Pilo kely : Zao fotsiny e, tsy misaraka ny volamena, kidnapping, trafic devise, blanchiment d'argent, jet privé, banky, casino, varotra electronika.

  • jeudi, 14 janvier 2021 21:06
  • Super User

Eny an-tsefatsefany eny ny rongony sy ny sexe ary ny basy.

Te ahita iza no tompon'ny volamena, tadiavo iza no mpanao devise sy kidnapping dia hitanao ny valiny.

Mandeha etsy amin'ny Arcade ianao dia mahazo valiny, mividy volamena e, misy euro? Miazakazaka tsy lavitra eo izy dia mitondra izay ilainao rehetra, ary fifampitokisana tsy mandray ny entana avy aminao izy raha tsy efa voahisanao ny anao.

Miala etsy Analakely ianao dia misy betsaka koa etsy Antsahavola, miara-mihidy amin'ny banky izy, efa pirina kely sisa no hitanao amin'ny lera hikatonan'ny banky na mangazay mpivarotra elektronika.

Ny bizina fanafody etsy Ambohipo moa dia ny building Miami sisa no tsy hitanao mijoro eny, fa tsisy bedy io, ka na ny dokotera aza eny no matsaka na maniraka ny marariny, ka mora sy maro koa ny azy ka, fa ny ao ambadiky Sahondra mba inona?

Tafandria mandry fa be film be amin'ny télé.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.