Pilo kely

    • dimanche, 07 mars 2021 19:31
    • Sary nindramina

    Mihavana amin'ny rahalahinao

    Samy milaza fa Kristianina isika, andao ezahina tanterahina ary hoe ity Evanjely ity, Karemy fibebahana sy fotoanan'ny fampihavananana rahateo izao, indrindra isika mpitondra, mpanohitra, mpitarika antoko politika, mpitarika fikambanana, rehefa tsy hanao izany, dia aza mampiseho hoe mpivavaka intsony fa manjary mpitari-bato vilam-bava. Matio toko 5, 23-26 23.Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin'ny otely hianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, 24.dia avelao eo amin'ny otely aloha ny fanatitrao, ka mandehàna mihavana amin'ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. 25.Mihavàna faingana amin'izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dàlana hianareo, fandrao atolotr'izay manana ady aminao amin'ny mpitsara hianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin'ny mpamototra, ka hatao an-tranomaizina hianao. 26.Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany. Izany ary ny Tenin'i Tompo Patrick  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 mars 2021 20:28

    Vita ve ny fifampitahana sary ?

    Pilo kely : Vita ve ny fifampitahana sary ? Rehefa vita ny fifampitahana sary, afaka miroso amin'ny tena fampandrosoana amin'izay ve, sa mbola anao tatitra indray koa ny ankilany hanome valin-kafatra? Lazao izahay rehefa tapitra ny toraka kapoaka anisana iza no nampihitsana kapoaka be indrindra. Nivadika kermesy manko ty raha ty. Tafandria mandryPatrick  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 mars 2021 21:10

    Hono hoa mise le mera, nanakory zay lay hoe mipipi gratos ?

    Tsiahy kely iny, alohan'ny hipipi andeha hatory Bonne nuit nareo, tsy azo atao eny ambody hazo an, Tanabao lalan'ny CENAM iny manko de feno azy.Patrick  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 mars 2021 20:59
    • Sary nindramina

    Pilo kely : Za tsy gaga

    Nampiasainao Rajaonarimampianina andakana an'i Ravalomanana, azon'i Rajaonarimampanina ny fahefany dia nodakany ianao. Nampiasainao indray Ravalomanana, deputé 73, andakana an'i Rajaonarimampianina, azonao indray ny fahefana article 54 napetrakao ny PM Ntsay Chritsian sy ny Ministre interieur ampandresy anao présidentiel, députation, maire ary sénat. Dia ho gaga ve ianao raha hiaraka Ravalomanana sy Rajaonarimampianina andaka anao ? Fa izay foana moa no eto, mihavana raha misy tiana harodana. L'ennemi de mon ennemi est mon ami.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 mars 2021 19:19

    Ianao no efa vonoiny, dia mbola ianao koa no mamelona azy

    Ny gadra eto amintsika, sady efa namono, nangalatra, nanao ny tsy mety teto amin'ny fiaraha-monina, nefa izy indray no velomim-potsiny, anamboarana fonja manara-penitra. Zon'olombelona mivadika, ianao angalarina, aholana indray no mandoa hetra amelomana ny mpangalatra sy ny mpanolana. Tafandria mandry e.Patrick  
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 mars 2021 18:07

    Azony ny nilainy de nentiny nody ny sono

    Pilo kely : Azony ny nilainy de nentiny nody ny sono Bonne nuit jiabyPatrick  
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 mars 2021 19:49

    Tsy laharam-pahamehan'ny fitondrana ny fiarovana sy ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany

    Pilo kely : Tsy laharam-pahamehan'ny fitondrana ankehitriny ny fiarovana sy ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany Nahena ny teti-bolan'ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany, mitentina 21 miliara ariary monja izany amin'ity taona 2021 ity, ka 14 miliara natokana fampandehanan-drahara, ary 2.6 miliara ariary monja ny fampiasam-bola na investissement. 192 miliara ariary ny Présidence264 miliara ariary ny Primature2 474 miliara ariary ny an'ny ministeran'ny teti-bola. Tafandria mandry ePatrick  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 28 février 2021 19:27

    Afaka tsy akana amin'ny hetra aloan'i Malagasy

    Pilo kely : Afaka tsy akana amin'ny hetra aloan'i Malagasy ve ny karaman'ireto olom-boatendry miantsy ady lava ireto. Ianareo olom-boatendry anie misolo tena ny Malagasy rehetra e, ny karamanareo aloan'i Malagasy rehetra fa tsy ny mpomba anareo irery no miantoka ny karamanareo, tena mampandoa mihitsy mahita ny fihetsikareo miantsy ady sy manao taim-bava etsy sy eroa. Tsy mendrika anao sy ny hasina anananao amin'ny maha Filoham-pirenena ho an'ny Malagasy rehetra anao ireo olona ireo andriamatoa Filoha.Ireo no hitarika ny tsy hitiavan'ny maro anao. Tafandria mandry.Patrick  
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 février 2021 21:38

    Pilo kely : Oviana moa ilay kabary fampiankaran-karama

    Oviana moa ilay hoe mizara roa ny kabary, ka amin'ilay kabary faharoa no ilazana ny fiakaran'ny karama, ny anomezana famotsoran-keloka ireo gadra. Miandry fa GasyPatrick  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 février 2021 20:44

    Pilo kely : Lazao fotsiny raha tsy manam-bola ny fanjakana

    Lazao fotsiny raha tsy manam-bola ny fanjakana, fa tsy andaingana daholo na ny mpianatra, na ny mpanamboatra lalana tsy naloa vola, na ny tompom-bary nanaovana vatsy tsinjo, na ny Paramed, na ny caisse école, na ny FRAM, fa tsy izay mitaky ny zony no lazaina fa manao hetsika politika ka sambosamborina sy anaovana tifi-danitra mahafaty. Tafandria mandry Patrick  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 15