Pilo kely : Rehefa tsy matoky dokotera Gasy, dia tokony mianto-tena
- mardi, 23 mars 2021 20:30
- Super User
Manana dokotera Malagasy mahay isika, na La Réunion, na Maurice aza manafatra dokotera Malagasy anampy azy. Manana ny fitaovana fitilana sy fitsaboana rehetra ihany koa eto Madagasikara raha ny aretina mpahazo ny rehetra, mety lafo ny sarany ho an'ny vahoaka, fa misy ny fitaovana, na eny amin'ny hopitaly tsy miankina, na eny amin'ireo hopitalim-panjakana.
Safidy izany ny hoe te hitsabo tena any ivelany, ka aoka samy hiantoka ny fitsaboana azy ireo tompon'andraikitra ambony mangataka ny ho tsaboina any ivelany, na ilay Evasan.
Tsy tokony ny vahoaka Malagasy kosa no hiantoka ny haitraitran'ireo mpitondra te hitsabo tena any ivelany, eny averiko tsara haitraitra, satria ampy ny fitaovana eto ary mahay ny dokotera Malagasy.
Tafandria mandry.
Patrick
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.