Pilo kely : Covid-19 aretin'ny mpanan-karena ?

  • samedi, 20 mars 2021 19:49
  • Super User

Rehefa apetraka ny fepetra, arovava orona, ny elanelana sy fanasan-tanana, dia ao ny milaza fa aretin'ny mpanan-karena io fa izahay efa zatra miosom-bovoka ka tsy matahotra izany aretina izany intsony, firy ireo mitsindroka fako tsy marary.

Rehefa tonga indray ilay kaly tsinjo, vatsy tsinjo, vola azo tamin'ny Covid-19, ry zareo milaza fa aretin'ny mpanan-karena indray no tena milaza, aiza ny anjaranay madinika.

Ka maninona tsy omena ny mpanan-karena hianjadian'io aretina io ny vatsy tsinjo, ka tsy izy indray angaha no voan'ilay aretina ka ny tsy voa no ahazo fanampiana.

Tafandria mandry aby e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.