Pilo kely : Ahoana ny fanomezana médaille ilay DG IMRA Natural Products maty

  • mercredi, 31 mars 2021 20:19
  • Super User
  • Sary nindramina

Zaho ve no tsy naharaka fa toa tsy nisy médaille na fanomezam-boninahitra manokana ho an'ny rain'ny CVO akory, sa ve tsy sitraka ny zava-bitany namonjena ny Malagasy sy izao tontolo izao?

Nodimandry ny sabotsy 27 martsa 2021, ary efa voalevina ny marainan'ny alahady 28 martsa ihany ny Profesora Randriantsoa Adolphe, tale jeneralin'ny IMRA Natural Products, teo amin'ny faha 71 taonany.

Mpikambana ao amin'ny Akademia Malagasy izy, ary mpikambana ao amin'ny Filankevim-pitantanana Fondation Albert et Suzanne Rakoto Ratsimamanga.

Tafandria mandry mandrakizay ingahy DG
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.