Pilo kely : Mifidy ankalalahana izay hisolo tena azy any amin'ny HCC ny CSM

  • vendredi, 26 mars 2021 20:48
  • Super User

Amin'izao amin'ny 9ora alina izao, anio zoma 26 martsa 2021, vao vita ny fihainoana ireo kandida 59 izay hisafidianana olona 2 hisolotena ny Filankevitra ambony ny mpitsara na Conseil Supérieur de la Magistrature (CSM), ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana.

Miala sasatra kely izao ny mpikambana, ary izay vao miroso amin'ny fandinihina ny fombafomba hitondrana ny fifidianana, izay vao mifidy, ary farany vao manisa vato.

Raha ny nambara hatrany moa dia malalaka tsy misy tsindry avy any ambony ny safidy atao.

Fa ny resaka heno aty anaty rindrina aty aloha dia misy soso-kevitra mavesatra mba hifidianana an'i ramatoa BGR sy atoa RF. Izay tsy voatery izy ireo aloha no ho lanian'ireo mpikambana raha tena sahy hijoro amin'ny safidiny izy ireo.

Mety tsy ahandry anareo izahay fa dia tafandria mandry e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.