Parc botanique Ambohijatovo : Handaniana 2 lavitrisa Ariary

  • dimanche, 28 mars 2021 19:26
  • Balita
  • Sary nindramina

Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana voalohany ny mpanolotsaina monisipalin’Antananarivo nanomboka ny 25 martsa teo ka hatramin’ny 3 aprily ho avy izao.
Hentitra amin’ny fandraisam-pitenenana ny mpanolotsaina avy amin’ny KOMBA, Ravelonahina Hilda sy Ralambomahay Toavina.

Hampiasa vola mitentina 10 lavitrisa ariary (10 miliara ariary) amin’ny fanamboarana foto-drafitrasa ny Kaominina, araka ny tatitra vonjimaika nataon’izy ireo taorian’ny fivoriana azon’ny rehetra natrehana niaraka tamin’ny Ben’ny tanàna Andriantsitohaina Naina.

Hatokana amin’ny fanajariana ilay “Parc botanique” ao amin’ny zaridainan’Ambohijatovo ny ampahany 2 lavitrisa Ariary.

Amin’izao fotoana izao vao mandeha ny adihevitra raha toa ka hankatoavina na tsia izy io, hoy ny mpanolotsaina KOMBA mianadahy.

Tamin’ny volana febroary dia nilaza ny Ben’ny tanàna, hoy izy ireo, fa tsy azon’ny antoko TIM hidirana ny zaridainan’Ambohijatovo.
Mahagaga, hoy ihany ny KOMBA, fa tsy nisy mpanolotsaina monisipaly TIM na iray amin’ireo 25 aza nitsipaka izany fanapahan-kevitra izany tamin’ny fifidianana tamin’ny oktobra.

Izao anefa vao fantatra fa hevitra ihany ilay nofidiana tamin’ny oktobra fa tsy mbola nisy vola akory tamin’io fotoana io.
Nitsipaka izany kosa ny KOMBA ka nanao “TSIA” tamin’ny fifidianana.
Mitana ny heviny hatrany ireto mpanolotsaina monisipaly KOMBA ireto.

Manentana ny olompirenena, indrindra fa ny mponin’Antananarivo izy ireo, mba hiaraka hanao “TSIA” aminy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra.

“Tsy tena mbola azon’ny olona ny hevitry ny fanaovana tsia. Toa heverina ho fanaovana bontolo be fahatany fotsiny”, hoy izy.
Raha vao nanomboka nitondra ny tanànan’Antananarivo ny Ben’ny tanàna, hoy ny KOMBA, dia nidehaka nilaza fa homen’ny filoha vola mitentina 10 lavitrisa ny Kaominina.

Tonga ao amin’ny kitapombolan’ny Kaominina tokoa io vola io ny 31 desambra 2020.
Fantatra fa avy amin’ny Fonds de Développement Local (FDL) ny vola, izay nanaovana dokam-barotra tamin’izany.
“Tsy ny vola ampaosin’ny filoha kosa no homeny antsika”, hoy ny Ben’ny tanàna.
“Izay ilay fomba fiasan’ity fitondrana ity”, hoy ny setriny avy amin’ny KOMBA.

Miandry izay mety ho fihetsiky ny mpanolotsaina TIM ny antoko KOMBA raha toa ka hankato na tsia ny tetikasa “parc botanique Ambohijatovo” izy ireo.

Nosoritany mazava tsara fa ny raharahan’Antananarivo dia tena misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena.

Adihevitra goavana ihany koa ny fampiasana ny 8 lavitrisa Ariary ambiny.

Kasaina hanaovana “parking” eny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka ny 667 tapitrisa ariary.

Tsy maintsy handalo fifidianana eny anivon’ny Filankevitra monisipaly ihany koa ny fankatoavana izany na tsia.

Nahare sahady anefa ny Komba fa misy federasiona maromaro mitsipaka io tetikasa io, ary nanokatra fanadihadihana momba izany izy ireo.

Misy fomba fanao ihany koa ny fanaovana parking hivarotana fiara ka hitan’ny KOMBA fa tsy feno ny fepetra teknika mikasika izany.

Mikasika ny fananganana ilay tsena lehibe eo ampitan’ny Antanimierandoholona eo Anosy dia azo eritreretina ho vahaolana tokoa saingy mila ampiana fepetra hafa raha tsy izany dia vao mainka hiteraka fivangongoana.

Nahazo tosika avy amin’ny FDL ihany koa ny Kaominina ambanivohitra sasany, saingy 20 tapitrisa Ariary monja izany, izany hoe 0,2 isan-jaton’ny anjaran’Antananarivo Renivohitra.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.