Pilo kely : Mitaky ny amehana ara-pahasalamana ny famerana ny fivezivezena
- dimanche, 21 mars 2021 20:17
- Super User
Ny Lalampanorenena dia milaza mazava fa manan-jo hivezivezy malalaka manerana ny tanin'i Repoblika malagasy, miditra sy mivoaka ny sisin-tanimpirenena ny Malagasy sy ny mponina rehetra ato aminy.
Io Lalampanorenana io ihany koa no manome alalana ny Filoham-pirenena andray fepetra hamerana izay fahafahana izay, amin'ny alalan'ny fametrahana ny amehana eto amin'ny tany sy ny fanjakana.
Ka tsy ampy izany ny filazana fa mikatona manomboka amin'ny talata izao i Mahajanga sy Nosy be, na ny fivezivezena anabakabaka, na ny fivezivezen'ny olona an-tanety, fiara madinika sy taxi-brousse, ankoatran'ny fitanterana entana.
Ny sidina rehetra anatiny dia miantona avokoa manomboka ny talata izao amin'ireo faritra roa ireo, ary ny sidina iraisam-pirenena farany any Nosy be dia amin'ny sabotsy izao ny farany, ary izany dia mandritra y 15 andro. Dia efa mila tonga any Nosy be izany rahampitso aaltsinainy izay anainga ho any ivelany sabotsy, fa talata efa mikatona Nosy be.
Tafandria mandry e
Patrick
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.