Pilo kely

    • vendredi, 09 avril 2021 20:08

    Zaho aloha tsy tafiditra anaty fanisana

    Pilo kely : Zaho aloha tsy tafiditra anaty fanisana, firy amiko ny mitsabo tena amin'izao Azako antoka fa diso ireo fanisana rehetra avoaka ireo, mila manova tetik'ady ny mpitondra fa mety efa mihanaka io aretina io fa miandry tsy fanjariana kely amin'ny vatana fotsiny dia mamely. Ahibohy ireo marefo fa tena en danger, maro ny tsy mahatakatra ny saran'ny fitsaboana raha sanatria ka mihombo. Tafandria mandry ePatrick
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 avril 2021 21:30

    Ary raha lazaina ny marina

    Ilay tarehi-marika maneho ny isan'ny matin'ny Covid-19 no mivoaka hatrany, fa ireo ampolony maty vokatry ny fahatapahan'ny herinaratra izany tsy tafiditra anaty kajy iny, satria tsy Corona no namono azy, fa tsy fahampian-drivotra noho ny fahatapahan'ny milina manome oxyzena. Tafandria mandry ePatrick
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 avril 2021 19:54

    Pilo kely : Miteny ny rindrina eny Ambohidahy

    Atao rahampitso 08 aprily 2021 ny fihanianan'ireo sivy mianadahy mpikambana vaovao ao amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, hiasa mandritra ny 7 taona. Aorian'izay dia hiroso amin'ny fivoriana voalohany hisafidianan'izy ireo izay ho filoha. Ingahy RF no heno hatreto fa tsara toerana, na dia 5 vavy, 4 lahy aza ireo mpikambana. Tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 avril 2021 19:37

    Ary angaha tsy ny mpanohitra indray no atao vakisiny voalohany

    Pilo kely : Ary angaha tsy ny mpanohitra indray no atao vakisiny voalohany Ireo mpanohana ny fitondrana indray no hita miazakazaka manao vakisiny iarovana amin'ny Covid-19 mialoha, misy mitsaitsaika manao vakisiny any ivelany, ary ny vahoaka Malagasy mba oviana ny azy ? Tafandria mandry ePatrick
    Lire la suite ...
    • mercredi, 31 mars 2021 20:19
    • Sary nindramina

    Pilo kely : Ahoana ny fanomezana médaille ilay DG IMRA Natural Products maty

    Zaho ve no tsy naharaka fa toa tsy nisy médaille na fanomezam-boninahitra manokana ho an'ny rain'ny CVO akory, sa ve tsy sitraka ny zava-bitany namonjena ny Malagasy sy izao tontolo izao? Nodimandry ny sabotsy 27 martsa 2021, ary efa voalevina ny marainan'ny alahady 28 martsa ihany ny Profesora Randriantsoa Adolphe, tale jeneralin'ny IMRA Natural Products, teo amin'ny faha 71 taonany. Mpikambana ao amin'ny Akademia Malagasy izy, ary mpikambana ao amin'ny Filankevim-pitantanana Fondation Albert et Suzanne Rakoto Ratsimamanga. Tafandria mandry mandrakizay ingahy DGPatrick  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 mars 2021 19:17
    • Sary nindramina

    Pilo kely : L'espoir fait vivre les 6%

    Matoria fa vozaka tsy nisotro rano ilay arbitre Côte d'Ivoire sy Ethiopie. Tsy misy disqualification Ethiopie izany eo. Merci Barea. Bonne nuitPatrick
    Lire la suite ...
    • dimanche, 28 mars 2021 19:45

    Ny Gasy tsy miady amam-paty

    Pilo kely : Ny Gasy tsy miady amam-paty, mbola ambohitra rahateo ny Razana Tafandria mandry ePatrick  
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 mars 2021 21:46

    To lay tahotra amin'ny Covid indray no ahafaty voalohany

    Antsoy matetika ihany Ray aman-drenintsika ho an'izay mbola manana, ry Papi, Mamie, Tonton, ry Tantine fa mafimafy izy ty. Mitandrema aby e, mila tony tsara. Bonne nuit.Patrick  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 mars 2021 20:48

    Pilo kely : Mifidy ankalalahana izay hisolo tena azy any amin'ny HCC ny CSM

    Amin'izao amin'ny 9ora alina izao, anio zoma 26 martsa 2021, vao vita ny fihainoana ireo kandida 59 izay hisafidianana olona 2 hisolotena ny Filankevitra ambony ny mpitsara na Conseil Supérieur de la Magistrature (CSM), ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana. Miala sasatra kely izao ny mpikambana, ary izay vao miroso amin'ny fandinihina ny fombafomba hitondrana ny fifidianana, izay vao mifidy, ary farany vao manisa vato. Raha ny nambara hatrany moa dia malalaka tsy misy tsindry avy any ambony ny safidy atao. Fa ny resaka heno aty anaty rindrina aty aloha dia misy soso-kevitra mavesatra mba hifidianana an'i ramatoa BGR sy atoa RF. Izay tsy voatery izy ireo aloha no ho lanian'ireo mpikambana raha tena sahy hijoro amin'ny safidiny izy ireo. Mety tsy ahandry anareo izahay fa dia tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 mars 2021 21:38

    L'intrus

    Pilo kely : L'intrus Bonne nuitPatrick
    Lire la suite ...
Page 1 sur 18