Sady milahatra amin'ny roa maraina no mandoa lafo

  • jeudi, 21 janvier 2021 21:39
  • Super User

Mitanila tanteraka ny vidin-drano jifain'ny mponina amidin'ny Jirama.

Ny any an-tokantrano manana robinet ao Antananarivo, mandoa 415ariary ny 1 000litatra (1m3) (Bidon jaune 50 isa), ireo milaha-drano amin'ny pompy anefa dia mandoa 500ar ny iray bidon, mbola tsy anatiny ny saran'ny mpitaona.

Ny any amin'ny faritany moa dia mandoa vidin-jiro indroa na in'efatra avo heny amin'ny ao Antananarivo mihitsy.

Ka rehefa nosakanana ihany ny fampiakarana ny vidin-jiro sy rano dia ampiaro ilay politika fampitoviana ny aloan'ny rehetra fa dia miangatra loatra raha ny milaha-drano sy ny any amin'ny Faritany hatrany no mandoa lafo, fa ireo misonanika manokatra robinet isak'izay mahatsiahy no miadana mandoa mora.

Tafandria mandry ianareo izay tsy afaka nisasa.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.