa zanakanao nianatra kay, nampambesanao aomby fo. Normal anao koa Allô fo hainao, anao badra kay.Tsinjaka vody ndraiky THB fo amiandreo anao efa ampy anao edy. Ya, vigniry bôka za, mampanonga vidin'ny lavinia nao zegny? Samy mandry monjogno.Patrick
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 novembre 2020 21:58

    Miandry kely aloha nareo any atsimo

    Pilo kely: Miandry kely aloha nareo any atsimo, ho avy any ny filoha rehefa avy namita adidy ara-pianakaviana tany an-dafy sy amita ny fitokanana ny kolize. Efa niainga avy aty Antananarivo rahateo ireo vary sy vatsy fanampiana, ka tsy marina izany ny filazana hoe raha nandeha an-tongotra ny vatsy fanampiana dia efa tonga. Tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 novembre 2020 22:13
    • Sary nindramina

    Isaorana ny filoha Rajoelina nangataka ny amerenana ny vakoka Malagasy

    Pilo kely: Isaorana ny filoha Rajoelina nangataka ny amerenana ny vakoka Malagasy, ka anatanterahan'ny filoha frantsay ny velirano nataony tany Ouagadougou ny taona 2017 ny hamerenana ireo vakoka nalain'ny frantsay tamin'ny fanjanahan-tany. Ny an'ny Guinée efa niverina, dia ny antsika indray izao. Tsy tokony adino ny mitady ilay iray nisy nangalatra tamin'ny Tetezamita iny, ilay an'i Ranavalona 1er. Nalaky navoakanareo koa ilay bala, nefa mbola rahampitso ny 04 novambra hanaovana ny sonia. Tafandria mandry e.Patrick (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 novembre 2020 21:54

    Ny teny hoe "Ministre" dia azo tamin'ny teny latinina hoe "Minus"

    Pilo kely: Ny teny hoe "Ministre" dia azo tamin'ny teny latinina hoe "Minus" na "inférieur" na ambany, mpanompo. Tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
Page 13 sur 18